Toko faha 41

1 Ka tamin'ny vola fahafito la niavy tagny amin'i Gedalia anakin'i Ahikama,tagny Mizpa i Ismaela anakin'i Netania anakin'i Elisama,bakamin'ny hasaveregnan'ny mpanjaka,voho gny sasany tamin'ny manam-boninahitsy gny mpanjaka,olo folo ro nisondry tagnaminy.Niaraky nihina hany tagny Mizpa rozy. 2 Fa Ismaela anakin'i Netania,voho reo olo folo ze niaraky tagnaminy la nitsanga ka nanafiky gnan'i Gedalia,anakin'i Ahikama anakin'i Safana,tamin'ny meso.Nivonoan'i Ismaela i Gedalia,ze napetrakin'ny mpanjakan'i Babylona hiandraikitsy gny tany. 3 Voho nivonoan'ny Ismaela reo jiosy iaby ze niaraky tamin'i Gedalia tagny Mizpa voho reo Kaldeana mpialy hita tao. 4 Ka niavy gn'andro faharoe tafaran'ny namonoa gnan'i Gedalia,fe tsy nisy nahay. 5 Gny sasany tamin'ireo olo la niavy tagny Sekema,baka agny silo,voho bakagny Samaria,olo valopolo ze nagnaratsy gny volombavany,nanataky gny salony,voho nandidy gny vatany,niaraky tamin'ny fagnatitsy hohany voho emboky magnitsy tegny an-tagnan-drozy mba handehana amin'ny tragnon'i Yaveh. 6 Ka niala tao Mizpa i Isimaela anakin'i Natania mba hanegnategna gnan-drozy tegny am-pandehana,voho nitagny.Ka laha nihao tamin-drozy igny ie,la hoy ie tamin-drozy hoe:"Mandena agny amin'i Gedalia anakin'i Ahikama!" 7 Ka lafa niavy tagny amin'ny tana rozy,la nivonoan'i Ismaela anakin'i Natania voho nariany tagnaty lavaky rozy,ie voho reo olo nisondry tagnaminy. 8 Kanefa nisy olo folo tamin-drozy nivola tamin'i Ismaela hoe:"Ka mamono gnany,fa misy vatianay am-baimbo agny:Vary hordea,soloky voho tantely."Ka tsy nivonoany nisondry tamin'ireo namany hafa rozy. 9 Gny famorian-drano ze nandatsahan'i Ismaela gny maty iaby ze nivonoany,la famorian-drano bevata ze nihalin'i Asa mpanjaka ho fiarova hanohera gnan'i Basa mpanjakan'i Israely.Nifenoan'i Ismaela anakin'i Natania amin'ny faty zay. 10 Bakeo la nisamborin'i Ismaela reo olo iaby ze tagny Mizpa,reo anakampelan'ny mpanjaka voho reo olo iaby ze sisa tavela tagny Mizpa ze fa nitondroan'i Nebozaradana lehiben'ny gny mpiamby ho gnan'i Gedalia anakin'i Ahikama.ka nisambotsy gnan-drozy i Ismaela anakin'i Natania kanandeha nanavatsava teo amin'ny olon'i Amona. 11 Fa i Johanana anakin'i Karea voho gny mpifehin'ny gny tafiky niaraky tagnaminy la nahanja gny loza iaby ze nataon'i Ismaela anakin'i Natania. 12 Ka nalan-drozy gn'olony iaby ka nandesiny hialy hanohitsy gnan'i Ismaela anakin'i Natania.Hitan-drozy tagny amin'ny ranovory bevatan'i Gideona ie. 13 Ka lafa hitan'ny gn'olo iaby ze niaraky tamin'i Ismaela i Johanana anakin'i Karea voho gny mpifehin'ny gny tafiky iaby niaraky tagnaminy,la vatany faly rozy. 14 Ka nitoliky gn'olo iaby ze nisamborin'i Ismaela tao Mizpa ka nandeha tagny amin'i Johanana anakin'i Karea. 15 Fa nandositsy niaraky tamin'ny johary valo bakagny Johanana i Ismaela anakin'i Amona ie. 16 Nalan'i Johanan anakin'i Karea baka Mizpa re olo iaby ze navota tamin'i Ismaela anakin'i Netania.Zay la tafaran'ny namoanoan'i Ismaela gnan'i Gedelia anakin'i Ahikama.Nangalaky reo johary fatratsy ,reo johary mpiamby,voho gn'aja voho gny Sevaky,voho gny tandapa ze avotsy tao Gibeona i Jonana voho reo namany. 17 La nandeha rozy ka nifitaky tagny Gerota Kimama fotoa kelikely,ze tagnilan'i Betlehema.Nandeha tagny Egypta rozy noho reo Kaldeana. 18 Rozy la navaka gnazy fotony nivonoan'i Ismaela anakin'i Netania i Gedalia anakin'i Ahikama,ze nampiandreketin'ny mpanjaka gny tany.