Toko faha 21

1 Gny teny zay avy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh lafa nandefa gnan'i Pasora anaky lahin'i Malkia voho i Zefania anaky lahin'i Mahasela mpisoro tany aminy i Zedekia mpanjaka. La hoy rozy taminy: 2 " Mangataha hevitsy amin'i Yaveh ho gnanay, fa mananga aly aminay i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hanao reo fahagaga ho gnanay angamba Yaveh, manahaky gny tamin'ny andro taloha, ka hampiala gnazy eo aminay." 3 Ka hoy Jeremia tamin-drozy: " Zao ro tsy maintsy ambaranareo gnan'i Zedekia, 4 ' Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, mivola zao: " Ingo, hampimpoly reo fitaovam-pialia zay eo an-tagnanareo zaho, niaraky amin'izay nialinareo hanohitsy gny mpanjakan'ny Babylona voho reo Kaldeana zay nanato gnanareo baka tany ivelan'ireo manda! Fa hamory gnazy reo ho eo ampovoany toy tana toy. 5 La Zaho vatako ro hialy agnaminao miaraky amin'ny tana mitsotra voho fahasosora, fahavinira, sady fahatezera bevata. 6 La hanafiky reo mponiny toy tana toy Zaho, na gny olo na gny biby. Ho faty amin'ny areti-mandringa mafy rozy. 7 Afaran'izay__zao ro fagnambaran'i Yaveh__Zedekia mpanjakan'i Joda, reo mpanompony, gny vahoaky, voho reo zay mijanona eto amy toy tana toy afaran'ny areti-mandringa, gny sabatsy, sady gny mosary,la mosary, la homeako ho eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ie iaby, voho eo an-tanan'ireo fahavalony, sady eo an-tanan'ireo zay mifofo gny ain-drozy. La hamono gnan-drozy amin'ny lelan-tsabatsy ie. Tsy hiatra gnan-drozy ie, tsy hamindra fo gnan-drozy, na hana fangoraham-po.' 8 Sady ao ho ambaran'i Yaveh: " Ingo, ho aoetrako magnatriky anareo gny lalan'ny fiaigna voho gny lalan'ny fahafatesa. 9 Zay mijanona amy toy tana toy la ho matin'ny sabatsy, mosary sady gny areti-mandringa; fa zay miboaky ka mitonta eo amin'ny lohaliny eo agnatrehan'ireo Kaldeana zay nanao fahirano gnanao la ho velo. Handositsy hiaraky amin'ny ainy ie. 10 Fa nanandrina gny tavako hanohitsy toy tana toy zaho mba handay loza fa tsy handay soa__izay ro fagnambaran'i Yaveh. Fa natolotsy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona sady ho oroa izay.' 11 Njanjigno gny volan'i Yaveh mahakasiky gny avorohotan'ny mpanjakan'ny Joda. 12 Avorohotan'i Davida, hoy i Yaveh: " Tanteraho gny rariny amin'ny mpampahory gny voaroba, fandrao hiboaky manahaky gny bolo gny hatezerako ka hagnoro, sady tsy hisy na raiky aza ka afaky hamono izay, noho reo asa ratinao. 13 Ingo, gny olon'ny loasaha! Manohitsy gnanao Zaho, vaton'ny lemaky__zao ro fagnambaran'i Yaveh__Zaho la magnohitsy reo zay iaby manao hoe: " Ia ro hizotso hanafiky gnanay?" na hoe: " Ia ro hilitsy ao an-tragnonay?" 14 Nanondro gny vokatr'ireo asanao ho avy hanohitsy gnanao Zaho__Izay ro fagnambaran'i Yaveh__sady andrehitsy bolo agny amin'ireo kirihitr'ala, sady handevogna reo iaby zay magnodidy gnazy izay."