Toko faha 14

1 Zao ro safan'i Yaveh zay avy tamin'i Jeremia mikasiky gny hain-tany, 2 "Ao hisaona i Joda, ao hitanondriky gny vavahadiny. Midradradra gny amin'ny tany rozy; miakatsy gny fitarainan-drozy ho an'i Jerosalema. 3 Reo lehibeny magniraky reo mpanompony hila rano. Lafa mandeha agny amin'ny famorian-drano rozy, la tsy mahita rano. Mimpoly fahatany iaby rozy; magnaro gny lohan-drozy gny hegnatsy voho fahafaham-baraky. 4 Noho izay la nitresaky gny tany, fotony tsy misy ora teo amin'ny tany. Reo mpiasa tany la megnatsy sady magnaro gny lohan-drozy. 5 Fa na la gny diera vavy aza magnenga gny anany agny am-baibo sady mandao gnan-drozy, fotony tsy misy vilona. 6 Gny boriky la mijagno agny amin'ny tanihay sady misefosefo amin'ny tsioky manahaky gny amboadia. Jambena gny mason-drozy, fotony tsy misy raha mitiry." 7 Yaveh, na la niampanga gnanay aza gny helokinay, la miasa noho gny amin'ny agnaranao. Fa gny asany tsy am-pinoa la mitombo; fa nanota tagnaminao rahay. 8 Fagnatenan'ny Israely, gny toka zay namonjy gnazy tamin'ny fotoam-pahoria, nagnino Iha ro ho manahaky gny vahiny amin'ny tany, manahaky gny vahiny mpirenireny zay mitsotra ka mandry ndraiky haly avao? 9 Nagnino ro manahaky gny olo tsobo hevitsy Iha, ho manahaky gny mpialy zay tsy afaky mamonjy na ia na ia? Fa Iha la eo agnivonay, Yaveh! Fa nambara teo agnaminay gny agnaranao. Ka mandao gnanay. 10 Zao ro nambaran'i Yaveh amy toy vahoaky toy: " Fotony tea mirenireny rozy, la tsy nitanjaky gny tombony tamin'ny fagnavota izay rozy." Tsy faly amin-drozy Yaveh. Henanizao mahatiaro gny helokin-drozy, sady nagnafay gny fahotany. 11 Hoy Yaveh tagnamiko: " Ka mangataky zay ahasoa toy vahoaky toy. 12 Fa laha mifaly hany rozy, la tsy minjanjy gny fitaraignany Zaho, sady laha manao fagnatitsy oroa voho fagnatitsy ho hany rozy, la tsy hankasitraky reo Zaho. Fa handringa gnan-drozy amin'ny sabatsy, mosary, sady areti-mandringa Zaho." 13 La hoy zaho hoe: " Indrisy, Yaveh Tompo! Ingo! Reo mpaminany manao amin'ny olo hoe: ' Tsy hahita sabatsy nareo; tsy hisy mosary ho gnanareo, fotony hagnome fandriam-pahalema to ho gnanareo amy toy toera toy zaho." 14 La hoy Yaveh tagnamiko: " Reo mpaminany la maminany amim-pitaky amin'ny agnarako. Tsy nagniraky gnan-drozy, na nagnome baiko gnan-drozy, na nisafa tamin-drozy Zaho. Fa fahita vanda voho raha tsisy dikany, faminania tsy to bakamin'ny saim-pantatrin-drozy reo ro haminaniany agnaminareo." 15 Noho izay la zao ro volan'i Yaveh: " Mahakasiky gny mpaminany maminany amin'ny agnarako nefa tsy nirahiko__reo zay mivola fa tsy hisy sabatsy na mosary amy toy tany toy: Reo mpaminany reo la haringa amin'ny sabatsy voho mosary. 16 Sady reo olo zay naminaniany la hatsipy egny amin'ireo lalan'i Jerosalema nohon'ny mosary voho sabatsy, fa tsy hisy na raiky aza handevy an-drozy__rozy, reo valiny, reo anany lahy, na reo anany ampela__fa handrava gny faharatian-drozy eo amin-drozy Zaho. 17 Ambarao amin-drozy zao teny zao:' Ao gny ranomasoko handifotsy gny masoko andro amagn'aly. Ka enga hinjano rozy, fa hisy faharingana bevata ho an'ny anany ampela virinjin'ny oloko__ratra bevata sady tsy azo sitrany. 18 Laha miboaky ho agny am-baibo Zaho, la ndreo reo zay matin'ny sabatsy! Laha avy ao amina tana Zaho, la ndreo gny arety zay vokatry gny mosary. Na gny mpaminany na gny mpisoro la hirenireny eo amin'ny tany iaby, sady tsy hahay rozy."' 19 Fa nanda tanteraky gnan'i Joda va Iha? Halanao va Ziona? Nagnino Iha ro hampahory gnanay lafa tsy misy fanasitragna ho gnanay, nagnantena fiadagna rahay, fa tsy nisy raha vonona__sady ho an'ny fotoa fanasitragna, nefa ingo, horohoro avao ro misy. 20 Magnaiky rahay, Yaveh, reo fandikanay lalagna gny heloh'ireo razambenay, fotony fa nanota tagnaminao rahay. 21 Ka andavanao rahay! Fa noho gny amin'ny agnaranao, la ka mangalaky baraka gny seza fiandriananao be voninahitsy. Tiarovo sady ka magnafoa gny fagnekenao tagnaminay. 22 Moa va misy amin'ireo sampin'ny firenena ro mahavita mampandatsaky ranon'ora gny lagnitsy? Yaveh Ndranagnaharinay, moa va tsy Iha gny toka, ro manao zao? Magnantena gnanao rahay, fotony Iha ro fa nanao zao iaby zao.