Toko faha 6

1 Mahita filamina, ry vahoakan'i Benjamina amin'ny fiala gnan'i Jerosalema. Tsofo ao Tekoa gny trompetra. Mampiakara famantara manera gnan'i Beti-hakerema,fotony misy faharatia miseho bakagny avaratsy; misy fanorotoroa bevata ho avy. 2 Gny anak'ampelan'i Ziona, gny ampela soa voho malefaky, la ho potiky. 3 Reo mpiamby aondry voho gny aondry aman'aosy reo la handeha ho agny amin-drozy; hametraky lay gny magnodidy gnazy iaby rozy; gny johary kiraidraiky avy la hiamby amin'ny tanany manoka. 4 Manolora tena amin'ireo ndranagnahary ho amin'ny aly. Mitsangana, handeha tsika hanafiky amin'ny mitatao vovonana. Raty mare laha toa ka tolaky gny andro, laha toa ka milatsaky gny aloky gny hariva. 5 Fa ao tsika hanafiky amin'ny haliky sady handrava reo fiarovany mahery." 6 Fa Yaveh tompon'ny maro la mivola anizao: Tapaho reo hazony, sady magnamboara tovon-tany hanohera an'i Jerosalema. Io ro tana soa tafihy,fotony feno fampijalea ao. 7 Manahaky gny loharano mampiboiboiky rano, la manohy mamokatsy faharatia io tana io. Herisetra vohokoronta ro re ao aminy; arety voho ratra mandrakizay ro eo agnatrehan'ny vatako. 8 Hekeo gny fitsipiky,ry Jerosalema, laha tsy izay la hivaliky agnaminareo Zaho sady handrava anareo, ho tany tsy misy olo."' 9 Yaveh tompon'ny maro la mivola anizao: " Azo antoky fa hitimpo reo zay tavela ao Israela manahaky gny tanim-boaloboky rozy. Amparo ndraiky gny tagnanao mba hioty reo voaloboky egny amin'ny hazom-boaloboky. 10 Amin'ia ro tokony hagnambarako voho hampitandremako vo hinjanjy rozy? Ingo! tsy voafora gny sofin-drozy; tsy afaky gny hifantoky rozy Ingo! Fa avy tamin-drozy gny safan'i Yaveh mba hanitsia gnan-drozy, nefa tsy ilan-drozy izay." 11 Fa zaho la feno gny hatezeran'i Yaveh. Reraky gny mitanjaky izay zaho. Hoy Ie tagnamiko hoe: " Arotsaho amin'ireo aja egny an-dala voho reo antokon-jatovo izay. Fa gny johary iaby la ho ala amin'ny valiny; sady gny zokiolo iaby fa nahazo tao. 12 Gny tragnon-drozy la ho tolora an'ireo hafa, miaraky amin'reo tany voho gny valin-drozy. Fa ho tafiako amin'ny tagnako gny olo ao amin'ny tany__izay fagnambaran'i Yaveh. 13 Nagnambara Yaveh fa manomboky amin'ny kelikely mare ka hatramin'ny bevata mare, rozy iaby la fatra-pila hanagna amin'ny tsy rariny. Manomboky amin'ny mpaminany hatramin'ny mpisoro, rozy iaby reo la samby mpamitaky. 14 Nagnasitra gny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny rozy, nivola hoe: " Fiadana!' tamin'ny tsy nisy fiadagna tao. 15 Afa-baraka va rozy lafa nanao fametaveta? Tsy afa-baraka rozy; tsy mahay mivara-mena rozy! koa hianjera miaraky amin'ireo lavo rozy; ho endesy mitily rozy lafa nosaziny hoy Yaveh. 16 Zao ro ambaran'i Yaveh: " Mijoroa eo amin'ny sampan-dalagna sady henteo; anontanio gny lalagna taloha. 'Aia izay lalagna soa izay?' Bakeo la mandehana amin'izay sady mila toera fialan-tsasatsy ho anareo. Fa hoy gny vahoaky hoe: 'Tsy handeha rahay'. 17 Nanendry mpiamby ho anareo Zaho mba hinjanjy gny trompetra. Fa hoy rozy hoe: ' Tsy hihaino rahay.' 18 Noho izay, ry firenena, njanjigno! Ingo, hijoro vavolombelo amin'izay hitranga amin-drozy nareo. 19 Njanjigno, ry tany! Ingo, handay loza eo amy toy vahoaky toy Zaho__gny vokatsy gny eritreritrin-drozy. Tsy niraharaha gny safako na ny liliko rozy , fa nanda izay koa." 20 Midikaino ho Gnahy gny fiakaran'ny ditin-kazo magnitsy bakagny Seba? Na reo fofo malefaky bakagny amin'ny tany lavitsy? Tsy azoko enke gny fagnatitsy oroanareo, na reo soronareo. 21 Ka nivola zao Yaveh hoe: 'Ingo, hametraky sakana amy toy vahoaky toy Zaho. Ho tafitohy eo amin'izay rozy__miaraky ao reo ray voho reo anaky lahy. Ho rava avao koa reo mponina voho reo mpiara-belo.' 22 Zao ro safan'i Yaveh hoe: ' Ingo, hisy vahoaky ho avy bakagny tany avaratsy. Fa misy firenena bevata fa namporisihy ho avy bakamin'ny tany lavitsy. 23 Handay tsipika voho lefo rozy. Feno habibia rozy sady tsy mana famindram-po. Manahaky gny fieron'ny rano masy gny foen-drozy, sady miondra soavaly mitan-dahatsy manahaky gny johary mpialy rozy, ry anak'ampelan'i Ziona."" 24 Fa nandre gny vaovao mikasiky gnan-drozy rahay. Gny tagnanay la lasa malemin'ny fijalea. Voasambotsy gny fanaintainany manahaky gny ampela manday vohoky rahay. 25 Ka miboaky egny amin'ireo baibo, sady ka mandeha egny amin'ny reo lalagna, fotony gny sabatr'ireo fahavalo voho gny horohoro la egny iaby egny. 26 Ry anak'ampelan'ny oloko, misiky lamba fisaogna sady mihosena eo amin'ny vovoky gny fandevena ho an'ny aja tokana. Ataovo mangily ho an'ny vatanareo gny fandevena,fotony ho avy tampoky eo amintsika gny mpandrava. 27 "Ry Jeremia, fa nanao ho mpagnenty vahoakako manahaky gny mpitsapa vy Zahy,noho izay la hagnadihady sady hagnenty gny fomban-drozy iha. 28 Rozy reo ro tena mahery loha mare amin'ny vahoaky, zay misoro amin'ny fagnendrikendreha an'ireo hafa. Rozy iaby reo la saba voho vy, mpandrabiraby. 29 Reo fitsofa la main'ny bolo zay mandoro gnan-drozy; gny firaky la rava agnaty bolo.Nitohy gny fagnefa teo amin-drozy, fa tsy misy dikany izay, fotony tsy mbo niala gny raty. 30 Ho kaihy hoe volafoty tsy lany reo, fotony fa nivolagnin'i Yaveh."