\v Toko faha 39

1 Tamin'ny tao fahasivy voho gny vola fahafolo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda,la niavy nisondry tamin'ny gny tafiny iaby i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hanohitsy gnan'i Jerosalema ka hanao arosaro gnazy. 2 Tamin'ny tao faharaiky ambin'ny folo voho gny vola fahaefatsy nanjakan'i Zedekia,tamin'ny gn'andro fahasivy gny vola,la voatafiky gny tana. 3 La niavy ka nifitaky tagnivon'ny vavahadin'ny manam-pahefan'ny gny mpanjakan'i Babylona iaby;Nergala-Sarezera,Samgarnebo,voho Sarsekima,manam-pahefa lehibe raiky.1 Nergala-Sarezera la manam-pahefa ambony ka gny ambiny iaby la manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. 4 Ka lafa nahita gnan-drozy Zedekia,mpanjakan'i Joda,voho reo johary mpiambiny iaby,la nandositsy.Niboaky gny tana bakamin'ny lala kelikelin'ny zariday rozy haliky igny,tamin'ny vavahady teo tagnelagnelan'ny gny vala roe.Niboaky nagnagny Araba gny mpanjaka. 5 Fe nagnia gnan-drozy gny tafikin'i Kaldeana voho nahatsatsy gnan'i Zedekia tamin'ny gebon'ny vavasahan'ny reniranon'i Jordana tagnilan'i Jeriko.La nisamborin-drozy ie ka nandesiny niakatsy tagny amin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona,tao Ribla tagny amin'ny tanin'i Hamata,ze nagnomezan'i Nebokadnezara sazy gnazy. 6 Nivonoan'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ribla ta-masony teo gnanakilahin'i Zedekia.Nivonoany avao koa reo olo ambonin'i Joda iaby. 7 La naboany gny mason'i Zedekia voho nifatorany seny saba mba hagnandesany gnazy agny Babylona. 8 La noroan'ireo Kaldeana gny tragnon'ny mpanjaka voho gny tragnon'ny vahoaky.Natontan-drozy avao koa gny valan'i Jerosalema. 9 Nebokadnezara,mpifehy gnan'ireo mpiamby manokan'ny mpanjaka,nanao sesitany gny vahoaky sisa tavela tan-tana ao.Tagnatin'izay reo olo ze vaky nandositsy nagnagny Kaldeana voho gny vahoaky sisa ze tavela tan-tana tao. 10 Fa nengan'i Nebokadnezara mpifehin'ireo mpiamby manokan'ny mpanjaka hinjano amin'ny tanin'i Joda koa reo olo mijaly mare tsy nana ndra ino ndra ino ho gnan-drozy.Nameany tanim-boaloboky voho baibo tamin'io andro io avao rozy. 11 Nagnome baiko mikasiky gnan'i Jeremia tamin'i Nebokadnezara mpifehin'ireo mpiamby manokan'ny mpanjaka i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona.Hoy ie hoe: 12 "Andeso ie ka karakarao.Ka magnisy raty gnazy.Atavo agnaminy ze raha iaby volagniny aminao." 13 Ka la nandefa olo i Nebokadnezara mpifehin'ireo mpiamby manokan'ny mpanjaka,Nebosazbana ionoka ambony,Negarala-Serezela manam-pahefa ambony,voho reo manam-pahefan'ny mpanjakn'ny Banylona ambony mare. 14 Nandesin'ireo johariny niala bakeo amin'ny tokotanin'ny mpiamby i Jeremia ka naankin-drozy tamin'i Gedalia anakin'i Ahikama anakin'i Safana,mba handay gnazy holy,ka la nifitaky tamin'ny vahoaky teo Jeremia. 15 Ka niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh tampisambora gnazy teo an-tokotanin'ny gny mpiamby,nanao hoe: 16 "Miresaha amin'i Ebeda-Meleka Kosita ka atavo hoe:"Zao ro volan'i Yaveh tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely:Ingo,fa hagnantanteraky gny safako hanohitsy toy tana toy ho amin'ny gny loza fa tsy ho amin'ny gny soa Zaho.Fa ho tanteraky agnatrehanareo iaby reo amin'izay andro zay. 17 Fa handomba gnanao Zaho amin'izay andro zay,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ka tsy hatolotsy an-tagnan'ny gn'olo ze avakanao iha. 18 Fa hagnavotsy gnanao tokoa Zaho.Tsy ho matin'ny gny meso iha.Hagnavotsy gn'ainao iha,fotony matoky Gnahy.zay ro fagnambaran'i Yaveh."