Toko faha 27

1 Tamin'ny famotoran'ny fanjakan'i Zedekia anakilahin'i Josia,mpanjakan'i Joda,la niavy tamin'i Jeremia toy safa bakamin'i Yaveh toy. 2 Zao ro nisafagnin'i Yaveh tagnamiko hoe:"Magnaboara fameheza voho enta mazefatsy ho gnan'ny gny vatanao.Atavo amin'ny hatokoa reo. 3 Bakeo la alefaso agny amin'ny mpanjakan'i Edoma,mpanjakan'iMoaba,mpanjakan'ny vahoakin'i Amona,mpanjakan'i Tyro,voho amin'ireo mpanjakan'i Sidona reo.Alefaso amin'ny alalan'ny tagnan'ireo masoambalikin'ny mpanjaka ze baka Jerosalema ao ho agny amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda reo. 4 Ameo baiko rozy ho gnan'ny tompon-drozy ka volagno hoe:"Yaveh tompon'ny gny lako,Andrianagnaharin'Israely,la nagnambara gnan'izao:Zao ro tsy maintsy ho safagninao amin'ireo tomponareo: 5 "Zaho vatako ro nagnamboatsy gny tany tamin'ny alalan'ny gny heriko bavata voho gny sandriko nintsanga.Zaho avao koa ro nanao gn'olo voho reo biby agnambon'ny gny tany,ka nameako ze to tagnatrehako zay. 6 Ka henanizao,Zaho vatako la hagnome gny tany iaby ho ampelatagnan'i Nebokadnezara,mpanjakan'i Babylona,mpanompoko.Ameako gnazy avao koa gny raha managn'ay am-baimbo agny mba hanompo gnazy. 7 Fa gny tana iaby la hanompo gnazy,gn'anakilahiny ,voho gny zafiny maliniky zisiky hiavian'ny gny fotoan'ny taniny.Voho hisy tana lako voho mpanjaka bevata handresy gnazy. 8 Ka ze tana voho ze fanjaka tsymanompo gnan'i Nebokadnezara,mpanjakan'i Babylona,ka tsy mametraky gny hatony ambanin'ny enta-mazefatsin'ny mpanjakan'i Babilona,la ho saziko amin'ny meso,mosary,voho gn'arety mandringa zay tana zay,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zisiky handravako gnan-droy amin'ny alalan'ny gny tagnany. 9 ka,ka minjanjy gnazy mivola fa mahay gny hoavy,gny mpanao sikily,gny atondraha,gny mpagnety gny hoavy,voho gny magnosavy,ze nisafa tagnaminareo ka nivola hoe:'Ka manompo gny mpanjakan'i Babilona." 10 Fa rozy la maminany vady agnaminareo mba handefasany gnanareo lavitsy gny taninareo,fa ho roasiko nareo,ka ho maty nareo. 11 Fa gny tana ze mametraky gny hatony ambanin'ny etan-mazefatsin'ny mpanjakan'i Babylona ka hanompo gnazy,la hengako hinjano amin'ny gny taniny,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ka hamboly amin'izay tany zay rozy voho hagnory tragno. 12 Ka niresaky tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda Zaho ka nagnome gnazy zao hafatsy zao:'Apetraho ambanin'ny etan-mazefatsin'ny mpanjakan'i Babylona gny hatokareo voho manompoa gnazy voho gny vahoakiny,ka la ho velo nareo. 13 Nagnino nareo ro ho maty,iha voho gny vahoakinao,amin'ny alalan'ny meso,mosary voho gn'arety amndrava,manahaky gny fa nambarako mikasiky gny tana ze nandietsy gny hanompo gny mpanjakan'i Babylona? 14 Ka minjanjy gny volan'ny gny mpaminany ze misafa agnaminareo ka mivola hoe:"Ka manompo gny mpanjakan'i Babylona,"fotony maminany vandy agnaminareo rozy. 15 Fa tsy nandefa gnan-drozy Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa rozy la maminany vandy amin'ny gn'agnarako mba handroahako gnanareo ka laho maty nareo,nareo voho gny mpaminany naminanay tagnaminareo." 16 Nambarako tamin'ny gny mpisoro voho gn'olo iaby zay ka nanao hoe:Zao ro nivolagnin'i Yaveh :"Ka minjanjy gny safan'ireo mpaminaninareo ze maminany agnaminareo ka manao hoe:Ingo!Reo gny raha tan-tragnon'i Yaveh la nampoly tagny Babylona henanizao!Maminany vandy agnaminareo rozy. 17 Ka minjanjy gnan-drozy.Tokony hanompo gny mpanjakan'i Babylona nareo ka la ho velo.Nagnino ro tokony ho rava toy tana toy? 18 Laha mpaminany rozy,ka laha niavy tamin-drozy vatany gny safan'i Yaveh,la aoky rozy hisoloho amin'i Yaveh tompon'ny gny lako mba tsy handefa amin'i Babylona reo raha ze tavela an-tragnony,gny tragnon'ny mpanjakan'i Joda,voho Jerosalema. 19 Yaveh tompon'ny gny lako la manao gnaninjao mikasiky gny toha,gny kovetan-drano bevata,voho gny fipatrahan'ny kovetan-drano,voho gny ambin'ny gny raha tavela amin'ny tana io, 20 reo raha ze tsy nirambesin'i Nebokadnezara lafa nilanja gnan'i Jekonia anakilahin'i Joiakima,mpamjakan'i Joda,ho babo baka Jerosalema agny ka hagnagny Babylona nisondry tamin'ny manam-boninahitsin'i Joda voho Jerosalema. 21 Yaveh tompon'ny gny lako,Andrianagnaharin'Israely,la nivola gnaninjao mikasiky reo raha tavela tan-tragnon'i Yaveh,azy tragnon'ny mpanjakan'i Joda,voho Jerosalema hoe: 22 'Handesy agny Babylona reo,ka hapetraky agny zisiky hiavian'ny gn'aondro hiaviako ho gnan-drozy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,bakeo zaho la handay gnan'ireo hiakatsy ka hampimpoly gnazy amin'ny toera io.'