Toko faha 22

1 Zao ro ambaran'i Yaveh: " Mizotsoa agny an-tragnon'ny mpanjakan'i Joda sady nambarao agny zao teny zao. 2 Resaho hoe: Mpanjakan'i Joda , njanjigno gny safan'i Yaveh__iha zay mipetrahy eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida__iha, voho reo mpanompoanao, sady reo vahoakanao zay mandalo eo amin'ireo vavahady reo. 3 Zao ro resan'i Yaveh" Manaova gny rariny voho to, sady zay voaroba__vonjeo egny an-tanan'ny mpampahory ie. Ka manao fomba raty amin'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondratena eo aminny taninao. Ka manao herisetra na mandatsaky gny lion'ny tsy manan-tsiny amy toy toera toy. 4 Fa laha mana reo raha reo vatany iha, la hilitsy eo amin'ireo vavahadiny toy tragno toy hiondra kalesy voho soavaly reo mpanjaka mipetraky eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ie, reo mpanompony, sady gny vahoakany! 5 Fa laha tsy minjanjy reo safa bakamiko zay fa nambarako reo iha__izay ro fagnambaran'i Yaveh__la ho avy faharava toy tragnon'ny mpanjaka toy."' 6 Fa zo ro ambaran'i Yaveh mahakasiky gny tragnon'ny mpanjakan'i Joda: ' Iha la manahaky gnan'i Gileada, na manahaky gny tendron'i Libanona agnamiko. Na izay aza ho avaliko tany efitsy iha, ho tana tsy misy olo. 7 Fa nanondro reo mpandrava ho avy hanohitsy gnanao Zaho! Hanapaky reo sederanao soa mare reo johary miaraky amin'ny fitaovam-pialiany sady hagnenga gnan-drozy hitonta agnaty bolo. 8 Sady firenena maro ro handalo amy toy tana toy. Hifampivola amin'ny eo agnilany gny kiraidraiky hoe: ' Nagnino ro nanao zao tamy toy tana bevata toy Yaveh?" 9 Sady hamaly gny hafa hoe: " Fotony nahafoy gny faneken'i Yaveh Ndranagnahariny rozy, sady niankohoky tamin'ireo ndranagnahary hafa voho nanompo gnan-drozy." 10 Ka mitomany zay maty, na misaona ho gnazy; fa mitomania ho gnazy zay handeha alavitsy, fotony tsy himpoly sasy ie sady tsy hahita gny tanindrany sasy.' 11 Fa zao ro safan'i Yaveh mikasiky gnan'i Jehoaza anaky lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, zay nanompo manahaky gny mpanjaka laha tokony ho Josia toy ie sady tsy himpoly. 12 Ho maty agny amin'ny toera zay nanaovan-drozy sesitany gnazy ie, sady tsy hahita toy tany toy sasy.' 13 Loza ho an'izay manory gny tragnony amin'ny tsy fahamarina, gny efitragnony agnabo amin'ny tsy rariny, zay mampiasa may gny mpiray tana aminy, sady tsy magnome gny karamany; 14 hoy ie hoe: ' Hagnory tragno bevata voho efitragno agnabo malalaky ho gnahy zaho.' ka manapaha varavarankely bevata ho izay, sady nasiany valin-drihana sedera izay, sady nolokoiny mena.' 15 Mahavy gnanao ho mpanjaka soa va gny fanirianao hana takelaky sedera? Moa va tsy nihina voho nino avao koa gny babanao, fa koa nanao gny rariny voho fahamarina? Sady nandeha soa gny raha iaby ho gnazy. 16 Nagnome rariny gny ory voho fadiranova ie. Sady la soa izay. Moa va izay tsy midika gny fahay Gnahy?__ izay ro fagnambaran'i Yaveh. 17 Fa tsy misy na ino na ino ankoatsin'ny tahotsy eo amin'ny masonao voho gny fonao noho gny amin'ny tombony tsy ara-drariny voho gny amin'ny fandatsaha lion'ny tsy manan-tsiny, gny fampijalia voho fanorotoroa gny hafa. 18 Noho izay la hoy i Yaveh mahakasiky gnan'i Joiakima anaky lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho gnazy rozy ka hanao hoe: ' loza, rahalahiko!' na 'loza rahavaviko! Tsy hitomany ho gnazy rozy ka hanao hoe: ' loza, tompo! na loza, be voninahitsy!' 19 Ho alevy manahaky gny fandevegnam-boriky ie, ho taritarihiny voho hatorany agny amonton'ny vavahadin'i Jerosalema ie. 20 Miakatsy agny an-tendrombohitr'i Libanona ka mikaiky mare. Asandrato ao Basana gny feonao. Mikaiha mare bakegny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho rava reo namanao iaby. 21 Niresaky tagnaminao Zaho tamy niroro ampilamina iha, fe hoy iha hoe: ' Tsy hinjanjy zaho.' Izay ro fombanao hatramin'ny fahatanoranao fotony tsy ninjanjy gny feoko iha. 22 Hiamby reo tsimiasy oandrinao iaby gny tsioky, sady reo namanao la ho lasan-ko babo. Sady la ho megnatsy voho hangahiahy vatany iha nohon'ny asa ratinao iaby. 23 Iha zay mipetraky agny ' Libanona,' zay magonry akany amin'ny sedera, endrey gny hamindra fo agnaminao lafa avy agnaminao gny fanaintainan'ny asa, fanaintaina zay manahaky gny gnan'ny ampela miteraky!" 24 " Laha velo koa Zaho__zao ro fagnambaran'i Yaveh__na la peratsy tombokasen'ny tagnako ankavana aza iha Jekonia, anaky lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, la ho viravirako iha. 25 Fa nomeako ho eo an-tagnan'ireo zay mifofo gny ainao iha sady ho eo an-tagnan'ireo zay atahoranao, na ho egny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona voho reo Kaldeana koa aza. 26 Hagnary gnana voho gny reninao niteraky gnanao agny amin'ny tany hafa Zaho, tana zay tsy nahaterahanao, sady ao iha ro ho maty. 27 Laha gny mikasiky toy tany zay hirian-drozy himpoliana toy, la tsy himpoly atoy rozy. 28 Moa va tsy fanangalaky notsinotsinoavy voho notorotoroa izay? Moa va tsy valagny zay tsy nahafaly an'ia na ia izay johary Jekonia izay? Nagnino ie voho gny taranany ro narian-drozy, ka napitsiny tagny amin'ny tany zay tsy hain-drozy? 29 Tany, tany, tany! Njanjigno gny safan'i Yaveh! 30 Zao ro ambaran'i Yaveh: ' Manorata mahakasiky toy johary Jekonia toy: tsy hanan-taranaky ie. Tsy ho ambinina mandritra gny androm-piaignany ie, sady tsy hisy na raiky amin'ireo taranany ahita fahombiaza na hipetraky eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida ndraiky ka hanapaky gnan'i Joda."'