Toko faha 28

1 Tamin'izay tao zay,tamin'ny famotoran'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda,tamin'ny fahefatsy gny tao,voho tamin'ny fahadimin'ny gny vola,Hanania anakilahin'i Azora mpaminany,ze bakagny Gibeona,la nivola tagnamiko tan-tragnon'i Yaveh tao tangnatrehan'ireo mpaminany voho gny vahoaky iaby.Hoy rozy hoe: 2 "Yaveh tompon'ny lako,Andrianagnaharin'Israely,mivola gnan'izao:Fa nivakiko gny enta-vavesatsy ze napetraky gny mpanjakan'i Babylona. 3 Agnatin'ny roe tao la hampoliko amin'ny toera toy eto reo raha iaby tan-tragnon'i Yaveh ze nalan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny toera toy eto ka nitaomin'ny nagnagny Babylona. 4 Ka la handesiko mimpoly amin'ny toy toera toy i Jekonia anakilahin'i Joba,voho reo babo iaby ze nirahy nagnagny Babylona,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa hamotiky gny enta-mavesatsin'ny mpanjakan'i Babylona zaho." 5 Ka nivola tamin'i Hanania mpaminany tagnatrehan'ireo mpisoro voho gny vahoaky iaby ze nintsanga tan-tragnon'i Yaveh i Jeremia mpaminany. 6 Hoy Jeremia mpaminany hoe:"Hanao gnan'izay lahy Yaveh!Yaveh lahy hagnamafy reo safa ze naminanianao ka hampimpoly gny rahan'ny tragnon'i Yaveh eto amin'ny toera toy,voho reo babo iaby baka Babylona agny. 7 Ndra zay aza,minjanjigna zao safa ze ambarako an-tsofinao voho an-tsofin'ny vahoaky iaby zao 8 Reo mpaminany ze nisy talohako voho talohanao taloha fa ela tagny avao koa la naminany mikasiky gny tana lako voho hanohitsy reo fanjaka bevata,mikasiky gn'aly,mosary,voho gn'arety mandrava. 9 Fa gny mpaminany ze maminany fa hisy fiadagna,laha tanteraky gny safany,la hohay fa mpaminany nirahin'i Yaveh tokoa ie." 10 Fa nirabesin'i Hanania mpaminany gny entan-mavesatsy tam-bozon'i Jeremia mpaminany tegny ka nivakiany zay. 11 Bakeo la nivola tangnatrehan'ny vahoaky iaby i Hanania ka nanao hoe:"Zao ro safan'i Yaveh:Manahaky zay koa,agnatin'ny roe tao la ho vakiko iaby gny enta-mazefatsy ze napetrakin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tam-bozon'ny tana iaby."La nandeha tamin'ny gny lalany i Jeremia mpaminany. 12 Tafaran'ny namotehan'i Hanania mpaminany gny enta-mavesatsy taminin'ny vozon'i Jeremia mpaminany,la niavy tamin'i Jeremia mpaminany gny safan'i Yaveh,nanao hoe:" 13 Mandena mirehaky amin'i Hanania ka volagno hoe:"Zao ro nivolagnin'i Yaveh:namaky gn'enta-mavesatsy hazo iha,fa Zaho koa hamaky eta-mavesatsy vy." 14 Fa zao ro nisafagnin'i Yaveh tompon'ny gny lako:Fa nametraky enta-mavesatsy vy tam-bozon'ny gny tana iaby ze manompo gnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona reo Zaho,ka hanompo gnazy rozy.Fa nagnome gnazy bibidia avao koa Zaho mba hanapaky agnaminy." 15 Tafaran'izay i Jeremia mpaminany la nivola tamin'i Hanania mpaminany hoe:"Minjanjigna ry Hanania!Tsy nagniraky gnano Yaveh,fa la iha ro nahavy gny vahoaky hino vandy. 16 Ka zao ro nivolagnin'i Yaveh:"Ingo,hangalaky gnanao an-tany eto Zaho.Ho maty amin'ny toy tao toy iha,fotony nagnambara fagnohera gnan'i Yaveh iha." 17 Tamin'ny fahafiton'ny gny vola tamin'ny zay tao zay avao,la maty i Hanania mpaminany.