1 Laha gny mikasiky gny vahoakin'i Amona,zao ro ambaran'i Yaveh:"Tsy mana-gnanaky va gny Israely?Moa tsy misy olo raiky handova ndra ino ndra ino va agny Israely ?Nagnino Malkana ro hibodo gnan'i Gada,voho gny vahoakiny hifitaky agny amin'ny tanany? 2 Ka ingo,ho avy gn'andro,zay ro fagnamabran'i Yaveh,lafa hampagneno gny feo famantara ho gnan'ny gn'aly hanohitsy gnan'i Raba amin'ny vahoakin'i Amona Zaho,ka hanjary vogam-paharava zay voho gny anam-bohiny la horoa amin'ny gny bolo.Fa Israely hana ze tsy nanagnany,hoy Yaveh. 3 "Mivatsavatsa amin'ny fitaraigna,ry Hesbona,fa ho rava i Ay!Mikoiha,ry anakampelan'i Raba!Magnanova lamba fiojea.Magnanova fitaraigna voho lomesa fahatany,fa i Malkana la ho lasa babo,miaraky amin'ireo mpisoro voho gny mpitariny iaby. 4 Nagnino iha ro mibohaboha amin'ireo vavasahanao,vavasahanao la vatany mamokatsy mare,ry anankampela tsy manam-pinoa?Iha ze mitoky amin'ny hanagnanao ka manao hoe:"Ia ro ho avy hanohitsy gnahy ? 5 Ingo,handay fampitahora agnaminao Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny gny maro,zay fampitahora zay la ho avy amin'ireo ze magnodidy gnanao iaby.Gny kiraikiraiky agnaminareo la hiparitaky agnatrehan'izay.Tsy hisy ndra raiky aza hamory ze mandositsy. 6 Fe afaran'izay la hampimpoly gny hanagnan'ny vahoakin'i Amona Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh." 7 Gny amin'i Edoma,zay ro ambaran'i Yabeh Tompon'ny gny maro:"Tsy misy fahendrea sasy va hita ao Temana?Nisy toro-hevitsy soa va bakamin'ireo ze nana fahihira?Nihasimba va gny fahendrean-drozy? 8 Mandosira!Mpimpolia!Mifitara an-davaky gny tany agny,ry mponin'i Dedana.Fa manday gny lozan'i Esao agnaminy Zaho amin'ny fotoa ze hagnasaziako gnazy. 9 Laha avy agnaminao gny mpihaza voaloboky,moa tsy hampinjano kelikely amin'izay va rozy?Laha avy amin'ny haliky gny mpanjalatsy,tsy hangalatsy mandilatsy ze ilany va rozy? 10 Fa nampiborida gnan'i Esao Zaho.Nampiseho gny toerany mietaky Zaho.Ka tsy ho afaky hagnetaky gny vatany ie.Gn'anany,gny rahalahiny,voho gny mpiara-mony agnaminy la nirava,la lasa ie. 11 Engao afara gny kambotinao.Hiandraikitsy gny fiaignan-drozy Zaho,voho gny mpitondrantenanao la afaky mitoky agnamiko." 12 Fa zao ro fagnambaran'i Yaveh:"Ingo,reo ze tsy maeva gnan'izay la tokony hino amin'ny kapoaky tokoa.Mametsivetsy va gny vatanao fa handeha tsy ho sazy iha ?Aha,fotony hino vatany iha. 13 Fa fanifanta tamin'ny vatako Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa i Bozra la ho hanjary horohoro,ho fahafaham-baraka,hampalahelo bevata,voho ho fagnozona.Gnyy tana iaby ho lasa faharava zisiky farany. 14 Nahanja vaovao tamin'i Yaveh Zaho,voho nisy iraky nalefa tagny amin'ireo firenena,mivodrogna voho tafiho ie.Mivonona amin'ny gn'aly. 15 Fa ingo,nataoko kelikely iha laha ampitaha amin'ireo ferena hafa,voho tsy nidarean'ny gn'olo. 16 Laha gny fahatahora gnanao,la namitaky gnanao gny avonavon'ny gny fonanao,ry mponina agny amin'ny toeran'ny kintsy,iha ze nibaha gny tany abo mare mba hagnanovanao gny tragnonao ho agnambo manahaky gnan'ny voromahery.Hampinjotsoako bakegny iha,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 17 Ho horohoro ho gnan'ny ze mandalo egny amin'izay i Edoma.Gn'olo iaby manahaky gnan'izay la hangitikitiky voho hifopioky noho ny agmin'ireo loza iaby reo. 18 Manahaky gny nandrava gnan'i Sodoma voho Gomora voho gny mpiara-belo agnamy,hoy Yaveh:"Tsy hisy olo hifitaky agny,tsy misy vahoaky hinjano agny. 19 Ingo,hiakatsy manahaky gny liona bakagny amin'ny alan'i Jordana ie ho agny amin'ireo tanin'akata maintso.Fa hampandosiriko masika amin'izay i Edoma,ka hametraky olo ze handramby an-tagna gnan'izay Zaho.Fa ia ro manahaky Gnahy,voho ia ro hikaiky Gnahy?Tsimiasy ia ro afaky hanohitsy Gnahy?" 20 "Ka janjigno gny hevitsy ze nitapahin'i Yaveh hanohera gnan'i Edoma,gny fikasa ze fa nataony hanohera reo mponin'i Temana.Ho taritarihiny agny amin'ny tany iaby egny tokoa rozy,ndra la gny kelikely mare amin'ny gn'aondy aza.Gny tanin'akatany hanjary toera nirava. 21 Nihozongozo gny tany tamin'ny feon'ny fitontan-drozy.Gny feon'ny fitaraigna la ja zisiky agny amin'ny riaky Mena. 22 Ingo,misy olo hanafiky manahaky gny voromahery,ka hijotso voho hamelatsy gn'elany amin'i Bozra.Ka amin'izay gn'andro zay,gny fon'ireo miaramilan'i Edoma la hanjary manahaky gny fon'ny sevaky mihetsi-jaza." 23 Gny amin'i Damaskosy:"Ho magnatsy i Hamata voho Arpada,fa nahaja gny vaovao mikasiky gny loza rozy.Reraky rozy,ze tsy mety milamy. 24 Mihaosa tokoa i Damaskosy.Miodaky handositsy zay;azon'ny horohoro zay.Azon'ny fahoria voho maharary zay,manahaky gny fahararin'ny ampela miteraky. 25 Nagnino ro tsy nafoy gny tana fandrengea,gny tana bevatan'ny fisinisiniako? 26 Noho zay la ho lavo amin'ny toerany gny mpamaraky,voho gny johary mpialy iaby la ho maty amin'izay andro zay,zay ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." 27 Fa handrehitsy bolo amin'ny rindrin'i Damaskosy eo Zaho,voho handevo gny fierova mahery ho gnan'i Beni-hadasa zay." 28 Gny amin'i Kedara voho gny fanjakan'i Hazora,zao ro fagnambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara(Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona la hanafiky reo tana reo):"Mitsangana ka tafiho Kedara voho aringano gny vahoakin'ny antignana. 29 Hala gny lainy voho gn'aondry bamin'ny gn'aosiny,miaraky amin'ireo lainy lamba voho gny fitaovany iaby;hala amin-drozy gny ramevany,ka hanao koiky fisinisinia amin-drozy gn'olo.Tahotsy ro amin'ny magnodidy iaby!" 30 Mandosira!Mandena lavitsy!Minjanogna amin'ny lavakin'ny tany,ry mponin'i Hazora,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa i Nebokadnezara la fa nanao tetiky hanohera gnanao.Mandosira!Mimpolia! 31 Mintsangana!Tafiho gny firenena am-pilamigna,ze mivelo amin'ny fiarova,"Hoy i Yaveh."Tsy mana vavahady na fagnilia agny agnaminy rozy,ka gn'olo la mivelo amin-drozy 32 Ho robahy gny ramevany,voho horobahy amin'ny gn'aly gny fanagnany lako mare.Ka haeliko amin'ny gny tsioky egny reo ze nagnety gny sisim-bolony,ka handay loza amin-drozy amin'ny lafiny iaby Zaho,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 33 Hanjary fifitaran'ny gn'amboalia i Hazora,ho tany maiky maharitsy.Tsy misy hifitaky agny,tsy misy olo hinjano agny." 34 Zao ro volan'i Yaveh ze niavy tamin'i Jeremia mpaminany gny amin'i Elama.Zo ro niseho tamin'ny namotoran'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda,ka hoy ie:" 35 Zao ro nambaran'i Yaveh Tompon'ny gny maro:"Ingo,hanapaky gny mpitifitsy kititsy gnan'i Elama Zaho,aim-bevata gny herin-drozy. 36 Fa handay gny tsioky efatsy Zaho,ka hagnely gny vahoakin'i Elama amin'izay tsioky iaby zay Zaho.Tsy misy firenena ze tsy handehanany ze naely tao Elama reo. 37 Voho hagnatoro gnan'i Elama agnatrehan'ireo fahavalony Zaho voho agnatrehan'ireo ze mila gn'ainy.Fa handay loza hanohera gnan-drozy Zaho,gny fahatezera amin'ny fahavignirako,zay ro fagnambaran'i Yaveh,voko handefa gny meso amin-drozy Zaho zisiky mahalany ritsy gnan-drozy. 38 La hametraky gny seza fiandrianako amin'i Elama Zaho ka handringa gny mpanjakany voho gny mpitariky bakao,zay ro fagnambaran'i Yaveh, 39 ka hitsanga zay amin'ny gn'andro farany ze hagnandesako himpoly gny hanagnan'i Elama,zay ro fagnambaran'i Yaveh."