1 Zao ro safan'i Yaveh ze niavy tamin'i Jeremia mpaminany mikasiky reo firenena. 2 Ho gnan'i Egypta:"Mikasiky gny tafikin'i Farao-neko,mpanjakan'i Egypta ze agny Karkemisy amoron'ny onin'i Eofrata zao.Toy gny tafiky ze resin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny fahaefatsy gny tao nanjakan'i Joiakima anakilahin'i Josia,mpanjakan'i Joda:" 3 Atavo vonona reo fiarova kelikely voho gny fiarova bevata,ka mandena hialy. 4 Apetraho agnambon'ny soavaly gny fialia,ka miakara agnambon'ny soavaly ka rambeso gny tsanganano misondry amin'ny aro-doha agnambony;ragnito gny lefonao ka apetraho amin'ny salotsy fiarovanao eo. 5 Fa ino zao jeriko zao?Feno havaka rozy ka mandositsy,fotony resy gny miaramilan-drozy.Mandositsy mila fiarova rozy ka tsy magnety ze afarany ao.Egny amin'ny magnodidy iaby egny gny havaka,zay ro fagnambaran'i Yaveh, 6 tsy afaky mandositsy gny masika lia,voho tsy afaky mandositsy gny miaramila.Totohatsy tavatsy agny rozy ka lavo tagnilan'ny onin'i Eofrata. 7 Ia toy miranga manahaky gnan'i Neily toy,ze mitsoavotsoavotsy miranga voho minjotso manahaky gny vavarano gny ampombony? 8 Miakatsy manahaky gnan'i Neily i Egypta,manahaky gny ampombo ze miakatsy voho minjotso.Hoy i Egypta hoe:"Hiakatsy zaho ka hanaro gny tany.Hanimba gny tana voho gny mpifitaky ao zaho. 9 Miakara,ry soavaly.Aoky ho tezitsy,nareo kalesy.Aoky hiboaky gny miaramila,Kosy voho Pota,gny johary manam-pahaiza manoka amin'ny fampesa gny fiarova,voho Loda,johary manam-pahaiza amin'ny fagnenjagna gny kititsin-drozy. 10 Tamin'io andro io ro andro valifatin'ny Tompo Yaveh Tompon'ny gny maro,ka hamaly faty gny fahavalony ho gnan'ny vatany ie.Handrapaky gny meso ka ho afa-po.Hino gny lio miboboky gnan-drozy zay.Fa hisy soro ho gnan'ny Tompo Yaveh Tompon'ny gny maro agny amin'ny tany avatsy amoron'ny onin'i Eofrata. 11 Miakara agny Gileada ka mangala fagnafoly,ry azakampela virijinin'i Egypta.tsy misy dikany gny nametrahanao fagnafoly lako tamin'ny gny vatanao.Tsy misy fagnafany ho gnanao. 12 Nahanja gny fahafahambarakanao gny firenena.Atsiky fitagnianao gny tany,fa nialy tamin'ny miaramila raiky gny miaramila raiky,ka samby lavo rozy roroe." 13 Zao ro volan'i Yaveh nivolagny tamin'i Jeremia mpaminany lafa niavy nanafiky gny tany Egypta i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona: 14 "Ambarao Egypta ao,voho Tapanesa zay."Rambeso gny toeranao voho hentsegno gny vatanao,fa handrapaky gny magnodidy gnanao gny meso." 15 Nagnino gn'olonao fatratsy ro lavo amin'ny gny tany?Tsy hintsanga rozy,fotony Zaho Yaveh,ro nandrosy gnan-drozy ho amin'ny gny tagny. 16 Mampitombo gn'isan'ireo totohatsy ie.Gny miaramila kiraikiraiky la mifanao tsakaloky gny lovav'ny gny hafa.Hoy rozy hoe:"Mitsangana.Ndagny holy tsika.Ndagny tsika himpoly agny amin'ireo olontsika,agny amin'ny tany niteraha gnantsika.Ndao tsika hagnenga toy meso namono gnantsika toy. 17 Nagnambara tagny rozy hoe:"Farao mpanjakan'i Joda la mantsitsigny avao koa,azy raiky nagnenga gny irakiny ho lasa avao." 18 Laha mbo velo koa Zaho,nagnambara gny mpanjaka,ze gn'agnarany la Yaveh Tompon'ny gny maro la hisy olo raiky ze ho avy manahaky gny vohitsy Tabara voho gny vohitsy Karmela amoron-driaky. 19 Hentsegno gn'enta handesinareo an-tsesitany agny,nareo ze mifitaky agny Egypta.Fa ho foagny i Memsifa,hiroro amin'ny gny faharava ie ka tsy hisy ndra ia ndra ia hifitaky agny. 20 Egypta la aomby vaviny somondrara ampela soa tokoa,fe hisy biby kelikely mitsoboky ho avy baka avaratsy agny.Ho avy zay. 21 Gny miaramila nikarama tagnelagnelany teo la manahaky gn'aomby lahiny vodraky,fa rozy avao koala hiodiky voho handositsy.Tsy hiaraky hintsanga rozy,fotony avy gn'andron'ny gny loza hagnisy gnan-drozy,gny fotoan'ny gny sazin-drozy. 22 Mifioky manahaky gny bibilava i Egypta,ka milaly,fa gny fahavalony koa la avy hanohitsy gnan-drozy.Magnagny amin-drozy manahaky gny mpanapaky hazo miaraky amin'ny famaky rozy. 23 Hanapaky gn'ala rozy,zay ro fagnambaran'i Yaveh,ndra la matevy tokoa aza zay.Fa ho lako mandilatsy gny valala gny fahavalo,tsy hay isahy. 24 Ho afa-baraka gny anakampelan'i Egypta.Hatolotsy an-tagnan'ny vahoaky baka avaratsy agny ie." 25 Yaveh Tompon'ny gny maro,Andrianagnaharin'Israely,la mivola hoe:"Ingo,am-pagnasazia gnan'i Amona bakagny Teba,Farao,Egypta voho gny andrainagnahariny,gny farao mpanjakany,voho gny matoky gnan-drozy Zaho. 26 Hatolotsy hatolotsy an-tagnan'ireo ze mikinia gn'ainy rozy,voho an-tagnan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona voho gny mpanompony.Afaran'izay la tsy ho azo hifitara manahaky gny tamin'ny gn'andro taloha i Egypta,zay ro fagnambaran'i Yaveh. 27 Fa iha,ry Jakoba mpanompoko,la ka mavaka,Ka azo-kavaka,ry Israely,fa ingo,hampimpoly gnanao baky lavitsy agny Zaho,voho gn'anakao baka amin'ny tany naha babo gnan-drozy.La himpoly i Jakoba bakeo,hahita fiadana,ka ho voaaro,ka tsy hisy ndra ia ndra ia hampitahotsy gnazy. 28 Iha,ry Jakoba mpanompoko,ka mavaka,zay ro fagnambaran'i Yaveh,fa misondry agnaminao Zaho,ka handay fandrava tanteraky amin'ireo firenena iaby ze hagnelezako gnanao Zaho.Fa tsy hanimba gnanao tanteraky Zaho.Heloky gnanao araky gny rariny Zaho ka tsy hagnenga gnanao ho afaky sazy."