Toko faha 40

1 Niavy tamin'i Jeremia gny safa bakamin'i Yaveh tafaran'ny gny nanafihan'i Nebokadnezara mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka gnazy tany Rama.Nahita gnan'i Jeremia nifatotsy seny tamin'ny babon'i Jerosalema iaby voho Joda ze nandesy natao sesitany tagny Babylona. 2 Gny lehiben'ny gny mpiamby nangalaky gnan'i Jeremia ka nanao tagnaminy hoe:"Nandidy zao loza zao ho gnan'itoy toera toy i Yaveh Andrianagnaharinao. 3 Ka nagnatanteraky gnan'izay i Yaveh.Nanao araky ze nambarany Ie,fotony nareo ry vahoaky la nanota tagnaminy voho tsy nagneky gny safany.Zay ro atony nampisy zao raha zao agnaminareo voho gny vahoaky. 4 Fa ingo henanizao,magnafaky gnanao amin'ny seny ze an-tagnanao egny zaho henanio.Laha teanao gny hisondry agnamiko ho agny Babylona,la ndao ,la hikarakara gnanao zaho.Fa laha tsy teanao koa gny hisondry agnamiko ho agny Babylona,la ka atao zay.Henteo gny tany iaby agnatrehanao.Ka mandena amin'ny ze soa ze mety aminao. 5 Lafa tsy namaly Jeremia,la hoy Nebozaradana hoe:"Mandena agny amin'i Gedalia anakilahin'i Ahikama anakilahin'i Safana,ze nampiandreketan'ny mpanjakan'i Babylona gny tatan'i Joda. Misondria mifitaky agnaminy amin'ireo vahoaky na mandena amin'ny ze teanao handena."Nagnome hany voho fagnomeza ho gnazy gny mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka,ka bakeo la nandefa gnazy. 6 Ka la nandeha tagny amin'i Gedalia anakilahin'i Ahikama,tagny Mizpa i Jeremia.Nisondry nifitaky tagnaminy tamin'ny gny vahoaky ze sisa tavela velo tamin'ny gny tany ie. 7 Ka laha mbo tagny ambanivohitsin'ny gny mpifehin'ireo miaramila Jodeana rozy voho gn'olony la nahanja fa nanao gnan'i Gedalia anakilahin'i Ahikama,ho goverinoran'ny gny tany gny mpanjakan'i Babylona.Jan-drozy avao koa fa nampiandrekitiny gnazy reo johary reo,gny sevaky,voho gn'aja ze olo mijaly mare tamin'ny gny tany,reo ze tsy natao sesitany tagny Babylona. 8 Ka la nandeha tagny amin'i Gedalia tagny Mizpa rozy.Reo joharu reo la Ismaela anakilahin'i Netania;Johanana voho Jonatana,anakilahin'i Karea;Seraia anakilahin'i Tanometa;reo anakilahin'i Efay Neofatita;voho Jazania anakilahin'ny azy Makatita igny ,rozy voho gn'olony. 9 Gedalia anakilahin'i Ahilama anakilahin'i Safana la nanao fifanta tamin-drozy voho gn'olony ka nanao tamin-drozy hoe:"Ka mavaka gny hanompo gny manam-pahefan'ny Kaldeana.Mifitara amin'ny tany ka tompo gny mpanjakan'i Babylona,ka hahita soa nareo. 10 Ingo,hifitaky agny Mizpa zaho mba hihao amin'ny gny Kaldeana ze niavy tamin-tsika teto.Ka mamokara divay,vakatsy asara,voho soliky ka hajario amin'ny fagnanjarianareo ao reo.Mifitara amin'ny tana ze fa nisy gnanareo. 11 Ka gny Jiodeana iaby tagny Moaba,tamin'ireo vahoakin'i Amona teo,voho gny tao Edoma,voho ze tao amin'ny tany iaby la nahaja fa nagnenga gny Joda sisa tavela hijano gny mpanjakan'i Babylona,ze nanendreanny gnan'i Gedalia anakilahin'i Ahikama anakilahin'i Safana tamin-drozy teo. 12 Ka la nimpoly bakagny amin'ny toera ze nagnelezany iaby gny Jodeana iaby,ho agny Gedalia tgny Mizpa.Namokatsy divay voho vokatsy asara lako rozy. 13 Johanana anakilahin'i Karea voho gny mpifehy gny tafiky iaby tagny am-baibo niavy tao amin'i Gedalia tagny Mizpa. 14 Hoy rozy tagnaminy hoe:"Mba hainao va fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakin'i Amona ro nandefa gnan'Ismaela anakilahin'i Netania mba hamono gnanao?Fe i Gedalia anakilahin'i Ahikama tsy nino gnan-drozy. 15 Ka la nivola mangingiky tamin'i Gedalia i Johanana anakilahin'i Karea ka nanao tagnaminy hoe:"Engaho zaho handeha hamono gnan'Ismaela anakilahin'i Netania.Tsy hisy homahimahy agnamiko.Nagnino ie ro hamono gnanao?Nagnino ro enganao hiely gny Joda iaby ze fa nivory tagnaminao teo voho gny sisa tavela tao Joda iaby ho rava?" 16 Fa Gedalia anakilahin'i Ahikama nivola tamin'i Johanana anakilahin'i Karea hoe:"Ka manao gnan'izay raha zay,fa mampavandy gnan'i Ismaela iha."