Toko faha 50

1 Zao ro safa nambaran'i Yaveh gny mikasiky gnan'i Babylona,gny tanin'ireo Kaldeana,tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany: 2 "Tatero agny amin'ireo firenena voho ampinjanjigno rozy.Arangao gny famantara ka ampinjanjigno rozy.Ka aetaky zay.Volagno hoe:Babo i Babylona.Nala baraka i Bela,niova hevitsy gny rarin-drahany." 3 Hintsanga hamely gnazy gny firenena baka avaratsy agny,mba hahavy gny taniny ho faharava.Tsy misy,ndra olo ndra biby,hivelo ao amin'izay.Handositsy rozy. 4 Amin'izay andro zay voho amin'izay fotoa zay,zay ro fagnambaran'i Yaveh,gny vahoakin'Israely voho gny vahoakin'i Joda la hisondry hoavy mba handeha amim-pitomagnia ka hila gnan'i Yaveh Andrianagnaharin-drozy. 5 Hagnotany gny lala magnagny Ziona rozy ka hamakivaky gnan'izay,manao hoe:"Handeha rahay ka hamonjy gnan'i Yaveh amin'ny fagnekea zisiky farany ze tsy hohaligno." 6 Aondry trobo gn'oloko.Nitariky gnan-drozy amin'ny lalan-diso am-bohitsy agny gny tsimiasin-drozy;naodakin-drozy areakin'ny tany abo rozy.Nandeha rozy,ka nagnaligno gny toera ze nifitarany. 7 Gn'olo iaby ze niboaky tamin-drozy la namiravira gnan-drozy.Hoy gny fahavalony hoe:"Tsy meloky rahay,fotony rozy la nanota tamin'i Yaveh,fifitarany gny to rozy,la Yaveh,azy fagnantenan'ny gny razamben-drozy." 8 Miala agnivon'i Babylona:miboaha bakao amin'ny tanin'i Kaldeana,aoky nareo hanahaky gn'aosilahiny ze miala mandeha alohan'ny gn'aondry sisa. 9 Fa ingo,fa an-dala hametraky gny hetsiky voho hananga gny vondron'ny firenena bevata baka avaratsy agny hagnisy gnan'i Babylona Zaho.Hifandamy hanohitsy gnazy rozy.Ho sambory bakagny i Babylona.Hanahaky gny mpialy mahay ze tsy mimpoly tagnam-polo gny anaka kititsiny rozy. 10 Ho lasa babo i Kalde.Ho afa-po rei ze mibabo gnazy iaby ,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 11 Misinisiny,mandrengy gny hababoan'ny lovako nareo;mitsambotsamboko manahaky gn'anak'aondry amin'ny fihinana akatany nareo. 12 Ka ho afa-baraka tokoa gny reninareo;ze niteraky gnanareo la ho megnatsy.Ingo,ho kelikely mare amin'ireo firenena ie,ho tany lio-monto,gny tany maiky,voho gny tany hay. 13 Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh,la tsy hifitara sasy,fa ho faharava tanteraky i Babylona.Gn'olo iaby ze mandalo la hangitikitiky noho i Babylona voho hofioipioky nohon'ny gny feriny iaby. 14 Mifandamigna hagnisy gnan'i Babylona voho gny magnodidy gnazy iaby nareo.Tsy maintsy hitifitsy gnazy gn'olo iaby ze magnenja gny kititsiny.Ka asia minjano gny anaky kititsinareo,fa fananota tamin'i Yaveh ie. 15 Arangao magnodidy gnazy iaby gny koikoiky!Fa voaarosaro ie;fa nitonta gny tilikambony;voarobaky gny valany,fa zay ro valifatin'i Yaveh.Magnanova valifaty agnaminy!La atavo manahaky ze fa nataony! 16 Aravao gny mpamboly ze mamafy gny voa voho ze mampiasa gny meso finjinja amin'ny fotoa finjinja ao Babylona.Aoky himpoly bakany amin'ny meson'ny mpampinjaly ho agny amin'ny vahoakiny gn'olo kiraikiraiky;aoky rozy himpoly agny amin'ny taniny. 17 Israely la aondry naparitaky voho niroasin'ny gny liona.Gny mpanjakan'i Asyria ro namiravira gnan-drozy volohany;ka tafaran'izay,la nitapahin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona gny taolany. 18 Noho zay zao ro volan'i Yaveh Tompon'ny gny maro,gny Andrianagnaharin'Israely:"Ingo,fa magnasazy gny mpanjakan'i Babylona voho gny taniny Zaho,Manahaky gny nagnasaziako gny mpanjakan'i Asiria. 19 Hampimpoly gnan'Israely agny amin'ny tanindrazany Zaho,hihina Karmela voho Basana ie.Ka ho afa-po amin'ny tany abon'i Efraima voho Gileada ie. 20 Amin'izay andro zay voho amin'izay fotoa zay,hoy Yaveh,hila ao Israely gny heloky,fe tsy hahita.Hagnontany gny mikasiky gny fahotan'i Joda Zaho,fe tsy hahita,fa hamela gny heloky ze sisa tavela nandeferako Zaho." 21 "Mintsangana hagnisy gny tanin'i Merataima,hagnisy gnan'izay voho ze mponina Pekoda.Apetraho amin'ny meso eo rozy ka atokano ho gnan'ny faharava,zay ro fagnambarab'i Yaveh,atavo ze raha iaby nandidiako gnanareo. 22 Ao amin'ny tany gny feon'ny gn'aly voho fahavarava bevata. 23 Ndrey gny nanapaha voho namoteha gny tanan'ny tany iaby.Ingo fa nanjary horohoro eo amin'ireo firenena i Babylona. 24 Nametrahako fandriky iha ka tratsy,ry Babylona,voho tsy nahay gnan'izay iha!Tratsy voho voasambotsy iha,fotony nanohitsy gnan'i Yaveh. 25 Fa nanokatsy gny fasia gny fitaovam-pialia i Yaveh voho nandesiny miboaky reo fitaovam-pialia ho fanehoa gny fahatezerany.Misy asa ho gnan'i Yaveh Tompon'ny gny maro ao amin'ny tanin'i Kaldeana. 26 Tafiho baky lavitsy agny ie.Sokafo gny fasia vokatsiny ka akorontano manahaky gny kobognam-bary.Atokano ho gnan'ny faharava ie.Ka enga hisy tavela gny agnaminy. 27 Vono gny aombilahiny iaby.Ampijotso agny amin'ny toera famonoa reo.Loza ho gnan-drozy,fa faniavy gn'androny,la gny fotoa fagnasazia gnan-drozy. 28 Zay gny feon'ny fandosiran-drozy,la reo sisa tsy maty,bakagny amin'ny tany Babylona.Rozy ro hitatitry gny valifatin'i Yaveh Andrianagnaharintsika ho gnan'i Ziona,voho valifaty ho gnan'ny tempoliny." 29 "Kaiho reo mpitifitsy anaky kititsy hagnisy gnan'i Babylona,reo iaby ze magnenja gny kititsiny.Mivoria hagnisy gnazy,voho ka enga gny hisy afaky handositsy .Valeo amin'ny ze fa nataony ie.Atavo agnaminy araky ze fa nataony.Fa fa nandrangitsy gnan'i Yaveh ie,la gny Masin'Israely. 30 Ka la ho lavo an-joron-tana egny gny pamarakiny,voho ho rava gny johary mpiamby iaby amin'izay andro zay,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 31 "Ingo,magnisy gnanao Zaho,ry mpibohaboha,zay ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny gny maro,fa faniavy gn'andronao,ry mpibohaboha,la gny fotoa ze hagnasaziako gnanao. 32 Ka ho totohatsy voho ho tonta gny mpibohaboha.Tsy hisy handreny gnan-drozy.Handrehitsy bolo amin'ireo tanan-drozy Zaho;handrava gny raha iaby magnodidy gnazy zay. 33 Zao ro volan'i Yaveh Tompon'ny gny maro:"Nampijaly gny vahoakin'Israely,misondry amin'ny vahoakin'i Joda.Mbo nitanjahin'ny azy nisambotsy an-drozy igny rozy;nanda gny hagnenga gnan-drozy handeha rozy. 34 Mahery gny Mpamonjy gnan-drozy.Yaveh Tompon'ny gny maro ro agnarany.Handahatsy gny agnamin-drozy marina Ie,mba handay tsy fifagnaraha ho gnan'ireo mponin'i Babylona. 35 Gny meso la hamono gny Kaldeana,zay ro fagnambaran'i Yaveh,voho hamono gny mponin'i Babylona,gny mpitariny,gny johariny mahihitsy. 36 Niavy hagnisy ze tsy manao volan-tsikily gny meso,mba hanonom-bata manahaky gny adala rozy.Avy hagnisy gny miaramilany gny meso,ka la ho feno havaka rozy. 37 Avy hagnisy gny sovaliny,gny kalesany voho gn'olo iaby ze agnivon'i Babylona gny meso la ho avy manahaky gn'ampela rozy.Avy hagnisy gny tragno fagnanjariany gny meso,ka la ho voaroba rozy. 38 Ho avy amin'ny gny ranony gny hain-tany,ka la ho maiky gny ranony.Fa gny tanin'ireo sampy la tsy misy ilagnazy ie,voho miasa manahaky gn'olo veri-say gny sampiny mahakamo rozy. 39 Ka gny bibin'ny gny tany lio-monto miaraky amin'ireo amboadia ro hifitaky agny,voho gny aostrisy tanora ro hifitaky agnamy ao.Fa amin'ny fotoa iaby,la tsy hifitara sasy ie.Zisiky amin'ny havorohota farany mandova,la tsy hifitara agnaminy ao. 40 La manahaky gny nandravan'Andrianagnahary gnan'i Sodoma voho Gomora voho reo magnodidy gnazy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,tsy hisy hifitaky ao;tsy hisy olo hinjano agnaminy ao." 41 "Ingo,avy gny vahoaky baka avaratsy agny,ho gnan'ny gny firenena bevata voho reo mpanjaka lako fa nisandratsy bakagny an-tany lavitsy. 42 Hangalaky kititsy voho lefo rozy.Loza bevata rozy voho tsy mana fiferignesa.Manahaky gny firohodrohon'ny gny riaky gny feon-drozy,voho mitikitsy sovaly milahatsy manahaky gny johary mpialy,hagnisy gnanareo rozy,ry anak'ampelan'i Babylona. 43 Nahanja gny tatitsin-drozy gny mpanjakan'i Babylona,voho nalemy nohon'ny gny tahotsy gny tanany.Nagnisy gnazy manahaky gn'ampela miteraky gny fahoriany. 44 Ingo!Miakara manahaky gny liona baka agnambon'ny Jordana agny ho agny amin'ny fasia akata maharitsy ie.Fa hataoko mandositsy malaky amin'izay ao rozy,ka hametraky olo voafily hiandraikitsy gnan'izay Zaho.Fa ia ro manahaky Gnahy,,voho ia ro hikaiky Gnahy?Tsimiasy manahaky an'ia ro hahatohitsy Gnahy? 45 Ka janjigno moa gny fikasany ze nataon'i Yaveh Hameleza gnan'i Babylona,gny fikasa ze fa nalaminy hameleza gny tanin'ny Kaldeana.Ho viravira tokoa rozy,eka fa ndra la gn'aondriny maliky mare aza.Hanjary toera rava gny tany fihinana akata-drozy. 46 Amin'ny feon'ny faharesean'i Babylona la matahitsy gny tany,voho ja amin'ireo furenena gny koiki-pijalean-drozy.'