1 Gny safa ze niavy tamin'i Jeremia mikasiky gny Jiosy iaby ze nifitaky tagny amin'ny tany Egypta,la reo olo nifitaky tao Migdola,Memfisa,voho tao amin'ny tany Patrosa. 2 "Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianangnaharin'Israely,manao gnan'izao:"Nareo mihintsy ro fa nahita reo loza iaby ze nandesiko tamin'i Jerosalema voho tamin'ny tanan'ni Joda iaby.Ingo,rava rozy henanizao.Tsy misy olo mifitaky amin-drozy ao. 3 Zay la nohon'ny reo raha raty nataon-drozy mba handrangita Gnahy tamin'ny nandehanany nagnoro ditin-kazo magnitsy voho nanompoany reo andrianagnahary hafa.Reo la andrianagnahary ze tsy hain-drozy,ndra nareo,ndra gny razambenareo. 4 Ka nihirahiko matetiky ho agny ami-drozy mpanompoko mpaminany iaby.Nihirahiko rozy mba hivola hoe:Anjanogno gny fagnanova zao raha tivativa ze halako zao." 5 Fe tsy ninjanjy rozy.Nanda tsy hinjanjy rozy na hiala tamin'ny haratiany tamin'ny fagnoroa ditin-kazo magnitsy ho gnan'ireo andrianagnahary hafa. 6 Ka niraraky gny fahasiahako voho gny fahatezerako ka nandrehitsy bolo tao amin'ireo tanan'i Joda voho reo lalan'i Jerosalema.Ka nanjary faharava voho fahapoteha,manahaky gny amizao andro henanizao reo." 7 "Ka henanizao,la mivola gnan'izao Yaveh Andrianagnahary Tompon'ny gny maro voho Andrianagnaharin'i Israely:"Nagnino ro manao haratia bevata amin'ny vatanareo nareo?Nagnino nareo ro manao ze haharitsy gnanareo amin'ireo Joda,la gny sevaky voho gny johary,gn'aja voho gny zaza?Tsy hisy ho tavela agnaminareo. 8 Tamin'ny faharatianareo ro nandrangitanareo Gnahy voho reo asan-tagnanareo,tamin'ny fagnoroa ditin-kazo magnitsy ho gnan'ireo andrianagnahary hafa tagny amin'ny tany Egypta,ze nandehanareo hifitara.Nandeha tagny nareo mba ho ho potehy,mba hagnozona voho halabaraka gnanareo eo amin'ireo firenen'ny tany iaby. 9 Moa va halingonareo gny haratia nataon'ireo razambenareo voho gny haratia nataon'ireo mpanjakan'i Joda voho gny valiny?Moa va halignonareo gny raty nataonareo voho gny valinareo tagny amin'ny tanin'i Joda voho reo lalamben'i Jerosalema? 10 Zisiky androany,la tsy mbo niambany rozy.Tsy manaja gny lalagnako ndra gny liliko ze napetrako tagnatrehan-drozy voho gny razambeny rozy,na mandeha amin'ireny." 11 Noho zay Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola gnan'izao:"Ingo,fa hanapa-kevitsy gny hagnatoro gny tavako agnaminao Zaho. 12 Fa halako gny tavela amin'i Joda ze naboako ho agny amin'ny tany Egypta mba hifitaky agny.Hatao zay mba hahafatesan-drozy iaby agny amin'ny tany Egypta.Ho matin'ny gny meso voho gny mosary rozy.Mamototsy amin'ny kelikely mare ka zisiky amin'ny bevata marela ho matin'ny gny meso voho gny mosary.Ho maty rozy ka hanjary raha fifanta,fagnozona,fandatsa,voho raha mampihorohoro. 13 Fa hagnasazy gn'olo mifitaky amin'ny tany Egypta manahaky gny nagnasaziako gnan'i Jerosalema tamin'ny gny meso,mosary,voho gn'arety mandrava Zaho. 14 Tsy hisy ho afaky mandositsy na ho velo reo sisan'ny gny Joda ze nandeha mba hifitaky agny amin'ny tanin'i Egypta na ho tafampoly amin'ny tanin'i Joda,ndra la te himpoly voho hifitaky agny aza rozy.Tsy misy ho tafampoly rozy,afa-tsy ze tsy ampy handositsy hiala eto." 15 Ka gny johary iaby ze nahay fa nagnoro ditin-kazo magnitsy ho gnan'ireo andrianagnahary hafa gny valin-drozy,voho gny sevaky iaby ze tao amin'ny fiangona bevata,voho gn'olo iaby ze nifitaky tagny amin'ny tany Egypta tagny Patrosa la namaly gnan'i Jeremia . 16 Hoy rozy:"Mikasiky gny safa ze nambaranao tagnaminay tamin'ny agnaran'i Yaveh,la tsy hinjanjy gnanao rahay. 17 Fa hataonay iaby ze raha iaby ze nivolagninay fa hataonay,la hagnoro ditin-kazo magnitsy ho gnan'ny Mpanjakavavin'ny lagnitsy ka handraraky fagnatitsy hinomy ho gnazy manahaky gny nataonay,gny razambenay,gny mpanjakanay,voho gny mpitariky gnanay tamin'ireo tanan'i Joda voho reo lalan'i Jerosalema.La ho voky hany rahay ka ho tahy,ro sady tsy hiharan-doza. 18 Laha niegny tsy nanao reo raha reo rahay,tsy nanolotsy ditin-kazo magnitsy ho gnan'ny Mpanjakavavin'ny gny lagnitsy voho tsy nandraraky fagnatitsy hinomy ho gnazy,la ninjaly tamin'ny fahatra rahay voho ho nimatin'ny gny meso voho gny mosary." 19 Hoy gny sevaky:"Lafa manao fagnatitsy ditin-kazo magnitsy agnatrehan'ny Mpanjakavavin'ny gny lagnitsy rahay voho nandraraky fagnatitsy hinomy ho gnazy,moa va hanohitsy gny valinay ro nagnanovanay reo raha reo,manao mofomamy amin'ny gn'endriny voho mandraraky fagnatitsy hinomy ho gnazy?" 20 La hoy Jeremia tamin'ny vahoaky iaby,tamin'ny johary voho gny sevaky,voho tamin'ny olo iaby ze namaly gnazy,nagnambara ie ka nanao hoe:" 21 "Moa va tsy tiaron'i Yaveh gny ditin-kazo magnitsy ze nioroanareo tamin'ireo tanan'i Joda tao voho reo lalan'i Jerosalema,nareo voho gny razambenareo,gny mpanjakanreo voho gny mpitariky,voho gny mponin'ny tany iaby?Fa nahatiaro gnan'izay Yaveh;niavy tangneritseritsy zay. 22 Ka tsy tantiny sasy zay nohon'ny fahazaran-dratinareo,nohon'ny fahativativa ze nataonareo.La hanjary ho simba,ho horohoro,voho ho ozo gny taninareo mba tsy hisian'ny gny mpifitaky manahaky zao henanizao sasy. 23 Fotony nagnoro ditin-kazo magnitsy voho nanota tamin'i Yaveh nareo,ka fotony tsy ninjanjy gny feony,gny lalagnany,gny fitsipiny,na reo lalagnan'ny fagnekeany nareo,la niseho tagnaminareo zao loza zao manahaky henanizao." 24 La hoy Jeremia tamin'ny gny vahoaky iaby voho gny sevaky iaby:"Minjanjigna gny safan'i Yaveh,ry joda iaby ze ao amin'ny tany Egypta. 25 Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,manao hoe:Nareo voho gny valinareo la fa samby nivola tamin'ny tsihovinareo ka nagnatanteraky tamin'ny gny tanareo ze nivolagninareo hoe:"Hotanterahinay tokoa reo voady ze nataonay hanompoa gny Mpanjakavavin'ny gny lagnitsy,mba handraraky fagnatitsy hinomy ho gnazy.Henanizao tanteraho gny voadinareo;tanteraho reo." 26 Ka la,minjanjigna gny safan'i Yaveh,ry Joda iaby ze mifitaky amin'ny tanin'i Egypta ao,ingo,fa nifanta tamin'ny gn'agnarako bevata Zaho,hoy Yaveh.Tsy ho kaihy amin'ny tsihovin'ireo olon'i Joda ao amin'ny tnin'i Egypta iaby sasy gn'agnarako,la nareo ze mivola henanizao hoe:"Laha velo koa gny Tompo Yaveh." 27 Ingo,miamby gnan-drozy ho amin'ny gny loza fa tsy ho amin'ny gny soa Zaho.Gn'olon'i Joda iaby ao amin'ny tany Egypta la ho matin'ny meso voho gny mosary zisiky haharitsy gnazy iaby. 28 ka reo ze tsy matin'ny gny meso la himpoly bakamin'ny tany Egypta ho agny amin'ny tanin'i Joda,gny tsy ampi isaky ami-ndrozy avao.Ka gny tavela tamin'i Joda iaby ze nandeha tagny amin'ny tany Egypta mba hifitaky agny la hahay hoe gny safan'ia ro ho tanteraky;gnahy va sa gnanareo. 29 Zao ro famantara ho gnanareo ,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa hanohitsy gnanareo ao amin'izay toera zay Zaho,mba hahaizanareo fa hagnisy gnanareo amin'ny gny loza tokoa gny safako. 30 Zao ro vilan'i Yave:"Ingo,fa hanolotsy gnan'i Farao-Hofra mpanjakn'i Egypta an-tagnan'ireo fahavalony voho an-tagnan'ireo ze mikinia gn'ainy Zaho.Zay la manahaky ze nanolorako gnan'i Zedekia mpanjakan'i Joda tan-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona,raiky fahavalony nikinia gn'ainy igny."