Toko faha 8

1 Sady Yaveh nisafa tamin'i Mosesy hoe: " Mandehana agny amin'i Farao sady resafo ie hoe; ' Zao safan'i Yaveh: " Ao gn'oloko handeha mba ho afaky manompo gnahy. 2 Laha rozy ro tsy abototsao handeha, la hampijaly gny firenenao manontolo amin-gny tsaboketra zaho. 3 Ho atsiky tsaboketra gny renirano. Hiranga rozy sady hilitsy ao an-tragnonao, gny efitsy firoroanao, voho gny fandreanao. Ho agny amin-gny tragnon'ireo mpanomponao reo. Ho amin-gny olonao, gny laforonao, noho reo finga fagnamboara mofo. 4 Hanafiky gnanao, gny vahoakinao, sady gny mpanomponao iaby reo tsaboketra.""' 5 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Volagno i Arona hoe: 'Amparo eo agnabon-gny renirano, gny lakan-drano voho dobo reo gny tagnanao miaraky amy gny tehinao, ka andeso hameno gny tany Egypta tsaboketra reo. 6 La naampats'i Arona amy ranon'i Egypta gny tagnany, ka niboaky gny tsaboketra nameno gny tany Egypta. 7 Nefa nanao manahaky an'izay koa gn' ombiasa tamin-gny aolin-drozy. Nanday tsaboketra niakatsy gny tany Egypta rozy. V 8 Ka nikaiky gnan'i Mosesy voho Arona i Farao ka nisafa hoe: " Mivavaha amin'i Yaveh mba halany gny tsaboketra eto agnamiko voho amy reo oloko. La hagnenga gny olo handeha zaho, mba hahafahan-drozy reo manao soro ho Gnazy." 9 Hoy Mosesy tamin'i Farao hoe: Iha la mana fahafaha hisafa agnamiko hoe mbia zaho ro tokony hivavaka ho gnanao, reo mpanomponao, sady reo olonao vahoakanao zaho, mba hanala reo tsaboketra eo aminao voho gny avorohotanao ka hiegny agny an-drenirano avao. 10 Farao nisafa hoe: " Hamaray". Sady Mosesy nisafa hoe: " Ao hatao araky gny safanao zay, mba hahaizanao fa tsy misy manahaky gnan'i Yaveh, lay Ndranagnaharinay. 11 Hienga eo agnaminao, gny tragnonao, reo mpanomponao, sady reo vahoakinao gny tsaboketra. Fa hijano eo amin-gny renirano avao. 12 Niboaky niala teo amin-gny Farao i Mosesy voho Arona. Sady Mosesy nihiaky mare tamin'i Yaveh mikasiky gny tsaboketra zay nandesiny teo amin-gny Farao. 13 Sady Yaveh nanao ze raha nangatahin'i Mosesy: maty tao amin'ireo tragno, tan-tokotany, voho tam-baibo reo tsaboketra. 14 Navorin'olo reo nivorivory reo,la namofo gny tany. 15 Lafa jerin'i Farao fa nisy fiegnenany, la nifatrariny gny fony ka tsy nijany gnan'i Mosesy voho Arona ie, manahaky gny volan'i Yaveh fa hataony. 16 Niresaky tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh hoe: " Volagno i Arona hoe: " Ampiakaro gny tehinao ka vango lemboky amin-gny tany io, soa hanjary moky hameno gny tany Egypta iaby." 17 Ka izao gny nataon-drozy: Natsangan'i Arona gny tagnany voho gny tehiny. Nivangoany lemboky tamy tany igny. Ka la namonjy olo reo gny moky noho biby hafa. Nanjary moky iaby gny lemboky tamy tany Egypta . 18 Mba nanao ze hampisy moky tamin-gny aolin-drozy reo koa gny ombiasa, fe tsy afaky. Nisy moky gny tamin'olo reo noho biby. 19 La hoy gn'ombiasa tagnamin'i Farao hoe: " Tagnan-Dranagnahary zao". Niha-nahery avao gny fon'i Farao, ka nanda ie sady tsy nijanjy an-drozy. Fa ela gny nivolagnan-Dranagnahary gnan'izay fa hoe hataon'i Farao. 20 Hoy Yaveh tagnamin'i Mosesy: " Mifohaza mbo maraindray be iha ka nitsangana alohan'i Farao eo lafa ie ro mandeha ho an-drenirano agny. Volagno ie hoe: " Zao gny safan'i Yaveh: " Ao gn'oloko handeha mba ho afaky manompo gnahy. 21 Fa laha reo ro tsy abototsao, handefa lalitsy maro agnaminao, amin-gny mpanomponao, amin-gny olonao, voho amin-gny reo zay ao an-tragnonao zaho. Gny tragnon-gny Egyptiana reo ho feno lalitsy, ndra gny tany ze hitsanganan-drozy aza ho feno iaby koa. 22 Fa amin'andro zay zaho la handay gny tanin'i Gesena amin-gny fomba hafa, tany zay hipetrahan-gny oloko reo mba tsy hisy lalitsy. Hataoko zay mba hahaizanao fa zaho ro Yaveh eto agnivon-gny tany toy. 23 Hanao favaha eo amin-gny vahoakiko voho gny vahoakinao Zaho. Izay famantara gny heriko zay la hitranga hamaray.""'. 24 Nanao zany i Yaveh, ka avy tao an-tragnon'i Farao voho reo mpanompony reo lalitsy matevy maro. Eran-gny tany Egypta manontolo, simba gny tany noho reo andian-dalitsy 25 Nampikaiky gnan'i Mosesy voho Arona i Farao ka vinolany hoe: " Mandehana, manaova soro ho gnany Ndranagnaharinareo amin-gny taninareo manoka ." 26 Ka hoy i Mosesy tagnaminy: "Tsy mety agnaminay gny manao izay, fa reo soro zay ataonay ho gnan'i Yaveh Ndranagnaharinay la mampangaroharo ho gnan'ireo Egyptiana. Laha manao soro to eo imason-drozy rahay zay mampangaroharo gnan'ireo Egyptiana, tsy ho tarahan-drozy vato va rahay? 27 Aha! Gny handeha agnatiny telo andro agn'efitsy agny ro tsy maintsy hataonay, mba hanaovanay soro ho gnan'i Yaveh Ndranagnaharinay, fa zay ro nandidiany anay." 28 Hoy i Farao hoe: " Hagnenga anareo handeha voho hanao soro ho gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo agny an-efitsy zaho. Fa ao koa tsy handeha lavitsy mare nareo. Mivavaha ho gnahy." 29 Hoy i Mosesy hoe: Vo miboaky bak'aminao zaho la hivavaky agnamin'i Yaveh mba hialan-gny lalitsy maro eo agnaminao, Farao, voho reo mpanomponao sady gny olonao hamaray. Fa ao iha tsy hamitaky sasy amin-gny tsy fagnenga gny olonay handeha hanao soro ho gnan'i Yaveh". 30 Niboaky bak'amin-gny Farao i Mosesy sady nivavaky tamin'i Yaveh. 31 Nataon'i Yaveh zay nangatahin'i Mosesy: nangalaky gny andian-dalitsy teo amin-gny Farao, voho reo mpanompony, sady reo olony Ie. Tsy nisy na raiky aza tavela. 32 Nefa Nagnamafy gny fony avao koa i Farao tamin'izay fotoa zay, sady tsy nagnenga gny olo handeha.