1
Sady avy tagnamiko gny safan'i Yaveh, nanao hoe:
2
" Ka mangalaky valy ho an'ny vatanao, sady aza miteraky johary na ampela amin'ny vatanao amy toy toera toy.
3
Fa i Yaveh nivola izay tamin'ireo anaky lahy voho anak'ampela zay teraky teto amy toy toera toy, tamin'ireo regny zay nanday gnan-drozy, voho tamin'ireo ray zay nahavy gnan-drozy ho teraky eto agnabony toy tany toy,
4
Ho faty amin'ny aretim-pahafatesa rozy. Tsy hitomania rozy na ho alevy. Ho lasa manahaky gny zeziky amin'ny tany rozy. Fa amin'ny alalan'ny sabatsy voho gny mosary ro hiafaran-drozy, sady gny fatin-drozy la ho lasa sakafo ho an'ireo voron'ny lagnitsy voho reo bibin'ny tany.'
5
Fa avy tagnamiko gny safan'i Yaveh, nanao hoe: " Ka militsy amin'ny tragno zay misy fitomania. Ka mandeha mba hitomagny na hampise fangoraha ho gnan-drozy, fa nalako teo amin'izay vahoaky izay gny fiadagnako, gny fitiavako tsy miova voho gny famindram-poko__izay ro fagnambaran'i Yaveh.
6
Gny johary voho gny kely la samby ho maty eto amy toy tany toy. Tsy ho alevy rozy, sady tsy hisy na raiky aza hitomany an-drozy na hanapaky gny tenan-drozy na hagnaratsy gny lohany ho an-drozy.
7
Ao tsy hisy na ia na ia hizara sakafo amin'ny fisaogna mba hampionona an-drozy noho reo fahafatesa, sady ao tsy hisy hagnome kapoaky fampionogna ho an'ny babany na ho gnan'ny reniny mba hampionona an-drozy.
8
Ao iha tsy ho agny amin'ny tragno fanasa mba hipetraky hiaraky amin-drozy mba hihina na hino.'
9 Fa Yaveh tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely, nanao hoe:' Ingo, eto agnatrehan'ny toera toy , andronareo sady amy toy toera toy, hampitsahatsy gny feon'ny fifalia voho gny feon'ny fisinisinia zaho, gny feon'ny mpampiakatsy voho gny feon'ny ampakary.'
10
Sady iha hitatitsy reo teny iaby reo amin'ireo vahoaky reto amin'izay andro izay, sady hivola agnaminao rozy hoe: ' Nagnino Yaveh ro nandidy toy loza bevata hagnohera antsika toy? Ino ro helokay voho fahotanay zay nanotanay tamin'i Yaveh Ndranagnaharintsika?
11
Ka ambarao rozy hoe:' Fotony nagnenga gnahy reo razambenareo__izay ro fa nambaran'i Yaveh__sady nagnagny amin'ny ndranagnahary hafa rozy sady nanompo voho niankohoky tamin-drozy. La nagnenga Gnahy rozy sady tsy nita gny liliko.
12
Nefa gny vatanareo la fa nanday faharatia maro noho reo razambenareo, ka igno, samby nandeha tamin'ny hamafisan-dohany gny olo kiraidraiky araky gny fo ratiny; tsy misy na raiky aza minjanjy Gnahy.
13
Ka ho alako eto amy toy tany toy ho agny amin'ny tany zay tsy mbo fahainareo na reo razambenareo, sady hanompo reo ndranagnahari-kafa andro aman'aly agny nareo, fa tsy hagnome fankasitraha ho gnanareo Zaho.'
14
Ka noho izay, ingo, avy sady gny andro__izao ro fagnambaran'i Yaveh__lafa tsy ho ambaranao sasy hoe:
15
" Laha mbo velo koa i Yaveh, gny nanday gny vahoakan'Israely bakagny amin'ny tanin'i Egypta.' Fa hoe: ' Laha mbo velo koa i Yaveh, gny nandaisa reo vahoakan'Israely bakagny amin'ny tany avaratsy voho bakagny amin'ireo tany zay fa nampieleza gnazy reo.' Fa ho ampoliko agny amin'ny tany zay nomeko gny razambeny rozy.
16
Ingo! Handefa mpagnarato maro zaho__zao ro fagnambaran'i Yaveh__ka hagnarato reo olo rozy. Afaran'izay la handefa mpihaza maro zaho mba hihaza ho gnan-drozy egny amin'ny tendrombohitsy voho vohitsy iaby, sady egny an-tsefatsefaky gny haram-bato rozy.
17
Fa gny masoko la ho egny amin'ny lalan-drozy iaby; tsy afaky gny hietaky eo agnatrehako rozy. Tsy afaky gny hietaky eo agnatrehan'ny masoko gny helokin-drozy.
18
Hanonitsy abo roe heny gny heloky voho gny fahotan-drozy ho gnan'ny fandotoan-drozy gny taniko tamin'ny sampy vetavetan-drozy aloha Zaho, voho gny famenoan-drozy sampy maharikoriko gny lovako."
19
Yaveh o, Iha ro fiarovako mafy voho fialofako, toera azoko antoky amin'ny androm-pijaleako. Ho agny Agnaminao reo firenena bakagny amin'ny faran'ny tany sady hivola hoe: ' nandova fitaky vatany gny razambenay. Tsisy dikany reo; sady tsy ahita tombontsia ao amin-drozy.
20
Manao ndranagnahary ho gnan'ny vatan-drozy va gny olo? Nefa tsy ndranagnahary rozy.
21
' Noho izay ingo! Ho ampahaiziko gnan-drozy amin'izay fotoa izay, ho ataoko hain-drozy gny tagnako voho gny heriko, ka ho hain-drozy fa Yaveh ro agnarako.