Toko faha 24

1 Nampiseho raha tagnamiko i Yaveh. Ingo, aviavy roe harona ro napetraky teo agnatrehan'ny tragnoben'i Yaveh. ( Io fahitana io la niseho tafaran'ny nanaovan'i nanaovan'i Nabokadnezara, mpanjakan'i Babylona sesitany gnan'i Joakinan'i sesitany gnan'i Joakina anaky lahin'i Joakima, mpanjakan'i Joda, reo manam-pahefan'i Joda, reo mpanao asa tagna sady mpanefy vy bakao Jerosalema sady nandaisany gnan-drozy tagny Babylona.) 2 Gny haro raiky la nisy aviavy soa tokoa, manahaky gny voalohan'aviavy tena raty ka tsy afaky hohany reo. 3 Hoy i Yaveh tagnamiko: " Ino ro hitanao, Jeremia?" Hoy zaho hoe: " Aviavia. Aviavy zay tena soa tokoa sady aviavy zay raty tokoa ka tsy azo hohany." 4 Sady avy tagnamiko gny safan'i Yaveh, manao hoe: 5 " Yaveh, Ndranagnarin'Israely, nivola zao: Hitsinjo gny sesitanin'i Joda ho gnan'ny tombotsoan-drozy Zaho, manahaky reo aviavy soa reo, reo natao sesitany zay teto amy toy toera toy ho agny amin'ny tanin'ny Kaldeana. 6 Ho tsofiko rano rozy sady ho ampoliko eo amin'io tany io ndraiky. Ho antsangako ndraiky rozy, fa tsy ho simbaiko. Ho amboleko rozy, sady ho fongorako. 7 Sady hameako fo mba ahafantatry Gnahy, fa Zaho ro Yaveh. Ho oloko rozy Zaho ho Ndranagnahariny, ka hitoliky Agnamiko amin'ny fony iaby rozy. 8 Fa manahaky reo aviavy zay raty vatany laha hohany__la zao ro safan'i Yaveh__manahaky izay fomba izay ro hanaovako gnan'i Zedekia, mpanjakan'i Joda, miaraky amin'ireo manam-pahefany, sady gny Jerosalema sisa zay tavela amy toy tany toy na mandeha mba hipetraly agny amin'ny tany Egypta. 9 Ho avaliko ho raha mampitahotsy rozy, ho loza, eo imason'ny fanjakan'ny tany iaby, fahafaham-baraka voho ambentin-tenin'ohabolana, fitenenan-draty, sady ozo amin'ny toera iaby zay hindaisako gnan-drozy. 10 Handefa sabatsy, mosary, sady areti-mandringa amin-drozy Zaho, mandra-paharava gnan-drozy amy toy tany zay nameko gnan-drozy voho gny razambeny toy."