Toko faha 18

1 Gny teny zay avy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh, manao hoe: 2 " Mitsangana sady miboaha tao an-tragnon'ny mpanefy tanimanga, fa agny ro hampandrenesiko gnanao gny Safako." 3 Ka magnagny an-tragnon'ny mpanefy tanimanga zaho, sady ingo! Gny mpanefy tanimanga la niasa teo amin'ny kodiarany. 4 Fa simba teny an-tanany gny vilany tanimanga zay nivolavolainy, ka niova hevitsy ie sady nanao raha hafa zay soa teo imasony. 5 La avy tagnamiko gny safan'i Yaveh, nanao hoe: 6 " Tsy afaky manao manahaky gny ataon'io mpanefy io aminareo va Zaho, ankohonan'Israely?__zao ro fanambaran'i Yaveh. Ingo! manangaky gny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy__la manahaky izay nareo eo an-tagnako, ankohonan'Israely. 7 Amin'ny fotoa raiky, la mety hanono raha ho an'ny firenena na fanjaka raiky Zaho, mba hamoahako, handroadanako, na hamotehako izay. 8 Fa laha miala amin'ny haratiany gny firenena zay nanaovako gny loza zay nomagniko ho entiko eo amin'izay Zaho. 9 Amin'ny fotoa hafa, la mety hagnambara raha mikasiky gny firenena na fanjaka raiky Zaho, fa hananga na hamboly izay Zaho. 10 Fa laha manao raty eo imasoko ie amin'ny tsy fihaogna gny feoko, la hajanoko gny soa zay nambarako fa ho ataoko amin-drozy. 11 Sady henanizao, mivolagna amin'ny olon'i Joda voho amin'ny olon'i Jerosalema ka ambarao hoe: 'Zao ro ambaran'i Yaveh: Ingo, hamolavola loza ho anareo Zaho. Fa mamoro tetiky hanohera anareo Zaho. Mibebaha, amin'ny fomba ratiny gny olo kiraidraiky aby, la handay soa ho gnanareo reo fombanareo voho reo fanaonareo.' 12 Fa hivola rozy hoe: ' Tsy misy ila gnazy izay. Hanao araky zay fikasanay manoka rahay. Gny kiraidraiky aby agnaminay la hanao zay fagnirian-dratin'ny fony.' 13 Noho izay la zao ro ambaran'i Yaveh:' Agnotanio reo firenena, ia ro fa nahare karazan-jaha manahak'izao? Fa nanao asa mahatsiravina Israely virijiny. 14 Moa va gny oram-panala agny Libanona fa nandao gny vohim-bato eo agnilany? Moa va gny rian-tendrombohitsy baka an-dagnitsy fa rava, reo riana mamanala? 15 Fa nagnodidy gnahy gny vahoakako. Nanao fagnatitsy ho gnan'ny sampy tsy misy dikany ie reo sady natao ho tafintohy teny amin'ireo lalany rozy; nagnenga reo lalany fahiny rozy ho amin'ireo lalana vitsivitsy kokoa. 16 Ho avy horoharo gny tanin-drozy, ho anton'ny siotsioky mandrakizay. Zay iaby mandalo eo aminy la hangovitsy voho hanifikifi-doha. Hanaparotaky gnan-drozy reo eo agnoloan'ny fahavalony manahaky gny tsioky atignana Zaho. 17 Hampiseho gny lambosiko gnan-drozy Zaho, fa tsy gny vatako, amin'ny andron'ny lozan-drozy."' 18 Ka hoy gny vahoaky tamin'i Jeremia: " Magnato, ao isiky hanao tetiky hanohera gnan'i Jeremia, fa tsy ho rava gny lalagna bakamin'ireo mpisoro, na gny toro-hevitsy bakamin'ireo olo hendry, na reo teny bakamin'ireo mpaminany. Magnato, ao tsika hanafiky gnazy amin'ireo safantsika sady tsy hitandry zay ambarany sasy." 19 Mijanjigna gnahy, Yaveh, sady njanjigno gny feon'ireo fahavaloko. 20 Moa va gny loza bakamin-drozy vatany ro valisoako tamin'ny hatsaram-pagnahiko tamin-drozy? Fa nihaly lavaky ho gnahy rozy. Tiarovo gny nitsanganako teo agnatrehanao mba hiresaky gny fifanampian-drozy, mba hampialy gny fahatezeranao amin-drozy. 21 Noho izay la atavo avy amin'ireo anany gny mosary, sady atolory eo an-tagnan'ireo zay mampiasa sabatsy rozy. Ka engao gny ampelan-drozy hidonam-pijalia voho ho mpitondratena, sady gny johariny ho voavono, sady reo tovolahy ho fatin'ny sabatsy agny agn'ady. 22 Ao ho re bakao amin'ny tragnon-drozy gny hiakiam-pijalia, manahaky gny hitondranao mpanafiky hanohitsy gnan-drozy tampoky. Fa nihaly lavaky hisambora gnahy rozy nanafy fandriky ho gnan'ny tomboko. 23 Fa Iha,Yaveh, Iha mahalala gny drafitsy iabin-drozy agnamiko mba hamonoany gnahy. Ka magnenga reo heloky voho fahotan-drozy. Ka mamafy gny fahotan-drozy hiala Agnaminao. Fa koa, ao rozy rava eo agnatrehanao. Mihetseha hanohitsy gnan-drozy amin'ny fotoan'ny fahatezeranao.