1 " Amin'izay fotoa izay__zao ro fagnambaran'i Yaveh__ho andesin-drozy hiboaky reo lolo gny taolan'ireo mpanjakan'i Joda voho reo manam-pahefany,reo taolan'ireo mpisoro voho reo mpaminany, sady reo taolan'ireo mponin'i Jerosalema. 2 Sady ho aparitakin-drozy eo amin'ny fahazavan'ny masoandro voho gny vola sady reo kintana iaby egny amin'ny lagnitsy reo; reo raha egny amin'ny lagnitsy zay narahin-drozy voho nofotopotorin-drozy,sady niankohofan-drozy. Tsy havory reo taola sady tsy halevy sasy. Ho manahaky gny zeziky egny amin'ny velaran-tany rozy. 3 Egny amin'ny toera iaby sisa tavela zay nitondrako gnan-drozy, lahifily gny fahafatesa rozy fa tsy gny miay, gny iaby mbo velo amy toy firenena raty toy__izay ro fagnambaran'i Yaveh tompon'ny maro. 4 Koa anambarao rozy hoe: ' Zao ro ambaran'i Yaveh: Nisy nianjera va tsy niary? Nisy olo va ka tsy nanandra gny himpoly? 5 Fa nagnino toy vahoaky toy, ry Jerosalema, ro nivily maharitsy tamin'ny tsy fanagnam-pinoa? Mifikitsy amin'ny fitaky rozy sady manda gny hibebaky. 6 Nitandry soa Zaho sady ninjanjy, fa tsy nivola to rozy; tsy nisy niala tsiny tamin'ny haratiany, tsy nisy na raiky aza mivola hoe: " Ino ro nataoko?" Nandeha tagny amin'izay niriany aby rozy lafa, manahaky gny soavaly lahy milay amin'ny aly. 7 Na gny vano egny amin'ny lagnitsy aza mahay gny fotoa mety; voho reo domoina, sidintsidina, sady gny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny rozy amin'ny fotoa mety, fa gny oloko la tsy mahalala gny lilin'i Yaveh. 8 Nagnino ro hivolagnanareo hoe: " Hendry tsika, fa gny lalan'i Yaveh la mikasiky antsika?" Egny tokoa, ingo! Gny ponena mpamitakin'ny mpanora-dalana la fa namoro fitaky. 9 Gny johary hendryla ho afa-baraka. Raiki-tahotsy rozy sady voafandriky. Ingo! Nanda gny safan'i Yaveh rozy, ka atao ino gny fahendren-drozy? 10 Ka hagnome gny valin-drozy ho an'ny hafa Zaho, sady reo tanimbolin-drozy ho an'izay mana reo ho fanagna fotony manomboky amin'ny kelikely mare ka hatramin'ny bevata mare, rozy iaby la tea drala azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisoro, rozy iaby la manao fitaky. 11 Nagnasitra gny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny rozy, nivola hoe: " Fiadagna, fiadagna," tamin'ny tsy nisy fiadagna tao. Megnatsy va rozy lafa nanao reo fahavetaveta? 12 Tsy megnatsy rozy; tsy hain-drozy zay hoe mivoara-mena! Ka hitonta eo amin'ireo lavo rozy; ho andesy mitily rozy lafa voasazy, hoy Yaveh. 13 Hangalaky an-drozy tanteraky Zaho__izay ro fagnambaran'i Yaveh__tsy hisy voaloboky amin'ny hazom-boaloboky, na amin'ny hazon'aviavy aza la tsy hisy aviavy. Sady halazo gny ravy, sady zay nameako gnan-drozy la ho velo. 14 Nagnino tsika ro mipetraky eto? Andeha hiaraky; handeha tsika ho agny amin'ireo tana voaaro mafy, sady hanjary hangina amin'ny fahafatesa agny tsika. Fa hampangina antsika i Yaveh Ndranagnaharintsika. Hampisotsy rano misy poizina antsika Ie, fotony fa nanota Taminy tsika. 15 Magnatena fiadana tsika, nefa tsy hisy raha soa. Magnantena fotoam-panasitrana tsika, nefa ingo hisy horohoro. 16 Re bakagny Dana gny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozo gny tany iaby noho gny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaky. Fa ho avy reo sady hamotiky gny tany voho gny hareny, gny tana voho reo zay mipetraky ao. 17 Fa ingo, handefa bibilava aminareo Zaho la vipera zay tsy ho azonareo tambatambaza. Hanaikitsy anareo reo__izay ro fagnambaran'i Yaveh."' 18 Tsy manam-pahatapera gny alaheloko, sady marary gny foko. 19 Ingo! Gny feo mihiakan'ny anakampelan'ny vahoakako bakagny an-tany lavitsy! Tsy ao Ziona va Yaveh? Na tsy ao va gny mpanjakany? Nagnino izay rozy ro magnafintohina gnahy amin'ireo endrik'asa voasokiny voho reo sampy vahiny tsy dikany? 20 Fa nandalo gny fotoam-pinjinja, tapitsy gny fahavaratsy. Nefa tsy voavonjy tsika. 21 Naratsy zahonohon'ny ratran'ny anak'ampelan'ny vahoakako. Malahelogny amin'ireo raha mahatsiravina zay nahazo gnazy zaho;raikitsy tahotsy zako. 22 Tsy misy fagnafody va ao Gileada? Tsy misy mpagnasitra va ao? Nagnino ro tsy hitranga gny fagnasitrana gny vahoakako?