Toko faha 52

1 Raiky amby ropolo tao i Zedekia laha nanomboky nanjaka;nanjaka raiky amby ropolo tao ta-Jerosalema ie.Hamotala ro agnaran-dreniny;ie la anakampelan'i Jeremia bakagny Libna. 2 Nanao gny raty tagnatrehan'i Yaveh ie;nanao ze raha iaby fa nataon'iJoikima ie. 3 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh,ro nisehoan'ireo raha iaby reo tagny Jerosalema voho Joda,zisiky handroahany gnan-drozy tsy ho eo agnatreahany.Voho nanohitsy gny mpanjakan'i Babylina i Zedekia. 4 Ka tamin'ny tao fahasisy nanjakan'i Zedekia mpanjaka,tamin'ny gny vola fahafolo,voho tamin'ny gn'andro fahafolon'ny gny vola ,la niavy niaraky atmin'ireo tafikiny i Nebokadnezara,mpanjakan'i Babylona,mba hanohitsy gnan'i Jerosalema. Nivory tandrifin'izay rozy,voho nagnory tilikambo nagnodidy gnan'izay. 5 Ka la natao asosaro gny tana zisiky tamin'ny faha raiky ambin'ny folon'ny gny tao nanjakan'i mpanjaka. Tamin'ny gny vola fahaefatsy,tamin'ny gn'andro fahasivy tamin'izay tao zay,la nirongatsy tan-tana tao mosary fa tsy nisy hany ho gnan'ny gn'olo mifitaky ao. 7 Ka la rava gny tana,voho gny johary mpialy iaby la nirifatsy nandositsy voho niboaky gny tana tamin'ny gny haliky tamin'ny vavahady teo ze tagnelagnelan'ny rindry roa,tagnilan'ny zaridain'ny mpanjaka,ndra la nagnadidy gny tana aza gny Kaldeana.La niroso nagnagny Araba rozy. 8 Fe nagnenjiky gny mpanjakan'ny gny tafiky gny Kaleana ka nahatratsy gnan'i Zedekia tamin'ny tany maikin'ny vavasahan'ny gn'ony Jordana ze agnilan'i Jerikop.Naparitaky niala tagnaminy teo gny tafiny iaby. 9 Nisamborin-drozy gny mpanjaka ka namdesiny niakatsy tagny amin'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ripla tao amin'ny tany Hamata,ze nitsarany gnazy. 10 Namono gn'anakilahin'i Zedekia mpanjaka ta-masony teo gny mpanjakan'i Babylona,ka tagny Ribla la namono gny mpitarikin'i Joda iaby avao koa ie. 11 Ka nalany gny mason'i Zedekia,ka nifeheziny tamin'ny seny saba ie,ka nandesiny tagny Babylona.Nalefan'ny mpanjakan'i Babylona tan-gadra agny ie zisiky nahafaty azy. 12 Ka tamin'ny gny vola fahadimy,tamin'ny gn'andro fahafolon'ny vola,ze fahasivy ambin'ny folo tao nanjakan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona,la niavy tagny Jerosalema i Nebozaradana.Ie ro mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka voho gny mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona. 13 Nagnoro gny tragnon'i Yaveh,gny lapan'ny mpanjaka,voho gny tragnon'i Jerosalema iby ie;voho nioroany avao koa gny tragno bevata manan-danja iaby. 14 Laha gny amin'ireo manda magnodidy gnan'i Jerosalema,la fa namotiky gnan-drozy gny tafiky ny Babyloniana iaby ze niaraky tamin'ny mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka. 15 Laha gny amin'ireo olo latsa mare,reo olo sisa tavela an-tana ao,reo ze afaky nandositsy ho agny amin'ny mpanjaan'i Babylona,voho reo sisa tamin'ireo mpanao asa tagna la nataon'i Nebozaradana,azy mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka ho babo gny sasany tamin-drozy. 16 Fa i Nebozaradana,nagnenga gny sasany tamin'ireo latsa mare amin'ny tany io mba hamboly gny tanim-boaloboky voho gny baimbo. 17 Laha gny amin'ireo toha saba ze gnan'ny tragnon'i Yaveh,voho gny fasia tavin-drano voho reo tavin-drano saba ze gnan'ny gny tragnon'i Yaveh,la nipotehin'ireo Kaldeana voho nandesiny nimpoly tagny Babylona iaby reo saba iaby reo. 18 Gny valagny,gn'angady,gny fagnanova jiro,gny finga,voho reo kojakoja vita amin'ny saba ze nanompoan'ny gny mpisoro tao an-tempoly,la nandesin'ny reo Kaldeana iaby. 19 Gny tavy fagnasia lavenon-jiro voho reo fandoroa ditin-kazo magnitsy,gny finga,gny valagny,gny fasian-jiro,gny valagny be,gny tavin-drano ze vita tamin'ny volamena,voho reo vita tamin'ny volafoty,la nandesin'ny gny mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka avao koa. 20 Reo toha roe,gny tavin-drano,voho gny aomby saba ze tambanin'ireo fasia tavin-drano,raha ze namboarin'i Solomona ho gnan'ny gny tragnon'i Yaveh,la atsiky saba lako ze nisinisy lanja avao. 21 Reo toha la samby folo valo amby hakiho iaby gny haabony,voho gny tsipiky magnodidy gnazy la mirefy folo roa amby hakiho.Samby fanondro afatsy gny hateviny voho samby poakaty. 22 Kapitaly saba ro tamin'ny gny tendrony.Limy hakiho ro haabon'ny kapitaly,miaraky amin'ireo harato voho gn'ampongaben-dagnitsy magnodidy gnazy.vita tamin'ny gny saba iaby reo.Gny toha raiky hafa voho gny ampongaben-dagnitsy la mitovy amin'ny gny raiky volohany avao. 23 Ka la ampongaben-dagnitsy sivam-polo egny amby noho zay ro tagnilan'ny gny kapitaly,voho gny ampongaben-dagnitsy zato ro tagnambon'ny gny harato magnodidy. 24 Gny mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka la nisambotsy gnan'i Seraia,gny mpisorobe,niaraky tamin'i Zefania,gny mpisoro faharoe,voho reo mpiamby vavahady telo. 25 Tan-tana tao ro nisamborany manam-pahefa raiky ze niandraikitsy gny mpiaramila,voho gny johary fito tamin'ireo ze mpanoro hevitsy gnan'ny mpanjaka,ze mbo tao tan-tana ao.Nisambotsy gny manamboninahitsin'ny gny tafikin'ny mpanjaka ze mpandrafitsy gny tafiky,misondry tamin'ny g'olo manan-kaja enimpolo baka amin'ny gny tany ze tan-tana ao avao koa ie. 26 Ka nalan'i Nebozaradana,azy mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka igny rozy ka nandesiny tagny amin'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ribla. 27 Nivonoan'ny mpanjakan'i Babylona tagny Ripla tagny amin'ny tanin'i Hamata rozy.Tamin'izay fomba zay,ro nagnandesa gny Joda ho babo niala tao amin'ny gny taniny. 28 Reto ro olo nibaboan'i Nebokadnezara:tamin'ny tao fahafito,Jiosy 3.023. 29 Tamin'ny faha folo valo ambin'ny gny tao nanjakan'i Nebokadnezara la nangalaky olo 832 baka Jerosalema agny ie. 30 Tamin'ny faha ropolo telo amby gny tao nanjakan'i Nebokadnezara,la namabo vahoaky jiosy 745 i Nebozaradana,azy mpifehy gny mpiambin'ny mpanjaka.Miisaky 4600 gny fitambaran'ny gny babo iaby. 31 Ka tamin'ny gn'andro faha ropolo limy amby gny vola,tamin'ny gny vola faha folo roa amby,tamin'ny faraparan'ny gny tao faha telopolo fito amby tao nahababo gnan'i Jekonia,la nanafaky gnan'i Joiakina mpanjakan'i Joda tan-gadra agny i Evila-merodaka,mpanjakan'i Babylona.Tamin'ny fotoa nanombohan'i Evila-merodaka nanjaka ro nisehoan'izay. 32 Nirehaky am-pahatsora tagnaminy ie ka nagnome gnazy toera agnambognambo mandilatsy gny mpanjaka hafa ze nisondry tagnaminy tagny Babylona. 33 Nangalaky gny salony maha gadra gnan'i Joikina i Evila-merodaka,ka nihina tsy tapaky tamin'ny latabatsin'ny mpanjaka tamin'ny gn'andro sisa nivelomany i Joikina, 34 ka namea hany ara-dalana isan'andro ie tamin'ny gn'andro sisa nivelomany zisiky nahafaty azy.