1 Zao ro safan'i Yaveh: " Mandehana sady mivilia tavoara tanimangan'ny mpanefy tanimanga laha miaraky amin'ny reo loholon'ireo vahoaky voho reo mpisoro iha. 2 La miboaha agny amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma agny amin'ny filiran'ny Vavahadin'ny Vilagny Vaky, sady ambarao ao gny teny zay ho ambarako agnaminao. 3 Ambarao hoe: ' Njanjigno gny safan'i Yaveh, mpanjakan'i Joda voho olon'i Jerosalema! Yaveh Tompon'ny maro, Ndranagnaharin'ny Israely, mivolagna zao: " Ingo, sady zaho la nhanday loza amy toy toera toy, sady gny sofin'ireo iaby zay maheno zao la hangotsokotsoky. 4 Hanao izay zaho fotony nafon-drozy Zaho sady nozimbazimbainy toy toera toy. Eto amy toy toera toy ro agnatren-drozy soro ho gnan'ireo ndranagnaharin-kafa zay tsy hainy. Rozy, razambeny, sady gny mpanjakan'ny Joda avao koa la fa nameno lion'ny tsy manan-tsiny teo amy toy toera toy. 5 Nanory reo toera abon'i Bala rozy handora amin'ny bolo gny zanakalahin-drozy ho fagnatitsy oroa ho gnazy ie__raha zay tsy nodidiako na notonogniko, na koa nilitsy tao an-tsaiko. 6 Ka, ingo ho avy gny andro__zao ro fagnambaran'i Yaveh__lafa tsy ho kaihy sasy hoe Tofeta toy toera toy, gny Lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa Lohasahan'ny Famonao izay. 7 Eto amy toy toera toy ro hanaovako reo fikasan'i Joda voho Jerosalema ho tsy misy ila gnazy. Ho ataoko ho lavon'ny sabatsy eo agnatrehan'ireo fahavalony rozy sady gny tanan'ireo zay mifofo gny ainy rozy. La homeko ho sakafon'ny voro egny amin'ny kagnitsy voho gny biby egny amin'ny tany gny fatin-drozy. 8 La hataoko ho faharava voho raha fihisitrihitry toy tana toy, ka zay iaby mandalo eo amin'izay la hangovitsy voho hisioky momban'ny areti-mandringa iaby. 9 Hampihinanako gny nofon'ireo anany lahy voho reo anany ampela rozy; gny olo kiraidraiky la hihina gny nofon'ny mpiara-belo aminy eo amin'ny fahirano sady amin'ny fangirifiria ro hitondra gnan-drozy fahavalony voho reo mila gny ainy."' 10 La ho vakianao eo imason'ireo johary zay niaraky tagnaminao gny tavoara tanimanga. 11 Hivola amin-drozy iha hoe: 'Zao ro ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: Hananao raha mitovy manahaky izay amy toy vahoaky toy voho toy tana toy Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__ manahaky gny nanorotoroan'i Jeremia gny tavoara tanimanga ro tsy nahafaha nanamboara izay ndraiky. Handevy gny maty agny Tofeta gny olo mandra-paha tsy misy toera hafa handevegna reo maty sasy. 12 Manahaky izay ro hanaovako toy toera toy voho reo olony laha hanao toy toera toy manahaky gnan'i Tofela Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__ 13 ka gny tragnon'i Jerosalema voho reo mpanjakan'i Joda la ho avy manahaky gnan'i Tofeta__reo tragno iaby zay misy tampon-tragno hidrengean'ny olo maloto gny kintana iaby egny amin'ny lagnitsy sady andrarahany fagnatitsy inomy ho gnan'ireo ndranagnahary hafa."' 14 La avy bakagny Tofeta i Jeremia, zay nagnirahan'i Yaveh gnazy mba haminany. Nitsanga teo amin'ny kianjan'ny tragnon'i Yaveh ie sady nivola tamin'ny olo iaby hoe: 15 " Zao ro ambaran'ny Yaveh Tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely hoe: ' ingo, handay amy toy tana toy voho gny renivohiny iaby gny loza iaby zay fa nambarako tamin'izay Zaho fotony nanamafy gny hatony rozy sady nanda tsy hinjanjy gny safako."