1 La hoy Yaveh tagnamiko hoe: " Na la Mosesy na Samoela aza ro nijoro teo agnatrehako, la tsy mbo hankasitraky toy vahoaky toy Zaho. Roaho hiala eo agnatrehako rozy, mba handehanan-drozy. 2 Sady la hivola agnaminao rozy hoe: 'Aia ro tokony ho andehananay?' La tsy maintsy hivola amin-drozy iha hoe: ' Zao ro safan'i Yaveh: Reo voalahatsy ho maty la ho maty; reo voalahatsy ho an'ny sabatsy la ho maty amin-tsabatsy. Reo volahatsy ho an'ny mosary la misaro la ho matin'ny mosary; sady reo voalahatsy ho amin'ny fahababoa la ho babo'. 3 Fa ho tendreko ho antoko efatsy rozy__izay ro fagnambaran'i Yaveh__gny sabatsy la hamono gny sasany, reo amboa hitariky gny sasany, reo voron'ny lagnitsy voho reo bibidian'ny tany handevo sady hamitiky gny sasany. 4 Ho ataoko raha mampivarahontsa an'ireo fanjakan'ny tany iaby rozy, noho zay raha nataon'i Manase anak'I Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tagny Jerosalema. 5 Fa ia ro hangoraky gnanao, Jerosalema? Ia ro alahelo gnanao? Ia ro himpoly hagnotany mikasiky gny toe-tena gnanao? 6 Nahafot Gnahy iha__izay ro fagnambaran'i Yaveh__fa niala tagnamiko iha. Ka hamely gnanao amin'ny tagnako Zaho sady hamotiky Gnanao. Reraky gny mamindra fo agnaminao Zaho. 7 Ka la ho kororohiko amin'ny fikororoha eo amin'ire vavahadin'ny tany rozy. Hampahory gnan-drozy Zaho. Hamotiky gny vahoakako Zaho fotony tsy hiala amin'ny lalany rozy. 8 Ho ataoko ,maro noho gny fasiky egny amoron-driaky gny mpitondratenan-drozy. Handefa gny mpandrava amin'ny atoandro amin'ireo renin-jatovolahy Zaho. Handatsaky horohoro voho tahotsy tampoky amin-drozy Zaho. 9 Gny regny zay niteraky aja fito la hihasoa. Hiala ay ie. Gny masondroany la hilentina laha mbo andro igny. Ho afa-baraka voho megnatsy ie, fa homeako eo agnatrehan'ireo fahavalony reo zay sisa velo tamin'ny sabatsy__izay ro fagnambaran'i Yaveh." 10 Loza ho gnahy, reniko! Fa niteraky gnahy iha, zaho zay joharin'ny adihevitsy voho fandresen-dahatsy magnera gny tany iaby. Tsy mana ho ampindramy zaho, sady tsy nisy olo nampindra gnahy, nefa manozo gnahy ie iaby. 11 Hoy Yaveh: " Tsy hamonjy gnanao amin'ny soa va Zaho? Ho ataoko mitalaho vonjy amin'ny fotoan'ny loza voho fahoria vatany reo fahavalonao. 12 Mahapotiky vy va gny olo? Indrindra fa gny vy bakagny avaratsy zay miharo varahy? 13 Hameako reo fahavalonao ho babo maimaim-poana gny hanagna voho ana-tsarobidinao. Ho ataoko izay nohon'ny fahota iaby nataonao tao agnatin'ny faritaninao iaby. 14 La ho ataoko manompo reo fahavalonao agny amin'ny tany zay tsy fahaianao iha, fa hirehitsy gny bolo, handrehitsy gny fahatezerako agnaminao." 15 Yaveh, Iha mahay! Tiarovo zaho ka vonjeo. Manaova valifaty ho gnahy amin'ireo zay magnenjiky gnahy. Mahari-pery Iha, nefa ka enga hangalaky gnahy rozy; haizo fa mijaly amin'ny fagnalam-baraka noho Iha zaho. 16 Fa hita reo safanao, sady notsakotsakoko reo. safanao la avy hafalia ho gnahy sady fahafinaretan'ny foko, fa manday gny agnaranao zaho, Yaveh, Ndranagnahary Tompon'ny maro. 17 Tsy nipetraky teo amin'ny faribolan'ireo zay nankalaza na nifaly zaho. Nipetraky regny zaho nohon'ny tagnanao mahery, fotony nofenoinao fahatezera zaho. 18 Nagnino ro mitohy gny fanaintaignako sady tsy misy fagnafany gny ratrako, manda gny ho sitraninao? Ho manahaky gny rano mamitaky agnamiko va Iha, rano zay ritra? 19 Ka zao ro safan'i Yaveh: " Laha mibebaky iha, Jeremia, la ho averiko ndraiky, hijoro eo agnatrehako iha ka hanompo Gnahy. Fa laha manasaraky gny raha adaladala amin'ireo raha sarobidy iha, la ho manahaky gny tsihoviko iha. Hampimpoly agnaminao gny vahoaky, nefa iha la tsy mimpoly amin-drozy. 20 Ho ataoko manahaky gny manda saba tsy azo ilira ho any toy vahoaky toy iha, sady hananga aly aminao rozy. Nefa tsy handresy gnanao rozy, fotony mikasiky gnanao Zaho mba hamonjy voho hagnavotsy gnanao__izay ro fagnambaran'i Yaveh__ 21 fa hamonjy gnanao amin'ny tanan'ny raty fagnahy Zahy sady hagnavotsy gnanao amin'ny tanan'ny mpanao jadona."