1 " Voasoratsy tamin'ny sitilo vy mana tendro diamondra gny fahotan'i Joda. Voasokitsy eo amin'ny takelaky gny fon-drozy voho eo amin'ny tandron'ireo alitaranao izay. 2 Na la gny anakin-drozy aza la mahatiaro reo alitara voho reo baon'Eserahany zay teo agnilan'ny hazo misondrotsy voho tagnabon'ny vohitsy abo. 3 Teo an-tendrombohitsiko tao amin'ny tana malalaky gny baon'Aseraha. Gny hanagnanareo voho reo raha-tsaorobidinareo iaby homeako manahaky gny babo, miaraky amin'ny fipetrara abonareo, noho reo fahota nataonareo teo amin'ny fari-taninareo iaby. 4 Ho tsobo gny lova zay nameako gnanareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalonareo nareo, fa nareo la fa nandrehitsy bolo amin'ny fahatezerako, zay hirehitsy mandrakizay." 5 Hoy i Yaveh: " Voaozo gny olo zay mahatoky olombelo; manao gny nofony ho heriny ie nefa mampivio gny fony amin'i Yaveh. 6 Fa ho manahaky gny kirihitra kelikely ao Araba ie sady tsy hahita rahasoa ho avy. Hijano agny amin'ny toeram-batolampy agny an-efitsy ie, tagny karakaina tsy misy olo. 7 Nefa voatehy gny olo zay mahatoky gnan'i Yaveh, fa Yaveh ro anton'ny fahatokiany. 8 Fa ho manahaky gny hazo nambole tegny amoron-drano ie, hisondrotsy manamoro gny riaky reo fotony. Tsy hatahotsy gny hafana ie laha avy izay, fa reo raviny la maintso mandrakariva. Tsy magnahy amin'ny taonan'ny hain-tany ie, sady tsy hitsahatsy hamoa ie. 9 Mamitaky mihoatsy gny raha iaby gny fo. Marary izay; ia ro afaky ahatakatsy izay? 10 Zaho ro Yaveh, gny magnenty gny ao am-baibo, gny mitsapa reo fo. Magnome araky gny fomban'ny olo kiraidraiky Zaho, araky gny vokatr'ireo asany. 11 Mikotriky gny atoly zay nalatsany gny tsipohy. Mety ho avy mpanankanagna tsy ara-drariny gny olo, nefa lafa misasaky gny andro iaignany, la hagnenga gnan-drozy mpanakanagna reo, sady agny am-parany la ho lasa adala ie." 12 " Gny sezan'ny tempolinay la seza fiandriana be voninahitsy, nankariny hatrany am-piandohany. 13 Yaveh ro fanantenan'Israely. Ho megnatsy reo iaby zay mangnenga Gnanao. Reo ao amin'ny tany zay niala tagnaminao la ho sorata amin'ny vovoky. Fotony magnenga gnan'i Yaveh Ie reo, gny loharanon'ny rano velo. 14 Sitragno zaho, Yaveh, la ho voavonjy zaho. Fa Iha ro hira fiderako. 15 Ingo, hoy rozy tagnamiko: " Aia gny safan'i Yaveh? Engao izay ho avy!" 16 Laha gny agnamiko, tsy nila tamin'ny maha tsy miasy magnaraky Gnanao zaho, tsy nagniry gny andron'ny loza zaho. Haizo reo fagnambara bakamin'ny molotriko. Natao teo amin'ny fagnatrehanao regny. 17 Ka mampihorohoro gnahy. Iha ro fialofako amin'ny andron'ny loza. Ao ho megnatsy anie reo mpanenjiky gnahy, nefa ka enga ho megnatsy zaho. 18 Ao rozy hatahotsy, fa ka enga hatahotsy zaho. Alefaso amin-drozy gny andron'ny loza sady torotoroy amin'ny anjara loza abo roe heny rozy." 19 Zao ro nisafagnin'i Yaveh tagnamiko: " Mandehana sady mijoroa eo amin'ny vavahadin'ny vahoaky zay hidiran'ireo mpanjakan'i Joda voho iboahan-drozy, sady bakeo amin'ny vavahady hafa gnan'i Jerosalema iaby. 20 Ambarao rozy hoe: ' Njanjigno gny safan'i Yaveh, mpanjakan'i Joda voho nareo vahoakan'i Joda iaby, sady gny olon'i Jerosalema zay mandalo amin'ireo vavahady reo. 21 Zao ro safan'i Yaveh: " Tandremo gny ainareo ka milanja enta-mavesatsy amin'ny Andro Sabata handay izay magnagny amin'ireo vavahadin'i Jerosalema. Ka manday enta miboaky gny tragnonareo amin'ny Andro Sabata. 22 Ka manao asa na ino na ino , fa atokano gny Andro Sabata, zay manahaky gny nandidiako reo razanao hatao."' m 23 Tsy ninjanjy na nitandry ie reo, fa nanamafy gny hatony mba tsy handrenesany gnahy na hanaiky famaiza. 24 Hiseho zao laha minjanjy gnahy vatany nareo__zao ro fagnambaran'i Yaveh__sady ka manday enta magnagny amin'ireo vavahadin'ny tana amin'ny Andro Sabata fa koa atoakano ho gnan'i Yaveh gny Andro Sabata sady ka manao asa na ino na ino amin'izay, 25 sady reo mpanjaka, andriana, voho reo zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriagnan'i Davida la hagnagny amin'ireo vavahadiy toy tana toy amin'ny kalesy miaraky amin'ny soavaly, rozy voho reo mpitariky gnan-drozy, gny joharin'i Joda voho gny olon'i Jerosalema, sady toy tana toy la hipetraky mandrakizay. 26 Rozy ho bakagny amin'ny tanan'i Joda voho bakamin'ny magnodidy gnan'i Jerosalema, bakamin'ny tanin'i Benjamina voho reo faritsy iva, bakagny amin'ireo tendrombohitsy, sady bakagny Negeva, handay reo fagnatitsy oroa voho reo soro, fagnatitsy voa voho ditin-kazo magnitsy, fagnati-pisaora ao ao tragnon'i Yaveh. 27 Nefa laha tsy minjanjy Gnahy nareo__gny amin'ny fanokana gny Andro Sabata voho gny tsy fitondra enta-mavesatsy sady gny tsy filira amin'ireo vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata__la handrehetako bolo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevo gny mandan'i Jerosalema izay, sady tsy ho vonoe izay."