Toko faha 7

1 Zao gny teny zay avy tamin'i Jeremia bakamin'i Yaveh: 2 " Mijoro eo am-bavahadin'ny tragnon'i Yaveh sady ambarao toy teny toy! Ambarao hoe: " Henoy gny tenin'i Yaveh, nareo ry Joda iaby, nareo zay militsy ao amin'ireo vavahady reo mba hanompo an'i Yaveh. 3 Yaveh tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely, la nivola hoe: amboaro gny lalanareo sady manaova gny soa, la hanohy gny hiaina ao amy toy toera toy Zaho. 4 Ka matoky amin'ireo teny mamitaky manao hoe: " Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!" 5 Fa laha magnamboatsy gny lalanareo vatany nareo sady manao gny soa; laha tena manantanteraky feno gny rariny eo amin'ny olo voho gny mpiara-belo amin'ny vatany nareo__ 6 laha tsy magnararaotsy gny mijano eo amin'ny tany, reo kamboty, na reo mpitondratena nareo sady aza mandatsaky lion'olo tsy manan-tsiny eo amin'izay toera izay, sady ka magnaraky reo ndranagnahary hafa ampahory gny vatanareo avao__ 7 la hagnenga anareo hipetraky eo amy toy toera toy Zaho, agny amin'ny tany zay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny sady ho mandrakizay. 8 Ingonareo la matoky reo teny fitaky zay tsy magnampy anareo. 9 Moa va nareo mangalatsy, mamono, voho minjangajnanga? Mifanta amin'ny fitaky va nareo sady manolotsy ditin-kazo magnitsy ho an'i Bala sady magnaraky reo ndragnahary hafa zay tsy mbo hainareo? 10 La avy hijoro eo agnatrehako ato any toy tragno toy zay nikaihy amin'ny agnarako va nareo sady hivola hoe: " Avitsy rahay," mba ahafahanareo manao reo fahavetaveta iaby reo? 11 Moa va toy tragno toy, zay manday gny agnarako, zohin-jiolahy eo imasonareo? Nefa ingo, fa hitako izay__izay ro fagnambaran'i Yaveh'. 12 Ka mandehana agny amin'ny fitoerako zay agny Silo, zay nagnengako gny agnarako hitoetra tany am-piandoha, sady henteo gny nanaovako gnazy nohon'ny faharatian'ny vahoakan'Israely. 13 Ka henanizao, nohon'ny fanaovanareo reo fanaonareo iaby__zao ro fagnambaran'i Yaveh__nivola taminareo ombieny ombieny Zaho, nefa tsy ninjanjy nareo. Nampikaiky anareo Zaho, nefa tsy namaly nareo. 14 Noho izay, zay nataoko tamin'i Silo, la ho ataoko amy toy tragno zay nikaiky amin'ny agnarako toy, gny tragno zay nitokianareo, toy toera zay nomeako anareo voho gny razanareo toy. 15 Fa handroaky anareo tsy ho eto agnatrehako Zaho manahaky gny fa nandroahako reo rahalahinareo iaby, reo manahak'i Efraima iaby.' 16 Laha gny agnaminao, ry Jeremia, ka mivavaky ho any toy vahoaky toy, sady ka manondrotsy gny fidradradra fitomania na manono vavaky amin'ny agnaran-drozy, ka mangataky agnamiko, fa tsy hinjanjy gnanao zaho. 17 Moa va tsy hitanao gny ataon-drozy ao amin'ireo tanan'i Joda voho egny amin'ireo lalan'i Jerosalema? 18 Mamory hazo reo aja sady reo ray mandrehitsy bolo! Reo ampela mondisa koba hanaova mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lagnitsy voho mandraraky fagnatitsy inomy ho an'ireo ndragnahary hafa mba hiantsian-drozy Gnahy. 19 Tena mihantsy Gnahy tokoa va rozy?__zao gny fagnambaran'i Yaveh__moa va tsy gny vatan-drozy reo avao ro hihantsian-drozy, ka ao amin-drozy avao izay fahamenara izay? 20 Noho izay la zao ro volagnin'ny TompoYaveh" ' Ingo, gny fahatezerako voho gny fahavinirako la ho avy amy toy toera toy, amin'ny olo voho gny bibidia, amin'ny hazo egny amin'ireo baibo voho gny voa eo amin'ny tany. Hirehitsy izay sady tsy ho faty mihintsy.' 21 Zao ro ambaran'i Yaveh tompon'ny maro, Ndranagnaharin'Israely: ' Hatovano amin'ireo soronareo voho gny hena bakamin'ireo fagnatitsy oroanareo. 22 Fa lafa nanday gny razanareo hiala bakao amin'ny tany Egypta Zaho, la tsy nitaky na ino na ino tamin-drozy. Tsy nagnome lily gnan-drozy mikasiky gny raharahan'ny fagnatitsy oroa voho gny soro Zaho. 23 Zao lily zao avao ro nomeko gnan-drozy: " Njanjigno gny feoko, la ho Ndranagnaharinareo Zaho sady nareo ho oloko. Ka mandeha amin'ny lalagna iaby zay nandidiako anareo, mba hahitanareo soa." 24 Kanefa tsy ninjanjy rozy sady tsy nitandry. Niay tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon-drozy avao rozy, ka nihemotsy, fa tsy nandroso. 25 Hatramin'ny andro niboahan'ny razanareo bakao amin'ny tany Egypta ka hatramin'izao andro zao, la fa nandefa gny kiraidraiky tamin'ireo mpanompoko, reo mpaminaniko, tany agnaminareo Zaho. Nikiry tamin'ny fandefasa gnan-drozy Zaho. 26 Nefa tsy ninjanjy Gnahy rozy. Tsy niraharaha rozy. Fa koa, nagnamafy hatoky rozy. Raty fagnahy mihoatsy noho gny razambeny rozy.' 27 Ka ambarao amin-drozy reo teny iaby reo, fa tsy hinjanjy gnanao rozy. Ambarao amin-drozy izay raha iaby izay, fa tsy hamaly gnanao rozy. 28 Ambarao an-drozy fa toy ro firenena tsy minjanjy gny feon'i Yaveh Ndragnahary sady tsy manday fagnanara. Rava gny fahamarina sady niala tamin'ny tsihovin-drozy. 29 Tapaho gny volonao la arato gny vatanao, sady ario gny volonao. Mihira hira fisaora egny ankalamanjana. Fa Yaveh la fa nanda voho nahafoy toy avorohota toy tamin'ny fahatezerany. 30 Fa nanao raty teo imasoko gny anak'i Joda__izay ro fagnambaran'i Yaveh__nandefa gny raha-maharikorikon-drozy reo tao amin'ny tragno zay kaihy amin'ny agnarako rozy, mba handoto izay. 31 Bakeo la nagnory gny toera abon'ny Tofeta zay agny amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema rozy. Nanao izay rozy handoroa reo anaky lahy voho anak'ampelan-drozy amin'ny bolo__raha zay tsy nandidiko, na nilitsy tao amin'ny saiko akory. 32 Koa ingo, ho avy reo andro__izay ro fagnambaran'i Yaveh__lafa tsy ho kaihy ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hanema sasy izay. Ho lohasahan'ny famonoa izay; handevy gny faty ao Tofeta rozy zisiky tsy misy polasy sasy. 33 Gny fatiny toy vahoaky toy la ho sakafoan'ny voron'ny lagnitsy voho ho an'ireo biin'ny tany, sady tsy misy na ia na ia hampatahotsy gnan-drozy sasy. 34 Ho faranako reo tanan'i Joda voho reo lalan'i Jerosalema, gny feon'ny fifalia voho gny feo gny fisinisinia, gny feon'ny mpampakatsy voho gny feon'ny ampakary, fa ho lao gny tany."