Toko faha 11

1 Fa hoy Yaveh tamin'i Mosesy: " Mbo misy areti-mamono raiky handesiko ho an'i Farao voho Egypta. Afaran'izay nareo vo engany handeha hiala eto. Ho roawsiny tanteraky nareo, lafa abotony handeha. 2 Toronareo lala vahoaky reo fa hangataky firavaky volafoty noho volamena amin'ny olo ze miharo mipetraky aminy gny lehilahy voho gn'ampela iaby. 3 La nataon'i Yaveh nifankatia gny Israelita voho gny Egytiana. I Mosesy dia johary tena nampazoto olo mpiasan'i Farao reo noho vahoakin'i Egypta reo. 4 Nivola Mosesy hoe: " Nisafa Yaveh hoe: " Hiriorio mbamin'ny tany Egypta zaho lafa sasakaly. 5 Reo lahimatoa iaby ao ami-gny tany Egypta la ho maty, manomboky ami-gny lahimatoan'i Farao, zay mpipetra eo amin-gny seza fiandriana, ka hatrami'ny lahimatoan'ny mpanompo ampela zay ao ambaliky gny fikosoham-bary mandisa zay, sady hatrami'ny talagn'olo gny biby fihare iaby. 6 La hisy fidradradradrana bevata manera gny tany Egypta iaby, zay tsy mbo nisy manahaky zay sady tsy hisy zay sasy. 7 Fa na la gny alika aza la tsy hivovo na aia na aia ami-gny vahoakan'Israely, na amin-gny olo na ami-gny biby. Amin'izay fomba zay ro hahaizanao fa samy hafa gny fitondrako gny Egyptiana voho gny Israelira.' 8 Reo mpanomponao iaby, ry Farao, la hizotso toy agnamiko sady hiankohoky eto agnamiko. Hisafa rozy hoe: " Mandena, iha vo reo vahoaky zay manaraky gnanao! Afaran'izay la hiboaky zaho." La niboaky tao amin'i Farao tamim-pahasiaha mare ie. 9 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Tsy hijanjy gnanao i Farao. Zay la mba hanaovako raha mahatreriky maro eo ami-gny tany Egypta." 10 Nataon'i Mosesy vo Arona agnatrehan'i Farao reo raha mahatreriky iaby reo. Fa i Yaveh nanamafy gny fon'i Farao, ka tsy nagnenga gny vahoakan'i Israely niboaky gny taniny i Farao.