1 Zao ro ambaran'i Yaveh:"Ingo,handeha hagnaboaky tsioky mpandrava amin'i Babylona voho reo ze mifitaky ao Leba-Kamay Zaho. 2 Handefa gny vahiny ao Babylona Zaho.Hagnaparitaky gnazy rozy voho handrava gny taniny,fa ho avy hanohitsy gnazy baka amin'ny magnodidy iaby rozy amin'ny gn'andron'ny gny loza. 3 Ka enga handefa gny anaky kititsiny gny mpandefa kititsy,ka enga hisalotsy gny salotsy fiarovany rozy.Ka mandefitsy amin'ny pamarakiny;hatokany amin'ny fandrava gny tafiny iaby. 4 Fa gn'olo fery la hotonta amin'ny tanin'ireo Kaldena,reo ze voavono la hotonta egny amin'ny lalany. 5 Fa Israely voho Joda la tsy foin'i Andrianagnahariny,Yaveh Tompon'ny gny maro,ndra la atsiky gny fandikan-dalagna manohitsy gny Masin'Israely aza gny taniny. 6 Mandosira amin'ny agnivon'i Babylona.Aoky gn'olo kiraikiraiky samby hagnavotsy gny vatany.Aoky tsy ho rava agnatin'ny gny helony.Fa zao ro fotoa hanaovan'i Yaveh valifaty.Honerany ho gnazy gny raha iaby amin'izay. 7 Kapoaky volamena an-tagnan'i Yaveh i Babylona ze nahamamo zao tontolo zao;nino gny divainy gny ferenema ka nanjary very say. 8 Ho lavo tampoky Babylona ka ho rava.Midradradradra ho gnazy!Ameo fagnafoly amin'ny faharariny ie,la ho janga vasa ie. 9 Nagniry gny hahanjanga gnan'i Babylona rahay,fa tsy janga ie.Aoky tsika iaby hagnenga gnazy voho handeha lavitsy,ho agny amin'ny tanintsika.Fa mahatakatsy gny lagnitsy gny helony;misavorovoro zisiky egny amin'ny raho zay. 10 Fa nagnambara gny tsy fanagnatsika tsiny Yaveh.Avia,ndao tsika hivola amin'i Ziona gny asan'i Yaveh Andrianagnaharintsika. 11 Ragnito gny anaky kititsy voho alao gny fiarova.Yaveh la misariky gny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasa hamotiky gnan'i Babylona.Zay la ho gnan'ny valifatin'i Yaveh,famalia faty tamin'ny nandrava gny tempoliny. 12 Manondrota fagneva agnambon'ireo valan'i Babylona.Hamafiso gny fiembena;mametraha mpiamby;atavo vonona gny otriky;fa hotanterahin'ny Tompo reo ze nivolagniny mikasiky gny mponin'i Babylona. 13 Nareo olo ze mifitaky egny a moron-drano;nareo olo ze manan-kanagna raha sarobily,avy gny fidomognanareo.Gny talin'ny fiainanareo la niboribory henanizao. 14 Nifanta tamin'ny gnainy iaby i Yaveh Tompon'ny gny maro hoe:"Hatrehako fahavalo nareo,manahaky gny fandringana gny valala;hananga alim-pandroaha agnaminao rozy. 15 Nanao gny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Ie,nametraky gny tany tamin'ny toerany Ie bakamin'ny fahendreany;namelatsy gny lagnitsy tamin'ny hazavan-tsainy Ie. 16 Lafa mitrero Ie,la misy rano magneno an-dagnitsy agny,fa manday gny zavo baka am-paran'ny gny tagny agny Ie.Manao gny helatsy ho gnan'ny gn'ora Ie voho mamoaky gny talio amin'ireo tragno fagnajariany. 17 Lasa babo gn'olo iaby,tsy manam-pahaiza.Reo manefy vy iaby la ho megnatsy nohon'ireo sampiny.Fa fitaky reo sarin-draha an-idiny,voho tsy misy fiveloma amin-drozy ao. 18 Tsy ilany rozy,gny asan'ny mpandratiraty;ho maty rozy amin'ny fotoan'ny fagnasazia gnazy. 19 Fa Andrianagnahary,gny anjaran'i Jakoba,la tsy mba manahaky gnan'izay,fa Ie ro mpagnatanteraky gny reha iaby.Israely ro fokon'ny gny lovany;Yaveh Tompon'ny gny maro ro agnarany. 20 Fa Iha ro fotaovam-pialiako,langilangy amin'ny gn'aliko.Iha ro hanorotoroako gny firenena voho hamotepotehako gny fanjaka. 21 Iha ro hanorotoroako gny sovaly voho gny mpiondra gnazy;misondry Agnaminao ro hanorotoroako gny kalesy voho gny mpanday gnazy. 22 Iha ro hanorotoroako gny johary voho gny sevaky kiraikiraiky iaby;Iha ro hanorotoroako gny antitsy voho gny tanora.Misondry Agnaminao ro hanorotoroako gny pamaraky voho gny virijiny vavy. 23 Misondry Agnaminao ro hanorotoroako gny tsimiasiny.Misondry Agnaminao ro hanorotoroako gny taravainy voho gny tarihany.Misondry Agnaminao ro hanorotoroako gny goverinora voho gny manam-pahefa. Fa amasonao eo ro hamaliako gnan'i Babylona voho gn'olon'i Kaldea nohon'ny gny amin'ireo haratia iaby ze nataon-drozy tao Ziona,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 25 Ingo,manohitsy gnanao Zaho,ry vohitsin'ny harava,zay ro fagnambaran'i Yaveh,zay mandrava gny tany iaby.Hagnampatsy gny tagnako hanohitsy gnanao Zaho voho hampiodokodiky gnanao agny amin'ny kintsy,voho hanao gnanao ho vohitsy mirehitsy Zaho. 26 Ka tsy hangalaky vato hagnoregna zoron-tragno voho fototsy bakaminao rozy,fa hanjary harava zisiky farany iha,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 27 Mandranga faneva manera gny tany.Tiofo manera gny firenena gny antsiva.Kaiho gny firenena hemely gnazy;Ararata,Miny voho Askenaza.Magnedrea mpibaiko hamely gnazy;magnandesa sovaly manahaky gny valala voloe. 28 Vono gny firenena hamely gnazy:gny mpanjakan'i Mediana voho gny goverinorany,gny manam-pahefany iaby voho gny tany iaby ze ambany fahefany. 29 Fa hihorohoro voho hangirifiry gny tany,fotony nitohy gny fikasan'i Yaveh hanohitsy gnan'i Babylona,mba hahavy gny tanin'i Babylona ho tany henja ze tsy misy olo. 30 Fa ninjano nitolo gny miaramilan'i Babylona;ninjano tamin'ny fiarova mahery rozy.Trobo gny herin-drozy;nanjary sevaky rozy,mirehitsy gny tragnon-drozy,tapaky gny hilim-bavahadiny. 31 Gny mpanday hafatsy milailay mba hagnambara hafatsy agny amin'ny mpanday hafatsy hafa,voho gny mpilailay raiky mivola amin'ny mpilailay raiky hafa mba hitatitsy agny amin'ny mpanjakan'i Babylona fa toy tana toy la fa voasambotsy zisiky farany. 32 La azo gny fiampita agnambo gny rano egny,mandoro gny volotara amin'ny bolo mirearea gny fahavalo,voho very hevitsy gny johary mpialin'i Babylona. 33 Fa Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,ro mivola gnan'izao:manahaky gny famofoha gny anakampelan'i Babylona.Fotoa hagnosegnoseha gnazy zao.Ho avy agnaminy agnatin'ny fotoa masika gny fotoam-pihaza. 34 Nilevognin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona zaho;nanday gnahy amin'ny fahaverezan-kevitsy ie.Ka nataony ho valagny tsy misy raha zaho,nitely gnahy manahaky gny biby bevata ie;nagnatsiky gny trogny tamin'ny hany soako ie;nandroaky gnahy ie. 35 Ze mifitaky ao Ziona hivola hoe:"Aoky gny heriloha natao gnahy voho tamin'ny vatako ho amin'i Babylona."Voho hoy Jerosalema hoe:"Aoky gny liony ho amin'ny gn'olon'i Kaldeana." 36 Ka zao ro volan'i Yaveh:"Handeha hisolo vava gnanao Zaho voho handay valifaty ho gnanao.Fa ho ritiko gny ranon'i Babylona voho hagnamaiky gny loharanony Zaho. 37 Fa hanjary korontam-bato i Babylona,lavaky fietahan'ny amboadia,horohoro,raha mampifiopioky,ze tsy misy mpifitaky. 38 Hierotsy miaraky manahaky gny liona tanora gny Babyloniana.Hierotsy manahaky gny anakaliona ie.Laha lasa agnatin'ny hatean-drala mare rozy,hanao 39 fihinanambe ho gnan-drozy Zaho,homamoako rozy la ho faly ka hatory agnatin'ny roro tsy mety tapitsy ka tsy hifoha sasy,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 40 Halefako hijotso agny amin'ny famonoa manahaky gny anak'aondry,manahaky gny aomby voho gn'aondry miaraky gn'aosy rozy. 41 Ingo gny nahazoa gnan'i Babylona! Ka azo gny fandrean'ny gny tany iaby.Ingo fa nanjary toera henja eo amin'ny firenena i Babylona. 42 Miakatsy manera gnan'i Babylona gny riaky!Voasaron'ny gn'ampombony mierotsy ie. 43 Nanjary rava gny tanany,tany maiky voho liomonto,tany ze tsy misy mpifitaky,voho tsy hisy mpandalo ndra olo raiky aza. 44 Ka ho saziko ao Babylona i Bela;handesiko hiboaky gny tsihoviny ze nateliny voho gny firenena la tsy hisondry agnaminy miaraky amin'ireo fagnatitsin-drozy.Horava gny mandan'i Babylona. 45 Miboaha agnivony eo,ry oloko.Aoky gny kiraikiraiky samby hagnavotsy gny vatany amin'ny fahasiahan'ny fahatezerako. 46 Ka enga ho megnatsy gny fonareo na havaka gny vaovao ze janjinao amin'ny tana io ,fa ho avy amin'ny tao raiky reo vaovao reo.Afaran'izay amin'ny tao manaraky avao koa la hisy vaovao,ka gny heriloha la ho ao amin'ny tany.Mpanapaky hanohitsy mpanapaky. 47 Ka,ingo,avy gn'andro ze hagnasaziako gny sampy voasikotsin'i babylona.Ho megnatsy gny taniny iaby,voho gny fatiny iaby la hontonta agnivony eo. 48 Ka gny lagnitsy voho gny tany,voho gny tany iaby amin-drozy ao la hisinisiny amin'ny Babylona.Fa ho avy agnaminy baka avaratsy agny gny mpandringa,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 49 Manahaky gny nampitotan'i Babylona gny Israely voavono,ro hitontan'ny gny voavono tao amin'ny taniny iaby ao Babylona." 50 Ry sisa-meso,mandena!Ka minjano.Tiarovo baky lavitsy egny i yaveh;aoky ho tiarovy i Jerosalema. 51 Megnatsy rahay,fa nahanja gny safa raty;nagnatsiky gny tarehinay gny fahameloha,fa nilitsy tamin'ireo fitoera Masin'ny tragnon'i Yaveh gny vahiny. 52 Ka,ingo,avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ze hagnasaziako gny sampy voasikony,la hifoay amin'ny gny taniny iany gny vahoaky maratsy. 53 Fa ndra la miakatsy egny amin'ny lagnitsy aza i Babylona ndra magnamafy gny fiarovany mahery agnambo mare aza ie,la ho avy agnaminy gny mpandringa bakagnamiko,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 54 Gny koikin'ny gny fijalea la bakagny Babylona,filavoa bevata bakagny amin'ny tanin'i Kaldeana. 55 Fa Yaveh la mandrava gnan'i Babylona.Ie ro mampitofa gny fikoikoiha mare mierotsy manahaky gny ampobon-drano gny fahavalony;mihamantsitsigny gny korakorany. 56 Fa avy hanohitsy gnazy gny mpandringa,manohitsy gnan'i Babylona!,voho gny johary mpialiny la fa voasambotsy.Tapaky gny kititsiny,fa Yaveh ro Andrianagnaharin'ny gny famalia;fa handay gnan'izay famalia zay tokoa Ie. 57 Fa hataoko mamo gny andriandahiny,gn'olo mahihitsiny,gny manam-pahefany,voho gny miaramilany,la hatory agnaty gny roro tsy misy fidomorany rozy ka tsy hifoha sasy,zao ro fagnambaran'ny Mpanjaka;Yaveh Tompon'ny gny maro ro agnarany. 58 Yaveh Tompon'ny gny maro mivola gnan'izao :"Ho rava tanteraky gny manda matevin'i Babylona voho horoa gny vavahadiny abo.La gny vahoaky ze avy hagnampy gnazy la ho sasa-poagny;gny raha iaby ze ezahin'ny firenena atao ho gnazy la horoa." 59 Zao ro safa ze nandidian'i Jeremia mpaminany gnan'i Seraia anakilahin'i Neria anakilahin'i Mahaseia lafa nandeha ho agny Babylona ie nisondry tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda tamin'ny tao fahaefatsy nanjakany.Fa ho lasa lehiben'ny manam-pahefa i Seraia. 60 Fa fanaoratsy gny loza iaby ze ho avy amin'i Babylona tagnatin'ny taratasy i Jeremia,reo gny safa iaby ze voasoratsy mikasiky gnan'i babylona. 61 Nivola tamin'i Seria i Jeremia hoe:"Lafa magnagny Babylona iha,la hahita voho hamaky mare reo safa reo. 62 La hivola iha hoe:"Yaveh,Iha mihintsy ro nagnambara fa ho ravanao toy toera toy,ka tsy hisy olo ndra biby hivelo agnaminy ao,ka ho rava zisiky farany ie. 63 Lafa vitanao gny famakia io taratasy io,la afatoro amin'ny vato zay ka ario agnivon'ny Eofrata egny. 64 Volagno hoe:"Ho rendriky manahaky gnan'izay i Babylona.Tsy ho tafatsanga ie noho gny loza ze alefako hanohitsy gnazy,la hitonta i."Tapitsy eto gny safan'i Jeremia.