Toko faha 47

1 Zao ro nivolagnin'i Yaveh ze niavy tamin'i Jeremia mpaminany mikasiky gnan'ireo Filistina.Zao safa zao la niavy tagnaminy talohan'ny nanafihan'i Farao gnan'i Gaza. 2 Yaveh la nivola gnaninjao:"Ingo,miakatsy gny tondra-drano avaratsy agny.Manahaky gny renirano manaro zay!Ka hagnaro gny tany voho gny raha iaby agnaminiao zay,gny tanany voho gn'olo ao!Noho zay gn'olo iaby la hikoiky fagnampia,ka hitagny gn'olo iaby amin'ny tany io ao. 3 Tamin'ny feon'ny fikatrokatrokin'ny gny kitron'ny soavaly fatratry drozy,tamin'ny fieroritrin'ireo kalesin-drozy voho gny feon'ny laron-drozy,gny razambe la tsy hagnampy gn'anany nohony gny fahalemeany manoka. 4 Fa avy gn'andro ze handrava gnan'ireo filistina iaby,mba handringana ao Tyro voho Sidona gny sisa velo iaby ze te hagnampy gnan-drozy.Fa Yaveh la mandrava amin'ny gny nosy Kaftora. 5 Ho avy amin'ny Gaza gny fahasola.Laha gny amin'i Askelona,la ho hampiegneny gn'olo ze tavela amin'ny vavasahany ao.Zisiky ombia ro hivetsevetseanareo gny vatanareo amin'ny fiojea? 6 Ingo,gny meson'i Yaveh!Zisiky ombia ro hisian'izay zisiky hiegnenanareo?Mimpolia amin'ny fifitaranao!Mitofa voho ka mivola. Manano akory ro ahafahanao tsy hivola,fa Yaveh ro fa nandidy gnanao.Nikaiky gnanao hanafiky gnan'i Askelona voho hanohitsy gny sisin-tany magnaraky gny riaky Ie."