1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Joiakima anaky lahin'i Josia, la avy bakamin'i Yaveh zao safa zao, nanao hoe: 2 " Yaveh nisafa hoe: " Mitsangana eo amin'ny kianjan'ny tragnoko sady ambarao amin'ny tanan'i Joda iaby zay avy hanao fanompoam-pivavaha ao an-tragnoko. Ambara gny safa iaby zay nandidiako gnanao ho ambaranao amin-drozy. Ka misy safa hangala! 3 Angamba mba hijanjy rozy, ka hiala amin'ireo lalan-dratiny gny olo kiraidraiky, ka hitanjaky gny loza zay fa nikasaiko ho andesy eo amin-drozy nohon'ny faharatian'ny fomba fataon-drozy Zaho. 4 Ka tsy maintsy mivola amin-drozy iha hoe: ' Zao ro nambaran'i Yaveh: Laha tsy minjanjy gnahy nareo ka tsy mandeha araky gny lalako zay napetrako teo agnatrehanareo__ 5 laha tsy minjanjy gny safan'ireo mpaminany mpanompoko nareo zay nikirizako nalefa tagnaminareo!__ 6 la ho ataoko manahaky gnan'i Silo toy tragno toy; ho ataoko ozo eo imason'ireo firenena iaby eran'ny tany toy tana toy."' 7 Reo mpisoro, reo mpaminany, voho gny olo iaby la nahare gnan'i Jeremiah nagnambara izay safa izay tao an-tragnon'i Yaveh. 8 Sady laha vo nitampitsy gny fagnambaran'i Jeremia gny safa iaby zay nandidian'i Yaveh gnazy ho ambarany tamin'ny olo iaby, la nisambotsy an-drozy mpisoro, reo mpaminany, voho gny olo iaby ka nanao hoe: " tena ho maty iha! 9 Nagnino iha ro naminany tamin'ny agnaran'i Yaveh sady nivola fa toy tragno toy la ho avy manahaky gnan'i Silo sady toy tana toy la ho lao, sady tsy hisy olo? Fa gny vahoaky iaby nitavorivory nanohitsy gnan'i Jeremia tao an-tragnon'i Yaveh. 10 Sady nahare izay safa izay reo manam-pahefan'i Joda sady niakatsy bakagny an-tragnon'ny mpanjaka ho agny an-tragnon'i Yaveh. Nipetraky teo am-bavahady teo amin'ny Vavahady Vaovaon'ny tragnon'i Yaveh rozy. 11 Reo mpisoro voho reo mpaminany nivola tamin'ireo manam-pahefa voho gny olo iaby. Hoy rozy: " Rariny ho any toy johary toy gny ho maty, fa naminany nanohitsy toy tana toy ie, araky zay renareo tamin'ny sofinareo!" 12 Ka nivola tamin'ireo manam-pahefa iaby voho gny vahoaky iaby i Jeremia ka nivola hoe: " Yaveh ro nandefa gnahy haminany hanohitsy toy tragno voho tana toy, mba hivola gny safa iaby zay fa renareo. 13 Ka henanizao, hatsarao gny lalanareo voho gny fataonareo, sady minjanjigna gny feon'i Yaveh Ndranagnaharinareo mba hanegnenany gny mahakasiky gny loza zay nambarany hanohera anareo. 14 Zaho mihintsy ro eo an-tagnanareo henteo zaho! Ataovo agnamiko zay soa voho to eo imasonareo. 15 Fa tokony ho hainareo tokoa fa laha mamono gnahy nareo, la handay lio to ho gnan'ny vatanareo voho ho any toy tana toy voho gny olo ao aminy, fa Yaveh tokoa ro nandefa gnahy teo aminareo hagnambara reo safa iaby reo ho ren'ny sofinareo. 16 Sady reo manam-pahefa voho gny olo iaby nivola tamin'ireo mpisoro voho reo mpaminany hoe: " Tsy mendriky gny ho maty toy johary toy fotony nagnambara raha tagnamintsika tamin'ny agnaran'i Yaveh Ndranagnaharintsika ie." 17 Ka la nitsanga reo loholon'ny tany ka nivola tamin'ny fiangonan'ny olo iaby. 18 Hoy rozy hoe: " Mika Morastita la naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Nisafa tamin'ny vahoakin'i Joda iaby ie ka nanao hoe: ' Yaveh Tompon'ny maro nivola zao: ho hasay manahaky gny baiko i Ziona, ho avy korontam-bato i Jerosalema, sady gny tendrombohitrin'ny tragnon-Dranagnahary la ho avy havoa rakotsy kirhitrala.' 19 Namono gnazy va i Hezekia mpanjakan'ny Joda voho gny Joda iaby? Tsy natahotsy gnan'i Yaveh va ie ka nnampitony gny vatan'i Yaveh mba hagnajanonan'i Yaveh gny loza zay fa nambarany gnan-drozy? Ka hanao raha raty bevata amin'ny aintsika avao va tsika?" 20 Teo agnilan'izay avao la nisy johary hafa zay naminany tamin'ny agnaran'i Yaveh__Oria anaky lahin'i Semaia bakamin'i Kiriata Jearima__ie koa la naminany hanohitsy toy tana voho tany toy, nifagnaraky tamin'ny safan'i Jeremia iaby. 21 Fa lafa ren'i Joiakima mpanjaka voho gny miaramilany iaby voho gny manam-pahefany gny safany, la niezaky gny hamono gnazy gny mpanjaka, nefa nahare izay i Oria ka natahotsy, la nandositsy sady lasa nagnagny Egypta. 22 Sady nandefa johary ho any Egypta gny mpanjaka Joiakima__Elnatana anaky lahin'i Akbora voho johary handeha ho agny Egypta hagnaraky gnan'i Oria. 23 Nalan-drozy hiboaky bakao Egypta i Oria sady nandesy teo amin'i Joiakima mpanjaka ie. Sady la nivinonon'i Joiakima tamin'ny sabata ie sady nalefany tagny amin'ireo safanny olon-tsotra gny fatiny. 24 Fa gny tanan'i Ahikama anaky lahin'i Safana la niaraky tamin'i Jeremia, ka tsy natolony teo ampelan-tagnan'ny vahoaky mba ho vonoe ie.