1 " Njanjigno gny teny zay ambaran'i Yaveh anareo, ankohonan'Israely. 2 Zao ro ambaran'i Yaveh: " Ka mianatsy gny lalan'ireo firenena reo, sady ka raiki-tahotsy gny amin'ireo famantara egny amin'ny lagnitsy, fa reo firenena la raiki-tahotsy noho reo. 3 Fa gny fomba fanao ara-pivavahan'ireo olo reo la tsy misy dikany. Nanapaky hazo tany an'ala rozy, sady gny mpanao asa-tagna misokitsy gny hazo. 4 Bakeo la haingon-drozy amin'ny volafoty voho volamena izay. Hamafisiny amin'ny tantara voho fantsiky mba tsy hintonta izay. 5 Gny amboarin'ny tanan-drozy reo la raha manahaky reo kaly mampatahotsy egny an-tsahan-kaokaombira, fotony reo koa, la tsy maintsy lanjain-drozy fotony tsy afaky mandeha. Ka matahotsy reo, fa tsy afaky manday raty, na koa raha soa reo. 6 Tsy misy olo manahaky Gnanao, Yaveh. Bevata Iha, sady bevata amin'ny hery gny agnaranao. 7 Ia ro tsy matahotsy Gnanao, Mpanjakan'ireo firenena? Fa izay manahaky Gnanao eo amin'ireo johary hendry iabin'ireo firenena na reo fa jakan'ny mpanjaka iaby. 8 Mitovy iaby rozy, ketrima voho adala rozt, mpianatr'ireo sampy zay tsinotsino fa hazo. 9 Rozy la manday tantana volafoty bakagny Tarsisy, voho volamena bakagny Ofaza nataon'ireo mpanao asa-tagna, la gny tagnan'ireo mpandrendriky. Gny ankanjon-drozy la lamba manga voho voloporasy. Reo johary mahain-drozy ro nanao reo raha iaby reo raha iaby reo. 10 Nefa Yaveh ro Ndranagnaha to. Ndranagnahary velo voho mpanjaka mandrakizay Rozy. Mihorohoro amin'ny fahatezarany gny tany, sady tsy afaky miaritsy gny fahatezera reo firenena. 11 Hivola amin-drozy manahaky zao iha." Reo ndragnahary zay tsy nanao gny lagnitsy voho gny tany la ho faty amin'ny tany voho gny amban'io lagnitsy io." 12 Fa Ie ro nanao gny tany tamin'ny alalan'ny heriny, voho nametraky zao iaby zao tamin'ny fahendreny, sady tamin'ny alalan'ny fahazavan-tsainy ro namelarany gny lagnitsy. 13 Gny feony ro mampiraodrao gny rano egny amin'ny, sady Ie ro mampiakatsy reo zavo aby agny amin'ny faran'ny tany. Manao gny helatsy ho an'ny ora Rozy sady mandefa gny tsioky bakamin'ny tragno fitehirizany. 14 Lasa tsy ampy fahalala gny olo iaby, tsy misy fahalala. Nalan'ireo sampiny baraka reo mpiasa vy iaby. Fa fitaky reo sarin-jaha voasokitsy; tsy misy fianana ao amin'ireo mpaneso. 15 Tsy ila gnan-dreo, asan'ireo ho foana reo amin'ny fotoanan'ny famaiza. 16 Nefa Ndragnahary, gny ampahan'i Jakoba, la tsy manahaky regny, fa rozy ro mpamolavola gny raha iaby. Israely la fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro ro Agnarany. 17 Avory gny fanagnareo sady miala amin'ny tany, nareo olo mitoetra ambanin'ny fahirano. 18 Fa zao ro ambaran'i Yaveh: " Ingo, fa handroaky reo mpanin'ny tany Zaho amin'izao fotoa zao. Hahavavy fijalea amin-drozy Zaho, sady ho itan-drozy reo vatany izay." 19 Loza ho gnahy! Noho reo taolako tapaky, la manohitsy gny feriko. Ka hoy zaho:" Fijalea vatany zao nefa tsy maintsy zakaiko." 20 Rava gny laiko, sady reo talin'ny laiko iaby la nizara roe . Fa nangalaky reo anako tagnamiko rozy, ka tsy nisy sasy rozy. Tsy misy olo hamelatsy gny laiko na hananga gny lamban-daiko sasy. 21 Fa adala reo mpiandry aondry sady tsy mitady gnan'i Yaveh rozy; koa tsy nambininy an-drozy gny aondrin-drozy iaby la niparitaky. 22 Fa avy gny tatitsy gny vaovao. "Ingo, tonga, tonga avy agny avaratsy gny horohoron-tany bevata. Mba hamotiky reo tanan'i Joda, fiafena ho an'ny ambodia." 23 Haiko, Yaveh, fa gny lalagnan'ny olo raiky la tsy bakamin'ny. Tsy misy olo mandeha mahity amin'ny famindrany. 24 Ampianaro, amin'ny fahamarignanao zaho, Yaveh, fa tsy amin'ny fahatezeranao ka hamotiky gnahy Iha. 25 Arotsaho eo amin'ireo firenena zay tsy mahay Gnanao voho reo fianakavia zay tsy mikaiky gny Agnaranao gny fahatezeranao. Fa nandrapaky gnan'iJakoba voho nitely gnazy mba handrava gnazy tanteraky voho handrava gny fipetrahany rozy.