1 Laha mba afaky mamokatsy rano mantsy gny lokako, sady gny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa magniry gny hitomany gna'andro aman'aly zaho ho an'ireo anak'ampelan'ny oloko zay nivinono. 2 Laha mba misy olo afaky magnome gny toera ho an'ireo mpivahiny ho gnahy hipetraha agny agn'efitsy mantsy, zay ahafahako mandaogny oloko. Laha mba afaky mandao gnan-drozy mantsy zaho, fotony rozy iaby la mpinjanganjanga voho andiana mpamadiky! 3 Yaveh la nagnambara hoe: " Magnenja gny tsipikam-bandiny amin'ny lelany rozy, nefa tsy nohon'ny fahatokian-drozy ro mampatanjaky gnazy amin'ny tany. Nialy tamin'ny asa raty raiky rozy la militsy amin'ny raiky hafa. Tsy mahay Gnahy rozy." 4 Nareo kiraindrayaby, mitandrema amin'ny namanareo sady ka matoky reo rahalahy. Fa gny rahalahy iaby la mpamitaky vatany, sady gny nama iaby la mandeha amin'ny fagnendrekendreha. 5 Gny p;pkiraidraiky la maniratsiragny namany sady tsy mivola gny to. Gny lelan-drozy la mampagnanatsy raha fitaky. Reraky amin'ny fanaovan-draty rozy. 6 Gny fonenanareo la eo agnivon'ny fitaky; tao agnatin'ny famitahan-drozyla manda gny hanaiky Gnahy rozy__izay ro fagnambaran'i Yaveh." 7 Yaveh Tompon'ny maro mivola hoe: " Ingo, zaho fa hagnenty voho hitsapa gnan-drozy, fa ino avao koa ro afaky, nohon'ny amin'izay nataon'ny oloko? 8 Gny lelan-drozy la ana-tsipikymaragnitsy; miresaky raha tsy mahatoky rozy. Amin'ny tsihoviny ro mahatoky rozy. Amin'ny tsiroviny ro hagnambarany fiada amin'ireo namany, fa amin'ny fony ro hanaovany otrika ho gnan-drozy hanasazy an-drozy va Zaho noho gny amin'ireo raha reo__fagnambaran'i Yaveh izay__sady tsy tokony hamaly faty amin'izay firenena manahaky zao va gny vatako? 10 Hihira hira fisaora voho fiandradradra ho an'ireo tendrombohitsy Zaho, sady gny hiram-pandevegna la hiray eo amin'ireo tanin'ahitsy. Fa noroan-drozy ka tsy misy afaky mandalo amin'izay. Tsy hahare feon'ny biby fihare sasy rozy. Reo voron'ny lagnitsy voho reo biby la handositsy iaby. 11 Koa la hataoko ho antonta -paharava Jerosalema, voho fieren'ireo ambodia. Reo tanan'i Joda la hataoko toera rava tsy misy olo." 12 Ia ro olon-kendry mahatakatsy an'izay? Ho an'ia ron niresahan'ny tsihovin'i Yaveh, ka hagnambara izay ie? Fa ino ro nahasimba gny tany voho nandrava gnazy manahaky gny efitsy zay tsy ahafahan'ia n'ia mandalo? 13 Hoy Yaveh hoe: " Fotony rozy nahafoy gny lalako zay napetrako teo agnatrehany, fotony tsy ninjanjy gny feoko na nandeha tamin'izay rozy. 14 Fotony rozy la nandeha tamin'ny ditran'ny fony voho nagnaraky reo Bala manahaky zay nampianarin'ireo razambeny gnan-drozy hatao. 15 Noho izay Yaveh Tompon'ny maro, gny Ndranagnaharin'ny Israely,mivola hoe: ' Ingo, hampihinaniko hazo mangily voho hampisotroiko rano misy poizy toy vahoaky toy. 16 Sady haeliko manera reo firenena zay tsy mbo hain-drozy, na rozy reo na gny razamben-drozy. Handefa sabatsy hamely gnan-drozy Zaho mandra-paharava gnan-drozy reo tanteraky."' 17 Yaveh Tompon'ny maro nivola hoe: " Hevero zao: Mikaiha mpihiram-pandevegna; ao rozy ho avy. Mampiantsoa ampela manam-pahaiza amin'ny fitomania; ap rozy ho avy. 18 Ao rozy ho avy malaky ka hihira hira fisaora etoamintsika, ka ho feno ranomasy anie gny masontsika sady ho tobakin-ny rano gny holi-masontsika. 19 Fa gny feon'ny fidradradra la nja agny Ziona, 'Endrey gny faharavantsika. Megnatsy tanteraky tsika, fotony nandao gny tany tsika hatramin'ny nandravany gny tragnontsika.' 20 Ka nareo ampela, njanjigno gny safan'i Yaveh; tandremo reo hafany zay bakamin'ny tsihoviny. Ka ampianaro hira fisaora gny anakareo ampela, sady hira fandevena gny ampela namanareo kiraidraiky aby. 21 Fa gny fahafatesa la avy bakeo amin'ny varavarankelintsika; nilitsy ao amin'ireo lapantsika izay. Mandringa reo aja aby agny ambohony izay, voho reo tovolahy egny an-kianjan'ny tana. 22 Ambarao zao," Izay ro fagnambaran'i Yaveh__gny fatin'ireo johary la hiraraky manahaky gny zeziky egny am-baibo, sady ho manahaky gny amboaram-bary ao afaran'ireo mpinjinja, sady tsy hisy olo hamory an'izay."' 23 Zao ro safan'i Yaveh: " Ao gny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, na gny johary mpialy amin'ny heriny. Ao gny mpanakanagna tsy hirehareha amin'ny hanagnany. 24 Fa laha misy olo mirehareha amin-jaha, la engao amin'izao izay, fa mahay Gnahy voho gny ao agnatiko rozy. Fa Zaho ro Yaveh, zay miasa amin'ny fagneke tsy mivaliky, gny rariny eo an-tany. Fa amin'izay ro ahazoako fafinareta__izay ro fagnambaran'i Yaveh." 25 " Ingo,avy reo andro__izay fagnambaran'i ro Yaveh__lafa hagnasazy reo iaby voafora amin'ny nofony avao Zaho. 26 Hanafay gnan'i Egypta voho Joda, Edoma, gny vahoakan'ny Amona, Moaba, sady gny olo iaby zay manapaky gny volon-dohany ho tena borobory Zaho. Fa reo firenena iaby reo la tsy voafora, sady gny ankohonan'Israely iaby la mana fo tsy voafora."