Toko faha 12

1 Yaveh nisafa tagnamin'i Mosesy vo Arona tao ami-gny tany Egypta. 2 Hoy Ie hoe: " Ho gnanareo, toy vola toy ro ho fiandohan'ireo vola, la gny voalohan'ny vola amigny tao ho gnanareo. 3 Volagno ami'ny fiangonan'Israely hoe: 'Amin'ny andro fahafolony toy vola toy rozy la tsy maintsy mangalaky ondry na anak'aosy bakamin-drozy, gny longo kiraidraiky la samy hanao zay, anak'aondry raiky isaky gny longo. 4 Laha tsy ampy mare ka tsy hahalany anak'aondry vo gny raiky gny mpilongo raiky, gny johary vo gny mpiray tana aminy la tokony hangalaky henan-janak'ondry na anak'aosy zay ampy ho jaboiny iaby zay, noho zay rozy reo la tsy maintsy mangalaky hena mety hahavoky gnazy iaby. 5 Tsy tokony hisy handra mihitsy gny anak'aondry na gny anak'aosinareo, lahy herintao. Afaky mangalaky raiky amin'ireo aondry na aosy nareo. 6 Tsy maintsy karakarainareo soa zay mandra-pahavian'ny andro hafa efatsy ambin'ny folon'io vola io. Sady tsy maintsy mamono reo biby reo gny fiangonan'Israely iaby amin'ny takariva. 7 Tsy maintsy mangalaky sasany ami'ny lio nareo sady mametraky zay amin'ny tolam-baravaran'ny roa voho eo ami'ny tataom-baravaran'ny tragno ao amin'izay hijaboanareo gny hena. 8 Tsy maitsy hojaboinareo amy haly avao lay hena, iaby natono mialoha tamin'ny afo. Hano miaraky amin'ny mofo tsy misy masirasira, miaraky amin'ny hagnitsy fafaitsy zay. 9 Ka hany manta na ampangotrahy amin'ny rano zay. Fa koa, atono amin'ny afo miaraky amin'ny lohany, gny tombony sady gny ao agnatiny. 10 Tsy tokony henganareo ho tratsy maray gny ambin'izay. Tsy oloanareo zay sisa tavela min'ny maraindray. 11 Zao ro fomba tsy maintsy hijaboanareo zay: mifatotsy gny fehi-kibonareo, gny kapanareo egny amin'ny tambonareo, sady gny tehy egny tagnanareo. Tsy maintsy mijabo maiky izay nareo. Zay ro Paskan'i Yaveh 12 Zao ro safan'i Yaveh: Handeha mamakivaky gny tany Egypta Zaho amy toy haly toy ka handrava gny talagnolo gny olo voho biby iaby ao amin'ny tany Egypta. Handay famaiza ho gnan'ireo Ndragnaharin'i Egypta iaby Zaho. Zaho ro Yaveh. 13 Gny lio ro ho famantara eo amin'ny tragnonareo gny amin'ny fahaviako ao aminareo. Lafa mahajery gny lio Zaho, la handalo eo agnaminareo avao lafa handrava gny tany Egypta. Tsy ho ao agnaminareo ka handrava anareo gny loza. 14 Ho andro fahatiarova ho gnanareo io andro io, zay tsy maintsy hotandremanareo ho fisinisinia ho gnan'i Yaveh. Ho lalagna ho gnanareo mandrakariva, amin'ny avorohota gny vahoakinareo, fa tsy maintsy mitandrina zay andro zay nareo. 15 Hijabo mofo tsy misy masirasira nareo mandritra gny fito andro. Amin'ny andro voalohany nareo la hangala gny lalivay ao an-tragnonareo. Na ia na ia mijabo mofo tsy misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahavia gny andro fahafito, zay olo zay la tsy maintsy halana ao Israely. 16 Amin'ny andro voalohany la hisy fikambana zay atoka ho Gnahy, sady amin'ny andro fahafito la hisy famoria hafa manahaky zay. Tsy misy asa ho atao amin'izay andro izay, afa-tsy gny miketriky hany hajaboy iaby. Zay avao ro asa azonareo atao. 17 Tsy maintsy tandrema io andron'ny Fankalaza gny Mofa tsy misy Lalivay io fotony amin'io andro io ro handaisako gny olonareo, isan-tokony bakeo, hiala gny tany Egypta. Ka tsy maintsy tandremanareo amin'ny avorohota gny olo zay andro zay. Ho lalagna ho gnanareo mandrakariva zay. 18 Tsy maintsy mijabo mofo tsy misy lalivay nareo manomboky amin'ny takarivan'ny andro faha efatsy ambin'ny folo amin'ny vola voalohan'ny tao, mandra-pahavian'ny takarivan'ny andro fara-iraika amby roapolon'ny vola. 19 Mandritra reo andro fito reo, la tsy tokony hisy lalivay hita mihitsy ao an-tragnonareo. Zay iaby mijabo mofo misy lalivay la ho alana amin'ny vondron'Israely, na vahiny zay olo zay na olo teraky teo amin'ny taninareo. 20 Tsy tokony hijabo raha misy lalivay mihitsy nareo. Na aia na aia hombanareo, la tsy maintsy mijabo mofo tsy misy masirasira."' 21 Sady nikaiky gny loholon'Israely iaby i Mosesy ka nivola tamin-drozy hoe: " Mandehana sady mifilia ondry na anak'aondry zay ampy hamahana gny longonareo ka vono gny anak'aondrin'ny Paska. 22 Bakeo la mangala rantsa hysopa sady atsoboho ao agnatin'ny lio zay ao agnaty koveta zay. Koseho amin'ny tolam-baravara roa vo tataom-baravara gny lio zay tao agnaty koveta. Tsy misy na ia na ia mahazo miboaky gny tragnony mandra-piavin'ny maraindray. 23 Fotony Yaveh la handalo mba handrava reo Egyptiana. Lafa mahajery gny lio amin'ny tataom-baravara vo gny tolam-baravara roa Ie, la handalo avao amin'ny varavaranareo sady tsy hagnenga gny mpandrava hilitsy ao an-tragnonareo mba hamango gnanareo. 24 Tsy maintsy tandremanareo zay fotoa zay. Ho lalagna mandrakariva ho gnanareo vo gny avorohotanareo zay. 25 Lafa hilitsy gny tany zay homen'i Yaveh gnanareo nareo, araky zay fa nampanantenainy ho ataony, la tsy maintsy hitandy zay fomba fivavaha zay nareo. 26 Lafa magnotany nareo gny anakareo hoe: " Ino ro dikan'izao fomba fivavaha zao? 27 La tsy maintsy hivola nareo hoe: ' Soron'ny Paskan'i Yaveh zao, fotony nandalo tamin'ny tragnon'ireo Israelita tao Egypta Yaveh lafa namango an'ireo Egyptiana. Nanafaky gny avorohota ka nandrengy gnan'i Yaveh. 28 Nandeha reo Israelita ka araky zay nandilian'i Yaveh gnan'i Mosesy vo Arona. 29 Sady tamin'ny sasak'aly la naravan'i Yaveh gny talagn'olo iaby tao amin'ny tany Egypta, nanomboka tamin'ny lahimatoan'i Farao, zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana, hatramin'ny lahimatoan'ilay olo tagny an-tragnomaiky mbamin'ny voaloha-teraky gny biby fihary iaby. 30 Nifoha i Farao lafa haliky__ rozy mpanompony iaby, sady gny Egyptiana iaby. Nisy fitomaniana mare tao Egypta, fotony tsy nisy tragno zay tsy nisy maty tao agnatiny. 31 Nikaiky gnan'i Mosesy vo Arona i Farao gny haliky sady nivola hoe: " Mitsangana, miala eo amin'ny vahoakako, nareo vo reo Israelita. Mandena, manompoa gnan'i Yaveh, araky zay nambaranareo fa tianareo hatao. 32 Andeso gny aondry aman'osinareo vo gny ombinareo, araky zay nivolaninareo, sady mandena, ka tsofy rano avao koa zaho." 33 Tao agnaty fahikia tanteraky ro nandroahan'ireo Egyptiana an-drozy hiala gny tany, fotony hoy rozy : " ho maty iaby tsika iaby." 34 Ka la nangalaky gny koba tsy misy lalivay gny vahoaky. Fa nifatotsy tao amin'ny akanjon-drozy vo teo amin'ny soron-drozy gny finga fijaboa. 35 Sady nanao araky zay nivolagnin'i Mosesy azy rozy gny vahoakan'Israely. Nangataky volafoty, volmena, sady akanjo tamin'ireo Egyptiana rozy. 36 Nataon'i Yaveh nila sitraky tamin'ireo Israelita gny Egyptiana. Ka namean-drozy Egyptiana reo iaby zay iaby nangatahin-drozy. Tamin'izay fomba zay ro nandroban'ireo Israelita an'ireo Egyptiana. 37 Nandeha bakagny Ramesesy nagnagny Sokota reo Israelita. Teo nho eo amin'ny 600.000 rozy ro nandeha tomboky, niampy reo aja amin'ampela. 38 Vahoaky nifangaro zay tsy Israelita avao koa ro nandeha nisondry tamin-drozy, nisondry tamin'ny aondry amn'aosy vo aomby, sady biby fihare marobe. 39 Nanao mofo tsy misy masirasira tamin'ny Koba zay nentiny bakagny Egypta rozy reo. Tsy nisy maisrasira zay fotony noroahy bakagny Egypta rozy ka tsy afaky nitaraidraiky tamin'ny fikarakara hany. 40 430 tao ro niaignan'ireo Israelita tao Egypta. 41 Tamin'ny fiafaran'ny 430 tao, tamin'izay andro izay indrandra, ro nialan'ireo antokon'i Yaveh iaby tao amin'ny tany Egypta. 42 Haly tsy fatoria io haly io, fotony Yaveh ro nanday gnazy reo hiala gny tany Egypta. Zay ro halin'i Yaveh zay tokony ho tandreman'ireo Israelita iaby hatramin'ny avorohonny gny vahoakan-drozy. 43 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy vo Arona: Toy ro fitsipiky amin'ny Paska: tsy misy vahiny mana anjara amin'ny fijaboa zay. 44 Nefa, gny andevon'ny Israelita iaby, zy noviliam-bola, la afaky mijabo lafa baka noforain'ireo ie. 45 Reo vahiny vo reo mpanompo nokaramainy la tsy mahazo mijabo amin'ny hany. 46 Gny hany la tsy maintsy jaboe ao an-tragno. Tsy tokony handay gny hena agny amonton'ny tragno nareo, sady tsy tokony hanapaky taola amin'izay mihitsy. 47 Tsy maintsy mitandry gny fisinisinia iaby gny fiaraha-monina Israely iaby. 48 Laha misy vahiny miara-mipetraky agnaminareo ka te-hitandry gny Paskan'i Yaveh, la tsy maintsy tapahy iaby reo longony johary iaby. Sady afaky avy ie ka mitandry zay. Na zay aza, la tsy misy olo tsy voa tapaky afaky mijabo amin'ny hany. 49 Zay lalagna zay hihatra amin'ny teratany vo gny vahiny zay mipetraky eo aminareo." 50 Ka la tena nanao araky zay nadidian'i Yaveh an'i Mosesy vo Arona reo Israelita iaby. 51 Sady tamin'io andro io indrindra ro nandaisan'i Yaveh gny isan-tokon'Israely niboaky gny tany Egypta.