Toko faha 48

1 Ho gnan'i Moaba,Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely la mivola gnan'izao :"Loza ho gnan'i Nebo,fa rava zay.Nisambory i Kiriataima ka nalam-baraka.Potiky voho afa-baraka gny fiaravany mare. 2 Tsy misy sasy gny voninahitsin'i Moaba.Nietiky hanao loza ho gna-drozy gny fahavalon-drozy tao Hesbona.Hoy rozy :"Avia aoky tsika hamotiky gnazy manahaky gny firenena.Ho maty avao koa i Madmena,hangejiky ganareo baka afara ao gny meso." 3 Janjigno! Avy bakagny Horonaima gny feon'ny hitoreo,ze misy harava voho harobaha bevata agny. 4 Rava i Moaba.Hampandre gny fitaraignany gn'anany. 5 Hiakatsy gny tany abon'i Lohita am-pitomagnia rozy,fa amin'ny lalam-pizotsoan'i Horonaima,la ho nja gny kaikaiky noho gny harobaha. 6 Mandosira ka lombao gn'ainareo ka manjaria manahaky gny kirihitsin'anjavidy agny an-tany liomonto. 7 Fa noho ny gny fahatokianao gny fombanao voho hanagnanao,ro hanabora gnanao.Ka i Kemosy la handeha ho amin'ny hababoa,misondry amin'ireo mpisorony voho reo mpitariny. 8 Fa ho avy amin'ny tany iaby gny mpandrava;tsy misy tana ho afaky handositsy.Ka ho velo gny vavasaha voho ho rava gny gebo,araky gny nivolagnin'i Yaveh. 9 Ameo elatsy i Moaba,fa tsy maintsy hitily vatany ie.Ho rava gny tanany,ze tsy misy ndra ia ndra ia gn'ao. 10 Engao ho voaozo ze kamo amin'ny fagnanova gn'asan'i Yaveh!Engao ho voaozo ze tana mitanjaky gny mesony amin'ny fandatsahan-dio! 11 Nahatiaro ho voaaro i Moaba namototsy naha-pamaraky gnazy.Manahaky gny divainy ze tsy mbo nailiny isaky gny valagny ie.Tsy mbo nandeha tamin'ny hababoa ie.Noho zay la soa gny tsirony zisiky farany.minjano tsy miovaova gny tsirony. 12 Ka ingo,ho avy gn'andro,zay ro fagnambaran'i Yaveh,lafa handefa agnaminy reo ze hanosiky gnazy voho handrava gny valagniny iaby voho hamaky gny sihoany Zaho. 13 La ho megnatsy gnan'i Kemosy i Moaba manahaky gny nagnamenaran'ny havorohotan'Israely gnan'i Betela,gny aton'ny fahatokian-drozy. 14 Nagnino ro hivolagnareo hoe:"Rahay la miaramila,johary mpialy fatratsy? 15 Ho rava i Moaba voho ho tafihy gny tanany.Fa gny pamarakiny tovolahy mare la fa nampinjotsoa agny amin'ny toera famonoa.Zay gny fagnambaran'ny Mpanjaka!Yaveh Tompon'ny gny maro ro agnarany. 16 Hitranga tsy ho ela gny haravan'i Moaba;ho avy tsy ho ela gny loza. 17 Nareo iaby magnodidy gnan'i Moaba,mitagnia;voho nareo iaby ze mahay gny lazany,koikoiho hoe:"Loza,fa simba,gny fitoha mahery,voho gny tahon-kazo manam-boninahitsy. 18 Mijotsoa amin'ny fifitaranao be voninahitsy egny ka mifitara agny amin'ny tany maiky,iha anakampela mifitaky ao Dibona.Fa gny handrava gnan'i Moaba ro fa manafiky gnanao,gny handrava gny fiarova mahery. 19 Mitsangana amin'ny lala ka jilovo,nareo vahoaky mifitaky ao Aroera.Agnontanio ze fa nandositsy voho nilay.Volagno hoe:"Nisy igno? 20 Lasa megnatsy i Moaba,fa nitorotoroe ie.Midradradradra ka mitagnia,mitoretoreva fandomba.Ambarao amin'ny vahoaky eo amin'ny renirano Arnona zay fa rava i Moaba. 21 Henanizao la niavy tao amin'ny tany abon'ny fagnasazia,ho gnan'i Holona,Jahaza,voho Mefata, 22 ho gnan'i Dibona,Nebo,voho Beti-diblataima, 23 ho gnan'i Kiriataima,Beti-gamola,voho Beti-meona, 24 ho gnan'i Keriota voho Brozra,voho ho gnan'ny gny tana iaby amin'ny tanin'i Moaba,gny tana lavitsy mare voho gny marikitsy mare. 25 Nitapahy gny tsifan'i Moaba;nitapahy gny sirany,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 26 Atavo mamo ie,fotony niasa amin'ny fibohaboha hanohitsy gnan'i Yaveh ie.Engaho hihosokosoky amin'ny gny loany i Moaba,voho engao hatao fiharatia ie. 27 Fa tsy Israely va ro nanjary fiheheza ho gnanao?Tsy hita tamin'ireo mpangalatsy va ie,ka nanozongozo nanao gny lohanao tagnaminy manahaky gny nivolagnanao gny mikasiky gnazy matetiky? 28 Engao gny tana ka mivoria egny amin'ny kintsy,ry mponin'i Moaba.Manjaria manahaky gny domohina ze manao gny tragnony agny amin'ny vavan'ny lavaky agny amin'ny lamilamy. 29 Jantsika gny habohabohan'i Moaba,ny fiavognavognany,gny fiengitsenginy,gny avognavony,gny fireharehany voho gny fibohabohan'ny gny fony. 30 Zao ro fagnambaran'i Yaveh Zaho avao ro mahay gny safany manohitsy,ze tsy misy dikany,manahaky gn'asany. 31 Ka hidradradradra fitomagnia ho gnan'i Moaba zaho,voho hikaikaiky amin'ny gn'alahelo ho gnan'i Moaba iaby zaho.Hitagny ho gnan'ny vahoakin'i Kira-haresa zaho. 32 Hitagny ho gnanao mandilatsy ze nataoko ho gnan'i Jazera Zaho,ry voalobokonin'i Sibma!Manavatsava gny riaky masira gny rantsanao voho mahatsatsy zisiky agny Jazera.Nanafiky gny voan'ny faharavanao voho gny divainao gny mpandrava. 33 Ka la nala lavitsy gny hazo fihinam-boa voho gny tanin'i Moaba gny fankalaza voho gny fisinisinia.Nampiegny gny fihazan-drozy divay Zaho.Tsy hagnitsaky gny koikoiky fisinisinia rozy.Gny koikoiky iaby la tsy ho koikoiky fisinisinia. 34 Bakany Hesbona ka zisiky agny Elale gny koikoiky,ja agny Jahaza gny feon-drozy,namototsy agny Zoara ka zisiky agny Horonaima voho Elgata-selilia,fa ndra zisiky agny amin'ny ranomasin'i Nimrima aza la maiky. 35 Fa hagnandomo reo ze manao soro eo amin'ny toera abo voho ze magnoro ditin-kazo magnitsy ho gnan'ireo andrianagnahariny ao Moaba Zaho,zay gny fagnambaran'i Yaveh. 36 Ka mitagny gnan'i Moaba manahaky gny sodina gny foko.Mitagny manahaky gny sodina ho gnan'ny gn'olo ao Kira-haresa gny foko.Lasa gny hanagna ze azon-drozy. 37 Fa sola gny loha iaby voho niharatsy gny volom-bava iaby.Amin'ny tagna iaby gny fery, voho magnodidy gny valahan-drozy gny lamba fiojea. 38 Misy fioje ndra aia ndra aia,la egny amin'ny tapela-tafotragno voho egny amin'ireo toera malalakin'i Moaba.Fa nipotehiko manahaky gny valagny ze tsy misy mpitea i moaba,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 39 Ndrey gny nanorotoroa gnazy!Ndrey mivatsavatsa amin'ny tagniny rozy!Mampiodiky gny lambosiny ho amin'ny gny hegnatsy i Moaba!Ka hanjary fiheheza voho fampitahora ho gnan'ireo iaby ze magnodidy gnazy i Moaba." 40 Fa hoy Yaveh hoe:"Ingo,ho avy hitily manahaky gny voromahery gny fahavalo,mamelatsy gn'elany agnambon'i Moaba. 41 Voasambotsy i Keriota,voho babo gny fiarovany mare.Fa amin'izay fotoa zay la ho avy manahaky gny fon'ny gn'ampela mihetsi-jaza gny fon'ireo miaramilan'i Moaba. 42 Ka ho rava i Moaba voho tsy hisy vahoaky sasy,fotony nanao gny vatany ho bevata mandilatsy gnan'i Yaveh ie. 43 Horohoro voho lavaky,voho fandriky ro avy agnaminareo eo,ry mponin'i Moaba,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 44 Ze mandositsy nohon'ny gny fampitahora la hilatsaky agnaty lavaky,voho reo ze manganiky gny lavaky la ho tratsin'ny gny fandriky,fa handay gnan'izay ami-drozy eo Zaho amin'ny taon'ny valifatiko amin-drozy,zay ro fagnambaran'i Yaveh 45 Ze mandositsy la hitsanga tsy manan-kozatsy amin'ny alokin'i Hesbona,fa hiboaky bakao Hesbona gny bolo,gny lelabolo baka agnivon'i Sihona eo.Handevo gny handrin'i Moaba voho gny tampon-dohany gn'olo mpirengirengy zay. 46 Loza ho gnanao,ry Moaba!Rava gn'olon'i Kemosy.Fa halako-babo gn'anakilahinao voho reo anakampelanao ho amin'ny fahababoa. 47 Fa hampoliko gny hanagnan'i Moaba amin'ny gn'andro farany,zay ro fagnambaran'i Yaveh."Domo eo gny fitsara gnan'i Moaba.