Toko faha 29

Reto gny safa tagnatin'ny taratasy ze nalefan'i Jeremia mpaminany baka Jerosalema agny igny ho gnan'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo voho tamin'ireo mpisoro,reo mpaminany,voho reo vahoaky ze nataon'i Nebokadnezara sesin-tany baka Jeresalema agny nagnagny Babylona. 2 Zay la tafaran'ny nandefasa gnan'i Jekonia mpanjaka,voho gny regny mpanjaka ampela,voho reo manam-pahefa ambony,gny mpitariky gnan'i Joda voho Jerosalema,voho reo mpanao asan-tagna tagny Jerosalema. 3 Nampandesiny gnan'i Elesa anakin'i Safana voho Gemaria anakin'i Hilkia ze nirahin'i Zedekia mpanjakan'i Joda,tagny amin'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona,gny taratasy. 4 Zao ro volagnin'ny taratasy igny:"Yaveh tompon'ny gny maro,Andrianagnarin'Israely,mivola gnan'injao amin'ireo babo iaby ze nataoko sesi-tany baka Jerosalema ho agny Egypta agny: 5 Magnamboara tragno voho mifitara ao.Mambolea zariday voho hano gny voany. 6 Mangala valy ka miteraha anakilahy voho anakampela agnaminy.La angalao valy gn'anakilahinareo ,voho ameo valy gnanakareo ampela.Aoky rozy hiteraky anakilahy voho anak'ampela ka ampitombo reo tsy noho tsy ampy mare nareo. 7 Ilao gny fiadagnan'ny gny tana ze nagnanovako gnanareo Sesi-tany,voho mivavaha agnamiko ho gnan'izay fotony hisy fiadagna ho gnanao ao laha ao gny fiadagna. 8 Fa Yaveh tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,la nivola zao:"Ka magnenga gnan'ireo mpaminany ze agnivonareo voho gny mpisikily hamitaky gnanareo,voho ka minjanjy gny nofy ze nofisinareo. 9 Fa rozy la maminany fitaky agnaminareo amin'ny agnarako.Tsy nandefa gnan-drozy Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 10 Fa zao ro volan'i Yaveh:"Lafa nanapaky gnanareo tagnatin'ny fitopolo tao Babylona,la hagnampy gnanareo Zaho ka hagnatanteraky gny safa soako ho gnanareo mba hampimpolia gnanareo amin'itoy toera toy. 11 Fa Zaho vatako ro mahay gny fagniriako ho gnanareo,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fagniria fiadana fa tsy loza,mba hagnome fanantena gnanareo ho amin'ny gny hoavy. 12 La hikaiky Gnahy nareo,voho handeha hivavaky Agnamiko,la hinjanjy gnanareo Zaho. 13 Fa hila Gnahy nareo ka hahita Gnahy,fotony hila Gnahy amin'ny fonareo iaby nareo. 14 Ka la hohitanareo Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,la hampoliko gny hanagnanareo;havoriko bakamin'ny tana voho toera iaby nagnelezako nanareo nareo,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa hampimpoly gnanareo agny amin'ny toera ze nagnanovako gnanareo sesitany Zaho. 15 Fotony nareo nivola faa Yaveh la nanandratsy mpaminany ho gnanay agny Babylona, 16 la zao ro nivolagnin'i Yaveh amin'ny mpanjaka ze mifitaky amin'ny seza fiandrianan'i Davida voho amin'ireo olo iaby ze mifitaky amin'izay tana zay,gny rahalahinareo ze mbo tsy niboaky ho babo nisondry tagnaminareo 17 Zao ro volanin'i Yaveh tompon'ny gny maro:"Ingo,handefa meso,mosary,voho arety amin-drozy Zaho.Fa hataoko manahaky gny aviavy lo ze vatany raty laha hohany rozy. 18 La hagnia gnan-drozy amin'ny gny meso,mosary,voho gn'arety mandrava Zaho voho hanao gnan-drozy ho mahamontsa amason'ny gny fanjakan'ny tany iaby,gny horohoro,fitaova fagnozona voho mampifiopioky,voho raha mahamegnatsy amin'ny tana iaby ze nagnelezako gnazy. 19 Zay la fotony tsy ninjanjy gny safako rozy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ze nalefako tamin-drozy tamin'ny alalan'ireo mpaminany manompoko.Nandefa gnan-drozy begnibegny Zaho,fe tsy ninjanjy nareo,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 20 Ka janjigno gny safan'i Yaveh,nareo natao sesitany iaby ze nalefany baka Jerosalema agny ka ho agny Babylona: 21 Yaveh tompon'ny maro,Andrianagnaharin'i Israely,la nivola gnan'izao mikasiky gnan'i Ahaba anakin'i Kolaia voho Zedekia anakin'i Mahaseia,ze maminany vandy tagnaminareo amin'ny agnarako:"Ingo ,hametraky gnan-droozy an-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona Zaho.Hamono gnan-drozy amasonareo Ie. 22 La hisy ozo ho volagnin'ireo babon'i Joda iaby agny Babylona mikasiky reo olo reo.gny ozo la manao hoe:Hataon'i Yaveh manahaky gnan'i Zadekia voho Ahaba lahy nareo,ze natonon'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny bolo. 23 Hiseho zay noho reo raha mahamegnatsy ze nataon-drozy tagny Israely lafa nijangajanga tamin'ny valin'ny gny namany voho nivola safa vandy tamin'ny gn'agnarako,raha ze mbo nandidiako gnan-drozy ho volagny mihintsy.Fa Zaho azy mahay;Zaho ro vavolombelo,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 24 "Laha gny amin'i Semaia Nehelamita,la zao volagno: 25 Zao ro volagnin'i Yaveh tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely:Fotony iha nandefa taratasy tamin'ny gn'agnaranao avao tamin'ny gn'olo iaby tagny Jerosalema,tamin'i Zefania anakin'i Masaia mpisoro,voho tamin'ny mpisoro iaby,ka nivola hoe: 26 "Yaveh nanao gnanareo ho mpisoro fa tsy Joiada mpisoro,mba hiandraiketanareo gny tragnon'i Yaveh.Iha ro mifehy gn'olo iaby ze trobo say voho manao gny vatan-drozy ho mpaminany.Tokony ho gadra voho hofatora amin'ny seny vy rozy. 27 Ka henan'izao,nagnino nareo ro tsy nivola mare gnan'i Jeremia gny amin'i Anatota,ze manao gny vatany ho mpaminany manohitsy gnanareo? 28 Fa nagniraky ho gnanzy tagny Babylona ie ka nivola hoe:"Mbo ho ela zay.Magnoregna tragno voho mifitara ao,mamboea zariday ka hano gny vaoany." 29 Namaky toy taratasy toy Zefania mpaminany tan-tsofin'i Jeremia mpaminany. 30 La niavy tamin'i Jeremia gny safan'i Yaveh,manao hoe: 31 "Mandefasa safa amin'ireo sesitany iaby ka volagno hoe:"Zao ro volan'i Yaveh mikasiky gnan'i Semaia Nehelamita:Fotony fa naminany taminareo Semaia lafa tsy nandefa gnazy Zaho,ka nitariky gnanareo hagneky vandy, 32 noho zay la zao ro volagnin'i Yaveh:Ingo,fa hagnasazy gnan'i Semaia Nahalemita voho reo havorohotany amin'ny gn'oloko ,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa nagnely fanohera hanohitsy gnan'i Yaveh ie."