Toko faha 10

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe:" Mandena amin'i Farao agny,fa gny fony noho gnan'ny mpanompony reo la fa nihereziko.Nataoko zay mba hisehoan'ny gny famantara mikasiky gny heriko amin-drozy eo. 2 Nataoko avao koa zay soa mba hagnambaranao reo anakao voho gny zafinao,gny raha nivitako,gny hahenjan'ny gny fomba nagnandesako gnan'i Egypta voho gny fomba nagnomezako famantara lako mikasiky gny heriko tamin-drozy.Zay raha zay ro hahaizanao fa zaho ro Yaveh." 3 Ka la namonjy gnan'i Farao i Mosesy noho Arona sady nivola hoe:"Zao gny safan'i Yaveh Andriamagnitsy gny Hebreo:"Im-piry gny handagnanao tsy hiambany agnamiko eto?Engao gn'oloko handeha mba hanompo Gnahy. 4 Fa laha mbo manda tsy handefa oloko reo iha,la handefasako valala gny taninao hamaray avao. 5 Hameno gny tany iaby ireo ka tsy misy olo hahita tany.Hihina ze sisa tavelan'ny havandra reo.Hihina ze hazo tavela mitiry am-baibo egny ho gnanao koa. 6 Ho feno gnazy gny tragnonao,voho gnan'ny mpanomponao reo,noho gnan'ny Egyptiana koa aza.Raha mbo tsy nihitan'ny gny fijerin'ny babanareo noho gny razanareo,mbo tsy nisy nindraiky liany naha tan-tany eto an-drozy hatramizao."Bakeo lasa Mosesy nienga an'i Farao. 7 Ka hoy mpanompon'i farao reo tagnaminy:"Hatramin'ny ombia johary io ro hangorohoro antsika avao?Engao Israelita reo handeha soa hanompo an'i Yaveh Ndragnaharin-drozy zao.Tsy hainao moa fa rava Egypta? 8 La nandesy tamin'i Farao ndraiky Arona noho Mosesy,zay nivola tamin-drozy hoe:"Mandena manompo gnan'i Yaveh Tomponao. Fa ia iaby moa gnolo handeha io? 9 Hoy Mosesy hoe:"Handeha hisondry amin'ny tanora voho gny antitsy rahay,voho gnanakay johary voho gnanak'ampelanay.Handeha miaraky amin'aondry voho aosy voho aomby reo rahay,fotony tsy maintsy hisinisiny amin'i Yaveh zahay." 10 Fa hoy Farao tamin-drozy hoe:"Ho tahin'i Yaveh lahy nareo,laha ohatsy ka alefako handeha nareo voho gnanakareo reo.Sady hitako fa mana vetsivetsy raty nareo. 11 Aha!Mandena,gny johary agnaminareo avao,ka manompoa gnan'i Yaveh,fa zay raha ilanareo io."La nandesy niboaky bak'amin'i Farao ao i Mosesy voho Arona. 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy:"Amparo amin'ny tany Egypta gny tagnanao ho amin'ny valala reo,soa hanafiky gny tanin'ny Egypte rozy ka hihina gny raha tomiry,noho ze raha mbo tavela tsy torotoron'ny havandra igny. 13 Natsangan'i Mosesy tamin'ny tany Egypta gny tehiny,ka nanday tsioky bak'antignanan'i Egypta Yaveh tamin'ny antoandro noho gny haly.Lafa avy gny maraindray,nandesin'ny tsioky bak'antignana agny gny valala. 14 Nandeha nameno gny tany Egypta iaby gny valala,feno azy gny faritsy manontolo.Mbo tsy nisy valala maro mihoatsy an'izay sady tsy hisy hitovy agnaminy ndra mbia mbia. 15 Maiky gny tany manontolo fotony feno an-drozy.Nihanin -drozy ze raha tavela tamin'ny havandra rey.Tsy nisy raha nitiry sasy,ndra hazo ,ndra gny fambolea am-baibo egny. Nameno gny tanin'i Egypta manontolo,la tsy nisy tavela ndra raha maintso ndra hazo ndra raha tomiry am-baibo agny. 16 Bakeo,nampikaiky an'i Mosesy voho Arona,ka hoy ie:"Nanota tamin'i Yaveh Ndragnaharinareo zaho noho tagnaminareo koa aza. 17 Ka amizao la mamela gny hadisoako amin'ny raha mahazo gnahy toy,sady mangataha amin'i Yaveh Tomponareo soa halany agnamiko fahafatesa toy." 18 Lasa niboaky bak'amin'i Farao ao Mosesy sady nangataky tamin'i Yaveh. 19 Nanday tsioky mahery bak'andrefa koa Yaveh,nanday valala reo hivory amin'ny riaky mena agny,tsy nisy valala tavela ndra raiky amin'ny fari-tanin'Egypta ao. 20 Mbo niherezin'i Yaveh avao gny fon'i Farao,ka mbo tsy nabotony avao Israelita reo. 21 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh hoe: "Atsangano magn'andagnitsy agny gny tagnanao,soa haiky gny tanan'i Egypta,haiky la tsy hifankahita. 22 Nananga gny tagnany magn'an-dagnitsy agny Mosesy,ka lasa maiky faratampony eran'ny Egypta manontolo.tagnatiny telo andro. 23 Tsy nisy olo nifankatia ndra raiky,tsy nisy niboaky tragno agnatiny telo andro zay. Kanefa,nana fahazava koa reo Israelita teo amin'ny toera nifitahan-drozy 24 Nampikaiky an'i Mosesy i Farao, ka hoy hoe: " Mandehana manompo an'i Yaveh. Azonao andesy miaraky agnamin ao iaby ndra gny fianakavianao, fa aondry voho aosy noho aomby reo ro tsy maintsy ajano. 25 Ka hoy Mosesy hoe: " Tsy maintsy omenao biby rahay, hanaovanay soro, hovonoanay ho an'i Yaveh Tomponay. 26 Tsy maintsy handesinay iaby harinay reo, tsy hasiangy tavela ndra. Andesiny reo mba hanompoanay an'i Yaveh Ndranaqgnahary. Fotony tsy hainy hoe tompoany amin'ino moa Yaveh mandra-piavianay agny. 27 Fe mbo niherezin'i Yaveh avao gny fon'i Farao, ka tsy nengany handeha rozy. 28 Ka hoy farao tamin'i Mosesy: " Miala gnahy iha! sady mitandrema amin'ny raha raiky toy, tsy ino zay fa gny tsy hahitanao gnahy sasy, fotony ho maty iha amin'ny fotoa tokony hahitanao gny tarehiko." 29 Marina zay, hoy Mosesy.' Tsy hahita gny tarehinao sasy zaho."