1 Zao ro safa avy tamin'ny Jeremia mahakasiky gny olon'i Joda iaby. Avy izay tamin'ny tao fahefatsy nanjakan'i Joiakima anak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Tao voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izay. 2 Jeremia mpaminany nagnambara zao tamin'ny olo iaby tao Joda voho gny olon'i Jerosalema iaby. 3 Hoy ie hoe: " Agnatiny gny telo amby roapolo tao, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo tao nanjakan'i Josia anak'i Amona, mpanjakan'i Joda zisiky henanizao, la avy tagnamiko gny safan'i Yaveh sady fa nilazaiko anareo hatrany hatrany, fa tsy ninjanjy nareo. 4 Nandefa reo mpaminany mpanompony iaby ho eo aminareo hatrany hatrany i Yaveh, fa tsy ninjanjy gnazy nareo na niraharaha. 5 Reo mpaminany nivola hoe: ' Ao gny olo kiraidraiky hiala amin'ny fomba ratiny voho gny kolikoly fataony sady himpoly agny amin'ny tagny zay nomen'i Yaveh gny razambenareo tamin'ny andro taloha voho ho anareo, ho fanomeza maharitsy. 6 Ka aza magnaraky amin'ireo ndranagnahary hafa mba hanompo na hiakohoky amin-drozy, sady aza miantsy Gnazy amin'nireo asan'ny tagnanareo mba tsy haniasia raty anareo.' 7 Nefa tsy ninjanjigninareo Zaho__zao ro fagnambaran'i Yaveh__loa fa nikaiky Gnahy nareo amin'ny asan'ny tagnanareo mba hagnisy raty anareo. 8 Koa Yaveh Tompon'ny maro nivola zao: 'Fotony tsy ninjanjy reo safako anareo, 9 ingo, handefa lily hamoria gny olo iaby bakagny avaratsy Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__miaraky amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, sady handay gnan-drozy hanohitsy zao tany zao voho reo olo Zaho, sady hanohitsy reo firenena iaby magnodidy anareo. Fa ho atokako rozy amin'ny fandringana. Ho avaliko ho horohoro, voho raha mampisiotsioky, sady faharava tsy misy fahatapera rozy. 10 Htsatriko gny feon'ny fifalia sady gny feon'ny fisinisinia, gny feon'ny mpampakatsy sady gny feon'ny ampakary, gny feon'ny vato fikosoham-bary sady gny fahazavan'ny jiro. 11 La ho avy faharava voho horohoro toy tany iaby toy, sady reo firenena reo hanompo gny mpanjakan'i Babylona agnatiny gny fitopolo tao. 12 Sady lafa feno gny fitopolo tao, la ho faiziko gny mpanjakan'i Babylona voho izay firenena izay, la gny tanin'ireo Kaldeana__izay ro fagnambaran'i Yaveh__noho gny helokin-drozy sady ho ataoko ho faharava tsy misy fahatapera izay. 13 Koa ho tanterahiko amin'izay tany izay gny safa iaby zay fa nivolagniko, sady gny raha iaby voasoratsy ao amy toy boky zay naminanian'i Jeremia hanohera reo firenena iaby toy. 14 Fa hamoaky reo andevo ao amin'ireo firenena reo koa gny firenena maro hafa voho reo mpanjaka bevata maro hafa. Ho valiako araky gny ataony voho araky gny asan'ny tagnany aby rozy. 15 Fa Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, nivola izay tagnamiko manao hoe: " Rambeso etoy an-tagnako toy kapoakin-divain'ny fahatezera toy sady ao reo firenena iaby zay agnirahako gnano hino izay. 16 Fa hino an-drozy voho ho tafintohy noho izay sady hevembena manahaky gny adala agnatrehan'ny sabatsy zay alefako eo amin-drozy". 17 Ka la niraisiko bakeo an-tagnan'i Yaveh gny kapoaky, sady nampinomiko izay gny firenena iaby zay nalefan'i Yaveh gnahy: 18 la i Jerosalema, tana bevatan'i Joda voho gny mpanjakakany sady reo manam-pahefa__mba hamaliky gnan-drozy ho faharava voho raha mampatahotsy, voho raha mampisiotsioky voho fanozogna, manahaky gnan-drozy amin'izao andro zao. 19 Tsy maintsy nino izay koa Reo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta voho reo mpanompony; reo manam-pahefany voho gny vahoakiny; 20 gny olo iaby samby hafa fiavia voho reo mpanjaka iaby bakamin'ny tanin'i Oza; reo mpanjaka bakamin'ny Filistia iaby__Askelona, Gaza, Ekron, sady gny sisa agny Asdoda; 21 Edoma voho Moaba noho gny vahoakan'i Amona. 22 Reo mpanjakan'i Tyro voho Sidona, reo mpanjakan'ny moron-tsiraky egny ampitan'ny ranomasy, 23 Dedana, Tema, voho Boza miaraky amin'ireo olo iaby zay nanapaky gny sisin'ny volondohan-drozy, tsy maintsy nino izay avao koa rozy. 24 Reto olo reto la tsy maintsy nino izay avao koa: gny mpanjakan'i Arabia iaby voho gny mpanjakan'ny vahoaky samby hafa fiavia iaby zay mipetraky agny agn'efitsy; 25 gny mpanjakan'i Zimry iaby, gny mpanjakan'i Elama iaby, sady gny mpanjakan'i Media iaby; 26 gny mpanjakan'ny avaratsy iaby, na gny mariniky sady na gny lavitsy__gny olo kiraidraiky miaraky amin'ny rahalahiny sady gny fanjaka iaby eo amin'izao tontolo zao zay eo agnabon'ny tany. Tao afaran-drozy iaby reo la gny mpanjakan'i Babylona ro nino farany. 27 Nagnambara tagnamiko Yaveh hoe: " Henanizao tsy maintsy hivola amin-drozy iha hoe: ' Yaveh Tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely, nivola zao: minoma sady mimamoa, noho mandoava, miantonta, sady ka mintsanga magnatriky gny sabatsy zay nalefako eo agnaminareo.' 28 Sady laha manda tsy handramby gny kapoaky ho inomy egny an-tagnanao rozy, la ambarao rozy hoe: ' nivola zao Yaveh tompon'ny maro hoe: tsy maintsy mino izay tokoa nareo. 29 Fa ingo, handay loza eo amin'ny tana zay nikaihy tamin'ny agnarako Zaho, la tokony ho afaky amin'ny famaiza va nareo? Tsy ho afaky nareo, fotony hikaiky gny sabatsy gny olo iaby amin'ny tany Zaho!__izay ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro.' 30 Tsy maintsy maminany reo safa iaby amin-drozy iha, sady ambarao gnan-drozy hoe: ' Hierona bakagny amin'ny abo i Yaveh sady hanondrotsy gny feony bakegny amin'ny fipetrarany masy, sady hierona mafy amin'ny fiforetany Ie; sady hikoraky Ie, manahaky reo zay magnitsakitsaky gny voaloboky manohitsy reo iaby zay miay eto an-tany. 31 Gny feon'aly hanakoako hatrany amparan'ny tany, fa Yaveh manday fiampanga amin'ireo firenena, sady manday fitsara eo amin'ny nofo iaby Ie. Hanolotsy reo raty fagnahy eo amin'ny sabatsy Ie__izay ro fagnambaran'i Yaveh 32 Yaveh Tompon'ny maro nivola zao hoe: 'Ingo, hiboaky hitety firenena gny loza, sady miala bakagny amin'ny faritsy lavitsy mare amin'ny tany gny tafio-tsioky mahery. 33 Sady reo zay nivinonon'i Yaveh amin'izay andro izay la hihitatsy hatrany amin'ny fiafaran'ny tany raiky ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaona rozy, na hoangonina, na ho alevy. Ho manahaky gny zeziky eo agnabon'ny tany rozy. 34 Midradradradra, ry mpiaraky aondry, sady mikaiha vonjy! Mihodikodiky eo amin'ny lemboky, nareo ry mpiaraky gny aondry, fa avy gny andro famonoa anareo; hiparitaky manahaky gny valagny manify nareo lafa miatonta. 35 Tsy misy fialofa ho gnan'ireo mpiaraky aondry, tsy ho afa-mandositsy reo mpitariky gny aondry. 36 Njanjigno gny tomanin'ireo mpitarik'aondry, fa simban'i Yaveh gny akatan-drozy. 37 Ka ho rava reo akata noho fasiahan'ny fahatezeran'i Yaveh. 38 Manahaky gny liona tao, niala gny zohiny ie, fotony gny tanin-drozy la ho avy horohoro nohogny fahatezeran'ny mpampijaly, noho gny firehetan'ny fahatezerany."