1 Parora anak'i Imera mpisoro__manambininahitsy mpitariky ie__la nahare gnan'i Jeremia naminany reo teny reo teo agnatrehan'ny tragnon'i Yaveh. 2 Ka novelesin'i Pasora i Jeremia mpaminany sady bakeo napetrany tao amin'ireo hazo fanagadra zay teo amin'ny Vavahady Agnabon'i Benjamina tao amin'ny tragnon'i Yaveh. 3 Sady naboakin'i Pasora tao amin'ny hazo fanagadra i Jeremia gny andro magnaraky. La hoy Jeremia taminy: " Tsy nikaiky gny agnaranao heo Pasora i Yaveh, fa Magora-misababi iha. 4 Fa zao ro safan'i Yaveh: ' Ingo, ho ataoko raha mampatahotsy iha, la iha vohon reo olon-tianao iaby, fa ho lavon'ny sabatt'ireo fahavalony rozy sady hahita izay gny masonao. Ho atolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona gny Joda iaby. Ho ataony babo agny Babylona rozy na ho tafihany amin'ny tsabatra. 5 Hameako gnazy gny hareny toy tana toy iaby voho gny fanagnany iaby, gny raha sarobidin'izay iaby voho gny haren'ny mpanjakan'ny Joda iaby. Ho apetrako egny an-tanan'ireo fahavalonao reo raha reo, ka ho lasan-drozy izay. Hangalaky regny rozy ka handay reo agny Babylona. 6 Nefa iha, Pasora, voho reo mipetraky ao an-tragnonao iaby la ho lasan-ko babo. Handeha agny Babylona iha ka ho maty agny. Iha voho reo olon-teanao iaby zay naminanianao raha fitaky la ho alevy agny."' 7 " Namitaky gnahy Iha, Yaveh, sady voafitaky zaho. Matanjaky noho zaho Iha, sady mandresy gnahy Iha. Lasa fihomeheza mandritsy gny tontolo andro zaho, maneso gnahy gny olo iaby. 8 Fa isaky gny nivola zaho, la nikaiky mare zaho sady nagnambara hoe: ' Herisetra voho fandrava.' Sady lasa voho fanesoa ho gnahy isan'andro gny safan'i Yaveh. 9 Laha mivola zaho hoe: " Tsy hieritreritsy momba gnan'i Yaveh sasy zaho. Tsy hivola amin'ny agnarany sasy zaho.' Sady manahaky gny bolo ao am-poko izay, voatazo ao agnatin'ny taolako. ka mitolo mba hita izay zaho nefa tsy nahavita. 10 Nahare gny tsahon'ireo mpampihorohoro bakamin'ny olo iaby magnodidy zaho.' Tatero! Tsy maintsy taterintsika izay!' Reo zay marikitsy gnahy la mijilo mba hagnenty laha mitonta zaho.' Mety ho azo fitahy ie. Laha izay, la afaky mandresy gnazy tsika sady hanao gny valifatintsika aminy.' 11 Fa mimba gnahy manahaky gny mpialy mahery Yaveh, ka himpoly reo olo zay magnenjiky gnahy. Tsy handresy gnahy rozy. Ho afa-baraka tanteraky vatany rozy, fotony tsy bhahomby. Ho megnatsy tsy hanam-piafara rozy, tsy ho haligno mandrakizay izay. 12 Nefa iha, Yaveh Tompon'ny maro, Iha zay mandiniky gny fahamarigna voho zay mahita gny saina voho gny fo. Engao zaho hahita gny valifatinao amin-drozy fotony fa naneho gny trangako tagnaminao zaho. 13 Mihira ho gnan'i Yaveh! Mandrengy gnan'i Yaveh! Fa namonjy gny ain'ireo zay nampahoria teny an-tanan'ireo mpanao raty Ie. 14 Ao ho ozogny gny andro nahaterahako. Ao tsy ho tahia gny andro zay nitondran'ny reniko gnahy. 15 Ao ho ozogny gny johary zay nampahafantatsy gny babako, gny nivola hoe: ' Misy aja johary nateraky ho gnanao', hiteraky fifalia bevata. 16 Ao izay johary izay ho manahaky reo tana zay noravain'i Yaveh tsy nanagnany antra. Ao ie hahare gny kaiky vonjy amin'ny mangiran-draty, voho gny tomanin'ny aly amin'ny atoandro, 17 fotony tsy namono gnahy tao am-bohoky ie, nanao gny reniko ho fasako, la kibo zay nitoe-jaza mandrakizay. 18 Nagnino izay ro niboaky tao am-bohoky nzaho mba hijery fijalea voho alahelo, mba ho feno hegnatsy reo androko?"