Toko faha 13

1 Nivola izao tagnamiko Yaveh hoe: " Mandehana sady mivilia atin'akanjo hasim-bazaha foty ka afehezo eo amin'ny andilanao izay, nefa ka atao agnaty eo rano aloha izay." 2 Ka la nivily atign'akan'jo araky zay nitarihan'i Yaveh gnahy zaho, sady nifeheziko teo amin'ny andilako izay. 3 La avy tagnamiko fagnindroeny gny safan'i Yaveh, nanao hoe: 4 " Rambeso gny atin'akanjo zay baka nivilinao zay eo amin'ny andilanao, mintsangana ka mandehana agny amin'ireo Eofrata. Aetaho ao agnaty haram-bato izay." 5 Ka nandeha zaho sady nagnetaky izay tagny amin'ireo Eofrata araky zay nandilian'i Yaveh gnahy. 6 Afaky andro maromaro, la nivola tagnamiko i Yaveh hoe: " Mitsangana ka mandeha mimpoly agny amin'ireo Eofrata. Alao agny gny atin'akanjo zay nivolagniko haetakinao." 7 Ka nimpoly tagny amin'ireo Eofrata zaho sady nagnaly tao gny naetako gny atin'akanjo. Nefa ingo! Simba gny atin'akanjo; tsy mba soa sasy ie 8 Bakeo la avy tagnamiko gny safan'i Yaveh, nanao hoe: 9 " Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'izay gny fomba hamotehako gny fiavognavogna bevatan'ny Joda voho Jerosalema. 10 Io vahoaky raty zay manda gny hinjanjy gny volako io, zay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon-drozy, zay magnaraky ndragnahary hafa mba hanompo regny voho hiankohoky amy regny__ho manahaky izay atin'akanjo izay rozy zay soa fa tsy misy dikany. 11 Fa manahaky gny atin'akanjo raiky mifikitsy amin'ny taolan-tehezan'olo, la manahaky koa ro fa nanaovako gny avorohotan'Israely voho gny avorohotan'i Joda hifikitsy Agnamiko__izay ro fagnambaran'i Yaveh__mba ho vahoakako, mba handay laza, dera, sady voninahitsy ho Gnahy. Nefa tsy nijanjy gnahy rozy. 12 Ka toko ny hisafa zao teny zao ho gnan-drozy iha hoe: ' Yaveh, gny Ndranagnaharin'Israely la magnambara izao: Gny vatako iaby la ho feno divay.' Hivola agnaminao rozy hoe: ' Moa tsy hainay vatany va fa ho feno divay gny tavoara iaby?' 13 Ka la ambarao rozy hoe:' Hoy Yaveh hoe: Ingo, ho fenoako fahamamoa gny olo iaby any toy tany toy, reo mpanjaka zay mimpetraky eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, reo mpisoro, mpaminany, sady reo olon'i Jerosalema iaby. 14 Sady la ho ampifamotehiko rozy, reo ray sy reo anany miaraky__izay ro fagnambaran'i Yaveh__Tsy hamindra fo amin-drozy Zaho na hana fangoraham-po, sady tsy hagnavotsy gnazy reo amin'ny fahapotehina Zaho. 15 Mijanjigna ka mandrenesa. Ka miavognavo, fa Yaveh ro fa nivola. 16 Manomeza voninahitsy ho gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo mialohan'ny handaisany aizina, sady mialohan'ny hanafintohinany gny tombonareo ao an-tendrombohitsy amin'ny maikiky. Fa magnatena hazava iha, nefa hamadiky gny toera ho maiky mare Ie, ho rahona mainty. 17 Noho izay laha tsy hinjanjy iha, la hitomany regny zaho noho gny fiavognavognanao. Hanganohano voho hikoria ranomaso vatany gny masoko, fotony nobaboina reo aondrin'i Yaveh. 18 Ambarao gny mpanjaka voho gny mpanjakavavy reniny hoe: ' Manetre tena nareo ka mipetraha, fa reo satro-boninahitsy eo amin'ny lohanareo, gny firehareha voho voninahitrareo, la fa nitonta.' 19 Hikato iaby reo tanan'i Negeva, tsy misy raiky hamoha reo. Ho baboina i Joda, ho atao sesitany gny aminy iaby. 20 Asondroto gny masonao ka henteo reo avy bakagny avaratsy. Aia gny andian'aondry zay nomeny gnanao, gny andian'aondry zay tena soa tarehy tagnaminao? 21 Ino ro ho ambaranao lafa apetrakin-Dranagnahary eo agnaminao reo zay fa nampianarinao mba ho namanao? Tsy reo va gny fiantombohan'ireo fanaintaina zay hahazo gnanao manahaky gny ampela miteraky? 22 La mety hivola anakampo iha hoe: " Nagnino ro miseho agnamiko reo raha reo?" La ho amin'ny fahanaroan'ireo fahotanao ro nampandeha reo ziponao sady nanola gnanao. 23 Moa afaky gny hanova gny volon-koliny va gny kosy, na gny leoparda hagnova gny pentiny? Laha izay, la iha vatanao, na la zatsy gny faharatia ka, la afaky manao gny soa. 24 Noho izay la hampiely gnazy regny mnahaky gny akofa zay ravan'ny tsioky gny efitra Zaho. 25 Izay ro nameako gnanao, gny anjara zay fa nodidiko ho gnanao__izay ro fagnambaran'i Yaveh__fotony fa nagnaligno Gnahy iha sady nitoky tamim-pitaky. 26 Noho izay avao koa la Zaho mihitsy ro hangalaky gny ziponao agnaminao, sady hiseho reo faritsy saro-palinao. 27 Fa nahita gny faharatian'ny fivarotan-tenanao tegny amin'ireo havoana voho tegny amin'ireo baibo, sady fa nahita regny raha maharikoriko regny Zaho! Loza ho gnanao, ry Jerosalema! Hafiria izay vao ho malio ndraiky iha?"