Toko faha 9

1 La hoy i Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Mandehana agny agnamin'i Farao sady volagno ie hoe: ' Yaveh, Ndranagnahary gny Hebreo, Safagno zao: " Engao gny oloko handeha mba hahafahan-drozy reo manompo Gnahy." 2 Fa laha manda gny hagnenga gnazy reo handeha iha, laha mbo mitandraky gnan-drozy iha, 3 La ho eo amin-gny biby fihare egny am-baibo sady ho eo amin'ireo soavaly, ampondra, rameva, omby, sady reo ondry aman'osy gny tanan'i Yaveh, sady hiteraky areti-mandoza zany. 4 Samby hafa ro hitondran'i Yaveh gny biby fiopin'i Israely voho gny biby fiharen'i Egypta: tsy hisy ho faty gny biby zay gnan'ireo Israelita. 5 Fa nanendry fotoa i Yaveh; hoy Ie hoe: " Hamaray ro hanaovako zany raha zany eo amin-gny tany.""' 6 Nataon'i Yaveh zany gny hamarainy igny: maty gny biby fiharen'i Egypta iaby. Nefa tsy nisy maty kosa reo bibin'ireo Israelita, na biby raiky aza. 7 Nanadihady i Farao, sady ingo, tsy nisy maty na raiky aza reo bibin-gny Israelita. Fa mafy fo ie, ka tsy nengany handeha reo olo. 8 Sady hoy i Yaveh tagnamin'i Mosesy voho Arona hoe: " Mangala lavenoky eran-gny tana bak'amin-gny lafaoro. Iha , Mosesy, ro tsy maintsy hanipy reo lavenoky egny amin-gny rivotsy laha i Farao manenty igny. 9 Ho lasa vovoky madiniky manera gny tany Egypta iaby. Hahavy vay voho fery hiboaky amin'ireo olo voho reo biby manera gny tany egypta iaby zany. 10 Koa la lavenoky bak'ao amin-gny lafaoro i Mosesy voho Arona sady nijoro teo alohan'i Farao. La napitsin'i Mosesy tegny amin-gny rivotsy gny lavenoky. Nahavy vay voho fery niboaky tagnamin'ireo olo voho reo biby lay lavenoky. 11 Tsy nahatohitsy gnan'i Mosesy reo ombiasa noho reo vay, fotony namango gna-drozy voho reo Egyptiana hafa iaby gny vay. 12 Nanamafy gny fon'i Farao i Yaveh, ka tsy nijanjy gnan'i Mosesy voho Arona i Farao. Zany la araky gny volagnin'i Yaveh tagnamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao. 13 Sady hoy i Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Mifohaza maraindray be, mitsangana eo alohan'i Farao, sady volagno ie hoe: " Yaveh, Ndranagnahary gny Hebreo, nisafa zao: " Engao gny oloko handeha mba hahafahan-drozy manompo Gnahy." 14 Fa amin'izay fotoa zay la handefa reo areti-mandringa iaby amin-gny vatanao, amin'ireo mpanomponao, voho amin'ireo olonao Zaho. Hataoko zao mba hahafantaranao fa tsy misy manahaky Gnahy amin-gny tany iaby. 15 Fa henanizao la afaky nagnampatsy gny tagnako sady namango gnanao voho gny olonao tamin-gny arety zaho, sady ho lany ritsy eto amin-gny tany nareo. 16 Fa zao ro antony nagnengako gnanareo ho velo: mba hanehoako agnaminareo gny heriko, mba hagnambara gny agnarako manera gny tany iaby. 17 Mbo manondrotsy gny tehinao manihitsy reo oloko avao iha amin-gny tsy fagnenga gnazy handeha. 18 Janjigno! Hamaray amin-gny ora manahaky zao la handay havandra mivatravatra be zaho, zay mbo tsy nisy manahaky izay jery teto Egypta zisiky nanombohan-gny andro hatra henanizao. 19 Henanizao la, magniraha johary sady avorio reo biby fiharinareo voho gny raha iaby anagnanareo egny am-baibo ho amin-gny toera azo antoky. Gny olo iaby voho gny biby zay egny am-baibo sady tsy nandesiny noly__hilatsaky eo amin-drozy gny havandra, sady ho maty drozy.""" 20 Sady reo mpanompon'i Farao zay nino gny hafatr'i Yaveh nanday malaky reo mpanompo voho reo biby fiharen-drozy reo nandeha an-tragno. 21 Fa reo zay tsy nanday gny hafatri'i Yaveh am-pamatora la nagnenga reo mponompo voho gny biby fiharen-drozy teny am-baibo. 22 La hoy i Yaveh tagnamin'i Mosesy hoe: " Amparo magnagny amin-gny lagnitsy gny tagnanao mba hisian-gny havandra amin-gny tany Egypta iaby, amin-gny olo, amin-gny biby, sady amin-gny raha mitiry iaby egny am-baibo manera gny tany Egypta iaby." 23 Nagnampatsy gny tehiny magnagny amin-gny lagnitsy i Mosesy, sady Yaveh nandefa kotrok'orana, havandra, helatsy tamin-gny tany. Nandatsaky havandra tamin-gny tany Egypta avao ko Ie. 24 Sady la nisy havandra voho helatsy mifangaro havandra, nahery vaiky, izay mbo tsy nisy tao amin-gny tany Egypta zisiky naha firenena gnazy. 25 Nanera gny tany Egypta iaby, namango gny raha iaby am-baibo, sady gny olo voho reo biby gny havandra. Namango gny raha maniry iaby tegny am-baibo sady nanapaky reo hazo izay. 26 Tao amin-gny tany Gosena avao, zay nipetrahan'ireo Israelita, ro tsy nisy havandra. 27 Sady Farao nagniraky johary hikaiky gnan'i Mosesy voho Arona. Hoy ie Tagnamin'ireo hoe: Fa nanota zaho henanizao. Yaveh la to, sady zaho voho gny oloko la raty fagnahy. 28 Mivavaha agnamin'i Yaveh, fotony maro mare gny varatsy mahery voho gny havandra. Hengako handeha nareo, sady tsy hijano eto sasy nareo." 29 Hoy Mosesy tagnaminy hoe: " Laha vo miala eto amy toy tana toy zaho, hasondrotsy agny amin'i Yaveh gny tagnako. Hijano gny hotsoky, sady tsy hisy havandra sasy. Zany gny fomba hahaizanao fa gnan'i Yaveh gny tany. 30 Fa gny agnaminao voho reo mpanomponao, haiko fa tsy mbo tena magnome voninahitsy gnan'i Yaveh Ndranagnahary nareo." 31 La simba gny hasim-bazaha voho gny vary hoedea, fa gny vary hordea la masaky am-potony, sady namony gny hasim-bazaha. 32 Fa gny varim-bazaha voho gny apemby la tsy nanino fotony reo la fa vokatsy tatoy afara. 33 Lafa nandao gnan'i Farao voho gny tana i Mosesy, la nasondrotsy ho amin'i Yaveh gny tagnany; nijagno gny hotroky voho gny havandra, sady tsy nilatsaky sasy gny ora. 34 Lafa jerin'i Farao fa nijano gny ora, gny havandra, sady gny hotroky, la nanota ndraiky ie sady nanamafy gny fony, nisondry tamin'ireo mpanompony. 35 Nihamafy gny fon'i Farao, ka tsy nagnenga gny olon' Israely nandeha ie. Zany la araky gny safan'i Yaveh tagnamin'i Mosesy fa ho ataon'i Farao.