Toko faha 42

1 La namonjy gnan'i Jeremia mpaminany gny mpifehy tafiky iaby voho i Johanana anakilahin'i Karea,Jazania anakilahin'i Hosaia,voho gny vahoaky iaby namototsy tamin'ny kelikely mare ka zisiky amin'ny bevata mare. 2 Hoy rozy tagnaminy hoe:"Aoky ho avy agnatrehanao gny talohanay.Mivavaha ho gnany amin'i Yaveh Andrianagnaharinao noho reo vahoaky sisa reo fotony tsy ampy isaky mare rahay,manahaky zao jerinao zao. 3 Volagno i Yaveh Andrianagnaharinao mba hivola agnaminay gny lala tokony handehananay voho ze tokony hataonany." 4 Ka la hoy i Jeremia mpaminany tamin-drozy hoe:"Fa jako nareo.Ingo,hivavaky amin'i Yaveh Andrianagnaharinareo araky ze fa nangatahinareo zaho.Ndra ino ino havalin'i Yaveh,la ho volagniko agnaminareo.Tsy hitanjaky ndra ino ndra ino agnaminareo zaho." 5 Hoy rozy tamin'i Jeremia hoe:"Yaveh lahy ho vavolombelo to voho tsy mivadiky ho gnantsika laha tsy manao ze raha iaby volagnin'i Yaveh Andrianagnaharinao hatanay rahay". 6 Ndra ho soa ndra ho raty zay,la hagneky gny feon'i Yaveh Andrianagnaharinay rahay,ze hagnirahanay gnanao,mba hahasoa gnany lafa magneky gny feon'i Yaveh Andrianagnaharinay rahay." 7 Tamin'ny fidomoran'ny gn'andro fahafolo,la niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh. 8 Ka la nikaiky gnan'i Johanana anakilahin'i Karea voho reo mpifehy tafiky misondry agnaminy iaby i Jeremia,voho gny vahoaky iaby namototsy tamin'ny kelikely mare ka zisiky amin'ny bevata mare. 9 La hoy ie tamin-drozy hoe:"Zao ro volan'i Yaveh,gny Andrianagnaharin'i Israely,ze nagnirahanareo gnahy mba hahafahako mametraky gny talohanareo agnatrahany,manao hoe:" 10 Laha mimpoly voho mifitaky amy toy tana toy nareo,la handreny gnanareo Zaho fa tsy hamotiky gnanareo;hamboly gnanareo Zaho fa tsy hanombotsy gnanareo,fa hangalaky gny loza ze fa nandesiko tagnaminareo teo Zaho. 11 Ka mavaka gny mpanjakan'i Babylona,ze avakanareo.Ka mavaka gnazy ,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fotony Zaho momba gnanareo mba handomba voho hagnavotsy gnanareo an-tagnany egny.Fa Zaho hagnome gnanareo famindram-po. 12 Hana fangoraham-po agnaminareo Zaho,ka Zaho handay gnanareo himpoly amin'ny taninareo. 13 Fe laha hoy nareo hoe:"Tsy hifitaky amin'itoy tany toy eto rahay"laha tsy minjanjy gny feoko,ze feon'i Yaveh Andrianagnaharinareo nareo. 14 Laha hoy nareo hoe:"Aha!Handeha ho agny amin'ny tany Egypta rahay,ze tsy hahitanay aly,ze tsy haharezanay gny feon'ny trompetra,ka tsy ho mosare hany rahay.Hifitaky agny rahay." 15 Henanizao minjanjy zao safan'i Yaveh zao,nareo ze issan'i Joda.Yaveh tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola hoe:"Laha hienga handeha ho agny Egypta toko anareo,handeha voho hifitaky agny, 16 la hagnenjiky gnanareo agny amin'ny tany Egypta gny meso ze avakanareo.Hagnaraky gnanareo agny gny mosary ze atahoranareo,ka la ho maty agny nareo. 17 Ka gny johary iaby ze nienga ho agny Egypta mba hifitaky agny la ho matin'ny gny meso,gny mosary,na arety mandrava.tsy hisy sisa velo rozy,tsy hisy ho afaky mandositsy gny fahavoaza ze handesiko rozy. 18 Fa mivola gnan'izao Yaveh Tomon'ny gny maro,Andrinagnaharin'Israely,Hoe:"Manahaky gny firotsahan'ny gny fahatezerako voho gny fahasiahako tamin'ny mponin'i Jerosalema,la manahaky gnan'izay koa gny fomba hilatsahan'ny gny fahatezerako agnaminareo laha mandeha agny amin'ny tany Egypta nareo. Hanjary raha fahatany voho tsy misy dikany nareo,raha hivolagna ozo,voho raha tsy mendriky,ka tsy hohitanareo sasy zao toera zao." 19 La hoy i Jeremia hoe:"Yaveh la fa nivola mikasiky gnanareo,nareo ze sisan'i Joda.Ka mandeha agny Egypta !Haizonareo tokoa fa vavolombelonareo Zaho androany. 20 Fa namitaky mare gny vatanareo nareo lafa nandefa gnahy ho agny amin'i Yaveh Andrianagnaharinareo ka nivola hoe:"Mivavaha amin'i Yaveh Andrianagnaharintsika ho gnanay.Ze raha volagnin'Andrianagnahary la ambarao gnanay,ka la hataonay zay. 21 Fa nitateriko tagnaminareo androany,fe nareo tsy mba ninjanjy gny feon'i Yaveh Andrianagnaharinareo na tamin'ny raha mikasiky gny raha ze nagnirahany gnahy ho agnaminareo. 22 Ka henanizao,tokony ho hainareo tokoa fa ho matin'ny gny meso,gny mosary,voho gny arety mandrava nareo agny amin'ny tany ze teanareo hifitara."