1 " Loza ho an'ireo tsy miasy aondy zay mamotiky voho manaparitaky gny aondrin'ny akata maitsoko__izay ro fagnambaran'i Yaveh." 2 Noho izay Yaveh, gny Ndranagnaharin'Israely, la mivola zao mahakasiky an'ireo tsy miasy aondry zay miamby olo: " Naparitako reo aondriko sady noroahinareo. Tsy niraharaha an-drozy nareo. Ka hagnasazy anareo Zaho nohon'ny raty zay nataonareo__izay ro fagnambaran'i Yaveh. 3 Zaho vatako ro hamory gny sisa amin'ireo aondriko bakamin'ny tany iaby zay nandroahako an-drozy, sady hampimpoly androzy amin'ny toera misy akata, zay hamokaran-drozy voho handaisan-drozy Zaho. 4 Bakeo Zaho hananga tsy miasy aondry eo amin-drozy zay hiamby gnan-drozy mba tsy hatahotsy na torotoro sasy rozy. Tsy hisy tsibo rozy__izay ro fagnambaran'i Yaveh. 5 Ingo, ho avy gny ndro__izao ro fagnambaran'i Yaveh__lafa hananga rantsa marina ho gnan'i Davida Zaho. Hanjaka manahaky gny mpanjaka ie; hiasa am-pahendrea ie sady hampisy rariny voho fahamarina eo amin'ny tany. 6 Amin'ireo androny la ho voavonjy i Joda, sady Israely la hiay am-pilamina. La zao ro agnara hikaiha gnazy: Yaveh ro fahamarignantsy. 7 Noho izay ingo, ho avy gny andro__zao ro fagnambaran'i Yaveh__lafa tsy hivola sasy rozy hoe: ' Laha mbo velo koa Yaveh, gny nanday gny vahoakan'Israely hiboaky gny tany Egypta.' 8 Fa hivola koa rozy hoe: ' Laha mbo velo koa Yaveh, gny nanday voho nitariky gny taranak'Israely bakagny amin'ny tany avaratsy voho gny tany iaby zay nandroaha gnan-drozy.' Bakeo la hiay agny amin'ny tanin-drozy avao rozy. 9 Laha gny momban'ireo mpaminany, la maratsy gny foko, sady mangovitsy gny taololako iaby. Lasa manahaky gny olo mamo zaho, manahaky gny olo zay resin'ny divainy, noho Yaveh voho reo safany masy. 10 Fa gny tany la feno mpinjanganjanga. Noho reo la maiky gny tany. Maiky reo tanin'akata agny an'efitsy. Raty reo lalan'ny mpaminany reo; tsy miasa amin'ny tokony ho ie gny fahefan-drozy. 11 " Fa reo mpaminany voho reo mpisoro la samby maloto. Fa nahita gny faharatian-drozy tao an-tragnoko mihitsy Zaho!__izay ro fagnambaran'i Yaveh__ 12 noho izay la ho manahaky gny toera malama ao agnaty aizina gny lalan-drozy. Ho atokisa hizotso rozy. Hitonta eo amin'izay rozy. Fa handefa loza eo amin-drozy amin'ny taonan'ny fanasazia gnan-drozy Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh. 13 Fa hitako nanao zay maharikoriko reo mpaminany tany Samaria: naminany tamin'i Bala rozy sady nitariky gny vahoakako Israely amin'ny lalan-diso. 14 Nahita raha mahatsiravina teo amin'ireo mpaminany tagny Jerosalema Zaho: Ninjanganjanga rozy sady nandeha tamin'ny fitaky. Nagnamafy gny tanan'ireo mpanai raty rozy; tsy nisy niala tamin'ny raty fataony. Lasa manahaky an'i Sodoma iaby rozy iaby agnamiko sady gny olony la manahaky an'i Gomora!" 15 Noho izay Yaveh tompon'ny maro la mivola zao mahakasiky reo mpaminany: Ingo, hampihina raha-mahafaty voho hampino rano misy poizy an-drozy Zaho, fotony gny fahalotoa la niboaky tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema nagnagny amin'ny tany iaby." 16 Yaveh tompon'ny maro la mivola zao: " Ka minjanjy gny volan'ireo mpaminany zay maminany agnaminareo. Fa namitaky gnanareo rozy! Rozy la magnambara fahita bakao an-tsain-drozy manoka avao, fa tsy bakamin'ny Tsihovin'i Yaveh. 17 Mivola tsisy dikany amin'ireo zay mangalaky baraka Gnahy rozy hoe: ' Yaveh la magnambara fa hisy fiadagna ho gnanareo.' Fa gny olo iaby zay mandeha amin'ny ditran'ny fony la manao hoe: ' Tsy ho avy agnaminareo gny loza.' 18 Nefa ie ro nitsanga teo amin'ny fivorian'ny voho nendrionan'i Yaveh? Ia ro mahita voho mahare gny safany? Ia ro nanongila-tsofy tamin'ny safany sady ninjanjy? 19 Ingo, misy rivo-doza ho bakagny amin'i Yaveh! Miboaha gny hatezerany, sady misy tafio-tsioky hiboaky. Mitsoky magnodidy gny lohan'ireo raty fagnahy izay. 20 Tsy himpoly gny hatezeran-Dranagnahary mandra-pahatanterahany voho mandra-pitondrany gny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, la ho azonareo izay. 21 Tsy nandefa reo mpaminany reo Zaho. Nipitsy fotsiny rozy. Tsy nagnambara na ino na ino tamin-drozy Zaho, nefa mbo naminany avao rozy. 22 Fa laha nitsanga teo amin'ny fivorian'ny synedrinako rozy, la ahavy gny oloko hahare gny safako rozy; nampivily an-drozy tamin'ireo raty voho fanaovan-drozy kolikoly. 23 Moa Ndranagnahary eo agnilany eo fotsiny avao va Zaho__zao ro fagnambaran'i Yaveh__fa tsy Ndranagnahary alavitsy avao koa? 24 Misy olo afaky miafy agny amin'ny toera miafy va ka tsy hitako?__izay ro fagnambaran'i Yaveh__sady moa tsy mameno gny lagnitsy voho gny tany Zaho?__ izay ro fagnambaran'i Yave. 25 Fa reko gny ambaran'ireo mpaminany, reo zay naminany fitaky tamin'ny agnako. Hoy rozy hoe: ' Nanofy zaho! Nanofy zaho!" 26 Hafiria ro hitohizan'izay, mpaminany zay maminany vandy bakao an-tsain-drozy, voho maminany amin'ny fitaky ao am-pon-drozy? 27 Rozy la mitetiky gny hagnalinoan'ny oloko gny agnarako amin'ireo nofy zay taterin-drozy kiraidraiky bakamin'ny mpiray tana aminy, manahaky gny nagnalinoan'ny razamben-drozy gny agnarako nohon'ny agnaran'i Bala. 28 Gny mpaminany zay mana nofy, ao ie hitatitsy gny nofy. Fa zay nagnambarako raha, ao eo hagnambara gny safako am-pahamarigna. Fa ino ro iliran'ny tratrango amin'ny vary?__izay ro fagnambaran'i Yaveh__ 29 Moa tsy manahaky gny bolo va gny safako?__izay ro fagnambaran'i Yaveh__sady manahaky gny tantana zay manotorotoro vato ho potipotiky? 30 Ka ingo, manohitsy an'ireo mpaminany Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__izay iaby mangalatsy tegny amin'ny olo hafa sady mivola fa avy agnamiko regny. 31 Ingo, manohitsy an'ireo mpaminany Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__zay mampiasa gny lelan-drozy mba haminania fagnambara. 32 Ingo, manohitsy an'ireo mpaminany zay manofy amin-pitaky Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__sady bakeo magnambara reo sady amin'izay fomba izay la mamitaky gny olo amin'ny alalan'ny fitaky voho fiheboheboan-drozy. Manohitsy an-drozy Zaho, fotony tsy naniraky na nagnome baiko an-drozy Zaho. Noho izay la azo antoky fa tsy hagnampy any toy vahoaky toy rozy__izay ro fagnambaran'i Yaveh. 33 Lafa magnontany gnanao reo olo reo, na gny mpaminany, na gny mpisoro hoe: ' Ino ro entan-mavesatr'i Yaveh? l hivola amin-drozy iha hoe: ' Nareo ro entan-mavesatsy, sady handroaky anareo Zaho'__izay ro fagnambaran'i Yaveh. 34 Laha gny amin'ireo mpaminany, mpisoro, voho olo zay mivola hoe: ' Toy gny vesatr'i Yaveh' la hanasazy izay olo izay voho gny ankohonany Zaho. tsy Mitsahatry mivola nareo, gny olo kiraidraiky amin'ny mpiray tana aminy sady gny olo kiraidraiky amin'ny rahalahiny hoe: ' Ino ro navalin'i Yaveh?' voho hoe: 'Ino ro nambaran'i Yaveh?' 36 Nefa tsy tokony hiresaky momban'ny vesatr'i Yaveh' sasy nareo, fotony gny vesatsy la gny safan'i olo kiraidraiky manoka, sady nareo la nametaveta gny tenin'ny Ndranagnahary velo,. gny Yaveh tompon'ny maro, Ndranagnaharintsika. 37 Zao ro ho ambaranareo amin'ny mpaminany hoe" Ino ro valin-teny nomen'i Yaveh gnanareo? na hoe: ' Ino ro nolazain'i Yaveh' 38 Fa laha mivola nareo hoe: Gny vesatr'i Yaveh,' la zao ro ambaran'i Yaveh: ' Fotony nivola reo teny reo nareo hoe: Vesatr'i Yaveh,' lafa nagniraky anareo Zaho, nivola hoe: ' Ka mivola hoe: " Vesatr'i Yaveh,"' 39 noho izay, la ingo, hangalaky anareo Zaho sady hanoraky gnanareo lavitsy Gnahy, miaraky amin'ny tana zay nomeko anareo voo reo razambenareo. 40 Bakeo la hametraky hegnatsy voho faniratsira aminareo mandrakizay zay tsy ho alinoiko Zaho."'