Toko faha 7

1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: " Ingo fa nataoko ho toy gny Ndranagnahary ho gnan'i Farao iha. Arona zokiko ro ho mpagnambara hafatsinao. 2 Iha ro hivola kila raha iaby hampiraharako gnanao. Hivola amin'i Farao i Arona rahalahinao mba hagnengany gny gn'olon' Israely hiala amin-gny taniny. 3 Fa hagnampy gny fon'i Farao zaho, sady zaho koa hanoro famantara maro mikasiky gny heriko, voho hatsereha maro amy gny Egypta. 4 Fe tsy hijanjy gnanao i Farao, ka hapetrako ao Egypta gny tagnako sady hampiboaky johary mpialy reo, gn'oloko voho anak' Israely, henga an' Egypta amy sazy bevata toy 5 Ka ho hain-gny Egyptiana reo fa zaho ro Ndranagnahary lafa hanoro gny tagnako, amy Egypta noho hangalaky Israelita reo tsy ho amin-drozy eo Zaho. 6 La nataon'i Mosesy voho Arona ze nampanaovin-Dranagnahary an-drozy. 7 Valopolo tao Mosesy, valopolo telo amby tao Arona, lafa miresaky tamin'i Farao rozy. 8 Ka hoy Yaveh tamin'i Mosesy noho Arona hoe: 9 " Lafa mivola aminao i Farao hoe: " Manaova fahagaga; hivola an'i Arona iha hoe: " Rambeso gny tehinao ka atoraho alohan'i Farao ao fa hanjary bibilava". 10 La nandeha tamin'i Farao agny Mosesy noho Arona sady nanao ze raha nandilian'i Yaveh an-drozy. Natsipin'i Arona teo alohan'i Farao voho reo mpanompony lay tehy igny ka la nanjary bibilava. 11 Nikaihin'i Farao koa gn'olo kendriny noho mpanao aoliny rey ka nanao manahaky an'izay koa tamin-gny aolin-drozy. 12 Nanoraky gny tehiny gny johary kiraikiraiky ka samby lasa bibilava iaby fe natelin-gny tehin'i Arona gny bibilavan-drozy. 13 Niha-mahery gny fon'i Farao, sady tsy nijanjy ie, fa nivolagnin-Dranagnahary taloha raha zay. 14 Hoy Ndranagnahary tamin'i Mosesy hoe: " Mahery fo i Farao, sady tsy hagnenky gny handehanan'olo reo. Mandehana mbo maray amin'i Farao agny, lafa ie ro miboaky ho an-drano agny igny. 15 Mijagnona mariniky rano io iha soa ho kojy gnazy ka rambeso ho an-tagna tehy nanjary bibilava igny. 16 Volagno aminy hoe: 'Yaveh, Ndranagnaharin'ireo Hebreo ro nandefa gnahy aminareo atoy, hivola hoe: " Engao gn'oloko handeha mba hanompoan-drozy gnahy an-tany efitsy agny. Fa tsy mety iha hatramizao." 17 Izao ro fasan'i Yaveh: "Amin'izao ro hahalalanao fa zaho ro Yaveh. Hikapoky gny reniranon'i Neily amin-gny tehy izay ety an-tanako zaho, ka hivaliky ra gny renorano. 18 Gny fia agnatin'ny renirano la ho maty,ka la ho maimbo gny renirano.Tsy ho afaky hino gny rano baka amin'ny renirano reo Egyptiana." 19 Ka hoy Yaveh tamin'i mosesy Hoe:Volano i Arona hoe :"Rambeso gny tehinao ka amparo miaraky amy tagnanao amy rano eeEgyptiana, voho amy reniranon-drozy reo,reo rano mandeha ,gny rano mivory voho gny dobo-ndrano,soa hanjary lio reo rano reo.Atavo zay soa hisy lio eran'ny tany iaby,ndra amy ze misy hazo,ndra vato aza. 20 Nanao araky zay nandilian'i Yaveh i Mosesy voho Arona. Nampiakatsy gny tehiny Arona sady nivinagony lay rano teny amin-gny renirano, teo agnilan'i Farao voho reo mpanompony. Sady nivadiky lio gny rano iaby tagny amin-gny renirano. 21 Maty reo hazandrano tao agnaty renirano, sady nanomboky namofona maimbo gny renirano. Tsy afaky nino rano baka amin-gny renirano reo Egyptiana, sady feno lio manodidy tany Egypta. 22 Fa nanao manahaky zay tamin-gny olin-drozy reo avao koa reo mpanao olin'i Egypta. Koa la niha-mahery gny fon'i Farao, sady nanda tsy hijanjy gnan'i Mosesy voho Arona ie, araky zay fa nisafagnin'i Yaveh fa hiseho. 23 La nitoliky i Farao sady nimpoly tao an-tragnony. Tsy nasiany dikany gny raha niseho teo. 24 Nihaly rano magnodidy an'ny renirano io gny Egyotiana mba hinomy, nefa tsy mahazo mino amy ranon-gny ony rozy. 25 Fa fito andro zay tafan-gny namangoan'i Yaveh gny renirano.