Toko faha 38

1 Nahanja gny safa ze nambaran'i Jeremia tamin'ny gny vahoaky iaby i Safatia anakilahin'i Matana,voho Gedalia anakilahin'iPasora,soho Jokala anakilahin'i Selemia,voho i Pasora anakilahin'i Malkia.Ie la nivola hoe: 2 "Yaveh nivola gnan'izao:Ze gn'olo iaby mifitaky amin'itoy tana toy la ho matin'ny gny meso,mosary,voho gny arety mandrava.Fa ze iaby mandeha magnagny amin'ny gny Kaldeana la ho velo.Hagnavotsy gn'ainy ie,ka ho velo. 3 Zao ro volan'i Yaveh:Toy tana toy la hatolotsy an-tagnan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona,ka hisambotsy gnazy ie." 4 Ka hoy reo manam-pahefa tamin'ny mpanjaka:"Aoky ho maty toy johary toy,fa tamin'izay fomba zay ro nagnalefahany gny tagnan'ireo johary mpialy tavela amin'ny tana toy,voho gny tagnan'ny vahoaky iaby.Magnambara reto safa reto ie,fa tsy niasa hagnaro gny vahoakiny toy johary toy,fa ho gnan'ny gny loza." 5 Ka hoy i Zedekia mpanjaka:"Ingo,an-tagnanao eo ie fotony tsy misy mpanjaka afaky hanohitsy gnanao." 6 Ka nalan-drozy i Jeremia ka natorany tagnatin'ny famorian-dranon'i Malkia,anakilahin'ny mpanjaka.Tagnilan'ny gny mpiamby gny famorian-drano.Nampijotsoandrozy amin'ny taly i Jeremia.Tsy nizy rano tao amin'ny famorian-drano igny,fa namotaky avao,ka nilentiky tamin'ny fotaky tao ie. 7 Ka Ebeda-Meleka Kosita la raiky tamin'ireo tandapa tamin'ny tragnon'ny mpanjaka reo.Jany fa nataon-drozy tagnatin'ny famorian-drano i Jeremia.Ka nifitaky tamin'ny vavahadin'i Benjamina gny mpanjaka. 8 Ka nandeha baka-tragnon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ka niresaky tagnaminy.Hoy ie:" 9 Ry mpanjaka tompoko,reto johary reto la fa nanao raty tamin'ny fomba nagnandesany gnan'i Jeremia mpaminany.Natoran-drozy tagnaty lavaky fasiarano ie mba ho matin'ny mosary ao,fotony tsy misy hany sasy amin'ny tana io." 10 La nagnome baiko gnan'i Ebeda-Meleka Etiopiana gny mpanjaka.Hoy ie:"Magnandesa johary telopolo baketo ka aboaho bakamin'ny famorian-drano ao i Jeremia alohan'ny hahafaty azy." 11 Ka nanday reo johary reo ie ka nagnagny amin'ny tragnon'ny mpajaka,tagny amin'ny tragno fagnajaria salotsy ambanin'ny tragno tao.Tao ie ro nangalaky lamba tataky voho vorodamba ka nampijotso gnan-drozy tamin'ny taly nagnagny amin'i Jeremia tamin'ny famoria rano ao. 12 Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia:"Atavo ambanin'ny tagnanao voho amin'ny lohan'ny taly igny gny lamba tataky voho gny vorodamba."Ka nataon'i Jeremia zay. 13 La nisintonin-drozy tamin'ny taly igny i Jeremia.Zay ro fomba nagnambohan-drozy gnazy tamin'ny famorian-drono tao.Ka nijano tan-tokotanin'ny mpiamby teo i Jeremia. 14 Nandefa safa i Zedekia mpanjaka ka nanday gnan'i Jeremia mpaminany nagnagny agnaminy,ho agny amin'ny filira fahatelo amin'ny tragnon'i Yaveh ao.Hoy gny mpanjaka tamin'i Jeremia:"Ta hagnontany raha gnano zaho.Ka aetaky gnahy gny valiny.: 15 Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia:"Laha mamaly gnanao zaho,la tsy hamono gnahy tokoa va iha."?Nefa laha magnome torohevitsy gnanao zaho,la tsy hinjanjy gnahy iha." 16 Kanefa nifanta manoka tamin'i Jeremia gny mpanjaka ka nivola hoe:"Laha mbo velo koa i Yaveh,gny nahary gnantsika,la tsy hamono gnanao zaho na hanolotsy gnanao an-tagnan'ny gny johary ze mikinia gn'ainao reo." 17 Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia:"Yaveh,Andrianagnaharin'ny tompon'ny maro,Andrianagnaharin'Israely nivola gnan'izao:"Laha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona iha la ho velo,ka tsy ho may toy tana toy.Ho velo iha voho gny hasaveregnanao. 18 Fa laha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona iha,la hatolotsy an-tagnan'ireo Kaldeana toy tana toy.Horoan-drozy zay,ka tsy ho afaky handositsy an-tagnan-drozy iha." 19 Hoy i Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia:" Fe matahotsy gny vahoakin'i Joda ze nandositsy nagnagny amin'ireo Kaldeana zaho,fotony mety hatolotsy an-tagnan-drozy zaho mba ho potepotehin-drozy." 20 Hoy i Jeremia:"Rozy la tsy hanolotsy gnanao agnamin-drozy.Ekegno gny hafatsin'i Yaveh ze volagniko agnaminao,mba handeha soa gny raha iaby ho gnanao,ka mba ho velo iha. 21 Fa laha manda gny hiala iha,la zao ro fa natoron'i Yaveh tagnamiko. 22 Ingo!Gny sevaky iaby ze tavela tan-tragnonao,ry mpanjakan'i Joda,la handesy hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona.Hivola agnaminao reo sevaky reo hoe:"Voafitanin'ireo namanao iha;fa nanimba gnanao rozy.Henanizao la milentiky agnaty fotaky gny tombokao,ka gny namanao ka handositsy. 23 Fa handesiko hiala amin'ireo Kaldeana gny valy amign'anakao iaby,voho gny vatanao la tsy ho afaky handositsy an-tangnan-drozy egny.Ho voasambotsin'ny tagnan'ny mpanjakan'i Babylona iha,voho toy tana toy la ho may." 24 La hoy i Zedekia tamin'i Jeremia:"Ka ampahaizy ndra ia ndra ia gny mikasiky gnan'ireto safa reto,mba tsy ho maty iha." 25 Laha jan'ny manam-pahefa fa niresaky taminao zaho,ka laha avy rozy ka mivola agnaminao hoe:"Volagno aminay ze nivolagninao tamin'ny mpanjaka,la ka aetaky gnanzy zay,laha tsy zay la ho vonoanay iha, 26 la tsy maintsy hivola gnan-drozy iha hoe:"Nanao fangataha tangnatrehan'ny mpanjaka zaho mba tsy hampimpoliany gnahy agny an-tragnon'i Jonatana ho maty agny." 27 La niavy teo amin'i Jeremia reo manam-pahefa iaby ka nanonatany gnazy,ka namaly gnandrozy araky ze natoron'ny mpanjaka gnazy ie.Ka ninjano niresaky tagnaminy rozy,fotony tsy nahare gny resakin'i Jeremia voho gny mpanjaka . 28 Noho zay la ninjano tan-kianjan'ny mpiamby i Jeremia zisiky hiavian'ny gn'andro nisambora gnan'i Jerosalema.