1 To iha, Yaveh, isaky gny mifamaly Agnaminao zaho. Tokony hivola Agnaminao vatany gny antony hitaraignako zaho: Nagnino gny lalan'ny raty fagnahy ro mahomby? Gny olo tsy manam-pinoa iaby la mahomby. 2 Nambolenao rozy sady nitiry faka. Tsy miegny mamoa rozy. Marikitsy vavan-drozy Iha, nefa lavitsy gny fon-drozy. 3 Fa Iha, Yaveh, mahay gnahy. Mahita gnahy iha sady magnenty toetry gny foko agnaminao. Andeso manahaky gny aondry ho vinono rozy, sady hatokany ho amin'ny andro famonoa! 4 Zisiky mbia gny tany ro hihamay hatrany, sady gny raha mitiry egny amin'ny baibo iaby halazo noho gny amin'ny faharatian'ireo olo ao aminy? Reo biby voho voro la fa nala. Fa koa, hoy gny vahoaky hoe: " Tsy hain-Dranagnahary zay hanjo antsika." 5 Hoy Yaveh: " Eka vatany, laha iha, Jeremia, fa niara-nilay tamin'ireo miaramila mpandeha tomboky sady nirerahin-drozy iha, nagnino ro hifaninanao amin'ny soavaly? Laha mitonta amin'ny tana azo antoky iha, nagnino ro ataonao agny amin'ny kirihitr'ala egny amoron'i Jordana? 6 Fa na la reo rahalahinao voho reo fianakavian'ny babanao aza la fa namadiky gnanao sady fa niampanga mafy gnanao. Ka matoky gnan-drozy, na la mivola raha mahafinaritsy agnaminao aza rozy. 7 Fa niala gny tragnoko zaho, fa nahafoy gny lovako. Nagnome reo vahoaky mamako teo an-tagnan'ireo fahavalony Zaho. 8 Fa roso manahaky gny liona agny agnaty kirihitr'ala ho gnahy gny lovako; mametraky gny vatany hanohitsy gnahy tamin'ny feony ie, ka halako ie. 9 Tsy manahaky gny voro mpihaza va gny loka fanagnako, ro hanohitsy gnan-drozy voro mpihaza hafa iaby magnodidy? Mandehana sady vorio gny biby iaby sady andeso handrapaky gnan-drozy . 10 Mpiamby aondry maro ro fa nanimba gny tanim-boalobokiko. Fa nihitsakitsahiny gny anjara taniko iaby; nataony tany efitsy voho lao gny anjara taniko mahafinaritsy. 11 Nataon-drozy lao ie. Malahelo gnazy zaho; lao ie. Gny tany iaby la lasa lao iaby, fotony tsy nisy na raiky aza nandramby izay am-po. 12 Reo mpandrava la avy hanohitsy reo toera tsisy raha iaby tagny agn'efitsy , fa gny sabatr'i Yaveh la mandrava bakamin'ny faran'ny zisiky amin'ny raiky hafa. Tsy misy fiadagna ao amin'ny tanin'ny raha-managn'ay iaby. 13 Namafy vary rozy nefa fatiky ro vokatsy. Vozaky amin'ny asa rozy nefa tsy nahazo na ino na ino. Koa metea ho megnatsy gny amin'ny vokatsinareo nohon'ny fahatezeran'i Yaveh." 14 Zao ro ambaran'i Yaveh tamin'ny mpiray tana agnamiko iaby, gny raty fagnahy zay nandroba gny fanagna zay nataoko ho lovain'ny Israely vahoakiko, "Ingo, Zaho gny toka zay hanombotsy gnan-drozy eo amin'ny taniny, sady hombotako tsy ho eo amin-drozy gny tragnon'i Joda. 15 Afaran'izay la ho fongorako reo firenena reo, sady hamindra fo amin-rozy zaho sady handay gnan-drozy himpoly; hampimpoly gnan-drozy zaho__ gny olo kiraidraiky samby amin'ny lovany voho amin'ny taniny. 16 Laha mianatsy soa gny fomban'ny oloko reo firenena reo, ka mifanta amin'ny agnarako' Laha velo koa Yaveh' manahaky gny fa nampianaran-drozy gny oloko mba hifanta amin'i Bala, la haorina eo agnivon'ny oloko rozy. 17 Fa laha misy tsy minjanjy la ho fongoriko izay firenena izay. la ho fongoriko izay firenena izay. Izay la ho fongory vatany sady horava__izay ro fagnambaran'i Yaveh."