Toko faha 43

1 Ka nidomo gny fagnambaran'i Jeremia gny safa iaby gnan'i Yaveh Andrianagnaharin-drozy ze nivolagniny tagnaminy mba ho volagniny amin'ny gny vahoaky iaby. 2 Azaria anakilahin'i Hosaia,Johanana anakilahin'i Karea,voho gn'olo miavognavo iaby la nivola tamin'i Jeremia hoe:"Mivola vandy iha.Yaveh Andrianagnaharinay la tsy nagniraky gnanao hivola hoe:"Ka mandeha mifitaky agny Egypta." 3 Fa i Baroka anakilahin'i Neria la tsy nikaiky gnanao hanohitsy gnanay mba hagnafaky gnanay an-tagnan'ireo Keldeana,fotony iha ro mahavy gny fahafatesanay voho manao gnany ho babo agny Babylona." 4 Ka nandietsy gny hinjanjy gny feon'i Yaveh mba hifitaky agny amin'ny tanin'i Joda i Johanana anakilahin'i Karea,reo andrian'ny gny tafiky iaby,voho reo vahoaky iaby. 5 Johanana anakilahin'i Karea voho reo lehiben'ny gny tafiky iaby la nanday ze tavela iaby tamin'i Joda ze nimpoly bakagny amin'ny firenena iaby tagny amin'izay nagnelezagny gnan-drozy mba hifitarany agny amin'ny tanin'i Joda. 6 Nalan-drozy gny johary voho gny sevaky,gn'aja voho gn'anakampelan'ny mpanjaka,voho gn'olo iaby ze nengan'i Nebozaradana,mpifehy reo mpiambin'ny mpanjaka tamin'i Gedalia anakilahin'i Ahikama anakilahin'i Safana.Nalan-drozy avao koa i Jeremia mpaminany voho i Baroka anakilahin'i Neria. 7 Nagnagny amin'ny tany Egypta rozy,agny Tapanesa,fotony rozy la tsy ninjanjy gny feon'i Yaveh. 8 ka niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh tagny Tapanesa,nanao hoe:" 9 Mandrambesa vato bevata maromaro amin'ny gny tagnanao,ka,aetaho amason'ireo vahoakin'i Joda amin'ny gny fetan'ny rarivato amin'ny filira magnagny amin'ny tragnon'i Farao agny Tapanesa reo." 10 Ka volagno rozy hoe:"Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianangnaharin'Israely,mivola gnan'izao:"Ingo,handefa iraky hangalaky gnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona manahaky gny mpanompoko Zaho.Hapetrako amin'ireo vato reo eo gny seza fiandrianany ze nalevinao,ry Jeremia.Hametraky gny lainy amin-drozy eo i Nebokadnezara. 11 Fa ho avy ie ka hanafiky gny tanin'i Egypta.Ze voantendry ho maty la hatolotsy ho vonoe.Ze voatendry ho babo la hotratsy babo.Ze voatendry ho amin'ny meso la hamea gny meso. 12 La handrehitsy bolo amin'ny tragnon'ireo andrianagnaharin'i Egypta Zaho.Nebokadnezara la hagnoro gnan-drozy na hanambotsy gnan-drozy.Hagnadio gny tanin'i Egypta manahaky gny tsimiasy magnadio gny bibikely amin'ny gny salony ie.La hiboaky amin'izay toera zay amin'ny fandresea ie. 13 Hamotiky gny tsangam-bato agny Neopolisa agny amin'ny tanin'i Egypta ie.Hagnoro gny tragnon'ireo andrianagnaharin'i Egypta ie."