Toko faha 11

1 Zao ro teny avy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh, manao hoe: 2 " Njanjigno reo safany toy fifanekena toy, sady ambarao amin'ny olo kiraidraiky ao Joda voho reo olon'i Jerosalema izay. 3 Mivolagna amin-drozy hoe: ' Yaveh, Ndranagnaharin'i Israely ro miteny zao: voaozo zay tsy minjanjy reo safany toy fanekena toy. 4 Toy ro fanekena zay nandidiako hotandreman'ireo razambenareo tamign'andro nandaisako gnan-drozy hiboaky gny tany Egypta, amin'ny laforo bevata fandrendreha vy. La nivola zaho hoe: " Njanjigno gny feoko sady tanteraho reo raha iaby arak'izay nandidiako anareo, fa ho oloko nareo sady Zaho ho Ndranagnaharinareo." 5 Mankatoaka Gnahy mba ahafahako manamafy gny fiaigna zay niaignako tamin'ireo razambenareo, gny fiaigna fa hagnome gnan-drozy tany mamokatsy ronono voho tantely Zaho, zay hipetrahanareo henanizao." Sady zaho, Jeremia, namaly ka nivola hoe: " Eka, Yaveh!". 6 La nivola tagnamiko Yaveh hoe: " Ambarao agny amin'ireo tanin'i Joda voho egny amin'ny lalan'i Jerosalema reo raha iaby reo. Ambarao hoe: ' Njanjigno reo safan'izao fanekena zao sady tanteraho reo. 7 Fa nagnome lily manetriketriky ho an'ireo razambenareo zaho nanomboky tamin'ny andro nagnandesako gnazy amin'ny tany Egypta ka zisiky henanizao, nampitandry gnan-drozy amim-pikiriza ka nanao hoe: " Njanjigno gny feoko."' 8 Fa tsy ninjanjy na nandiniky gnahy akory rozy. Samby nandeha araky gny hamafisan'ny fo ratiny gny olo kiraidraiky. Ka nanday reo voaozo tao amin'ny fanekena zay nandidiako zaho mba ho avy hanohitsy gnan-drozy. Fa mbo tsy nankato avao gny vahoaky." 9 La nivola tagnamiko Yaveh hoe: " Nahita teti-draty teo amin'ireo olon'i Joda voho reo olon'i Jerosalema. 10 Nimpoly tamin'ireo helok'ireo razany taloha rozy, zay nanda hinjanjy gny safako, fa naleon-drozy koa magnaraky reo ndragnahary hafa mba hanompo gnan-drozy. Nivaliky tamin'ny fifanekena zay napetrako niaraky tamin'ny razan-drozy gny avorohotan'i Joda voho gny avorohotan'i Jerosalema. 11 Noho izay la zao ro safan'i Yaveh: " Ingo, handay loza ho amin-drozy Zaho, loza zay tsy ahafahan-drozy madositsy. 12 La hikaiky Gnahy rozy, fa tsy hinjanjy gnan-drozy Zaho. Handeha voho hikaiky reo ndranagnahary zay nameandrozy fagnatitsy gny tanan'i Joda voho gny olon'i Jerosalema, nefa azo antoky fa tsy hahavonjy gnan-drozy amin'ny andron'ny loza rozy. 13 Ho anao Joda, la nitombo ho manahaky gny isan'ireo tananao gny isan'ireo ndranagnahary. Iha ro nanao gny isan'ireo alitara mahamegnatsy tao Jerosalema, alitaran'ny ditin-kazo magnitsy ho an'i Bala, hitovy isa amin'ireo lalany. 14 Ka iha, Jeremia, ka mivavaky ho any toy vahoaky toy. Ka midradradra na mivavaky amin'ny agnaran-drozy. Sady tsy hinjanjy gnan-drozy zaho lafa mikaiky gnahy agnatin'ny lozany rozy. 15 Nagnino gny malalako, gny raiky zay nana fikasa raty maro be, ro ao an-tragnoko? Tsy afaky magnampy gnanao gny henan'ireo fagnatitsao. Mifaly iha noho reo asa ratinao. 16 Hazo oliva miravy ro nikaihan'i Yaveh gnanao taloha, soa tarehy miaraky amin'ny voany maha-tehagnenty. Fa handrehitsy bolo eo amin'izay ie zay ahoraky manahaky gny fiheron'ny hotroky; ho tapaky reo rantsany. 17 Fa Yaveh Tompon'ny maro, zay namboly gnanao, nandidy loza tagnaminao noho reo asa raty zay nataon'ny avorohotan'Israely voho gny avorohotan'i Joda__Nahatekitsy gnahy rozy tamin'ny nanomeza reo fagnatitsy ho an'i Bala."' 18 Nampahaizin'i Yaveh gnahy izay raha izay, ka haiko reo. Iha, Yaveh, nampahita gnahy reo asan-drozy. La manahaky gny anak'aondry malemy fagnahy 19 zay nandesy egny amin'ny mpivarotsy hena zaho. Tsy nahay zaho fa namoro fikasa raty hanohitsy gnahy rozy hoe: " Andeha haravantsika gny hazo voho gny voany! Ndao ho tapahintsika hiala amin'ny tany amin'ny fipetrahany ie ka tsy ho tiaro sasy gny agnarany." 20 Fa yaveh Tompon'ny maro ro mpitsara to Zay mandiniky gny fo voho say. Ho vavolombelon'ny famalianao hanohitsy gnan-drozy zaho, fa nampiseho gny mikasiky gnahy tagnaminao zako. 21 Noho izay Yaveh la nivola zao mahakasiky gny vahoakan'i Anotota zay mifofo gny ainao: " Hoy rozy: ' Ka maminany amin'ny agnaran'i Yaveh iha, fa mandrary ho maty amin'ny alalan'ny tagnanay. 22 ' La hoy Yaveh Tompon'ny maro: ' Ingo, fa hagnafay gnan-drozy zaho. Reo tovolahy maherin-drozy la ho matin'ny sabatsy. Reo anaky lahiny voho anak'ampelan-drozy la ho matin'ny mosary. 23 Tsy hisy na raiky aza ho tavela amin-drozy, fotony handay loza hanohitsy gny vahoakan'i Anatota zaho, tao raiky ho an'ny famaiza gnan-drozy.