Toko faha 6

1 Ka Yaveh mivola tamin'i Mosesy hoe: " Androany ro hahitanao zay hataoko amin'ny i Farao. Ho hitanao zay, fa hagnenga gnazy reo handeha ie nohon'ny gny tagnako mahery. Noho gny tagnako mahery, handramby an-drozy hiala amin'ny gny taminy ie." 2 Ndragnahary nivola tamin'i Mosesy ka nanao hoe: " Izaho ro Yaveh, 3 Amin'ny gny maha-Ray tsitoha Gnahy ro nisehoako tamin'Abrahama, Isaka, voho Jakoba, fa amin'ny gnagnarako, Yaveh, la tsy nahay Gnahy rozy. 4 Nametraky fifagnenkegna tamin-drozy koa Zaho, mba hagnomeza an-drozy gny tamin'i Kanana, tany zay nitoeran-drozy amin'ny mahampiavy gnazy, tamy zay nivezevezean-drozy. 5 Ka nahare gny fitaraignan'ny gny Israely zay nandevozin'ny gny Egyptiana avao koa Zaho, ka tiaroko gny fagnenkeko. 6 Noho ny zay, volagno reo Israelita hoe: " Izaho ro Yaveh. Hagnafatsy anareo amin'ny gny fagnandevozan'ny gny Egyptiana Zaho, ka ho afahiko amin'ny heriny nareo. Hagnavotsy anareo amin'ny fampisehoa gny heriko Zaho, voho amin'ireo fitsara mahery. 7 Halaeko ho oloko nareo, ka Zaho Ndragnaharinareo, zay nangalaky anareo teo ambanin'ny gny fagnandevozan'ny reo Egyptiana. 8 Handesiko agny amin'ny gny tany zay fa nampitamaniko tamin'i Abrahama, Isaka voho Jakoba nareo. La homeako ho fanagnanareo zay. Izaho ro Yaveh". 9 Laha nivola amizay tamin'ireo Israelita Mosesy, la tsy nijanjy gnazy rozy nohon'ny gny hakivian-drozy mahakasiky gny fagnandevoza mare an-drozy. 10 Ka nivola tamin'i Mosesy Yaveh ka nanao hoe: 11 " Mandehana volagno Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hagnenga gny vahoaky gn'Israely hiala ao amin'ny gny taniny. 12 Hoy Mosesy nivola tamin'i Yaveh hoe: " Laha tsy nijanjy Gnahy reo Israelita, nagnino Farao ro hijanjy gnahy, fotony tsy mahay mandaha-drehaky zaho"? 13 La nivola tamin'i Mosesy voho Arona i Yaveh. Nagnomea lily an-drozy ho an'ireo Israelita voho ho an'i Farao, mpanjakan'i Egyptiana Ie, mba handay reo Israelita hiala gny tany Egypta. 14 Reto gny lohan'ny gny fianakavian'ny gny razamben-drozy, reo anakilahin-dRobena, talagnolon' Israely, la i Hanoka, Palo, Herzona, voho Karmy. Reto gny lokon'ny gny razamben'i Robena. 15 Reto gnanakilahin'i Simeona, la Jemoela, Ohada, Jakinasy, Zahara, voho Saoly__gny anaky gnampela Kananita. Reo ro razamben'ny gny fokon'i Simeana. 16 Reto hisahy reto gnanakilahin'i Levy, miaraky amin'ny gny taranan-drozy. Rozy reto la i Geesona, Kehata, voho Merary. Niay hatramin'ny faha 137 tao i Levy. 17 Reto gnanakilahin'i Gersona la i Libny voho i Simey. 18 Reto gnanakilahin'i Kaheta la i Amrama, Jizara, Hebroma voho i Oziela. Niay hatramin'ny faha telo amby telopolo amby zato tao i Kehata. 19 Reto gnanakilahin'i Merary la i Maly voho Mosy. Reo ro nanjary razamben'ny gny fokon'ireo Levita miaraky amin'ireo taranany. 20 La nanambaly an'i Jekebeda i Amrama, anabavin'ny babany. Niteraky an'i Arona voho Mosesy taminy ie. Nisy 137 tao i Amrama la maty bakeo. 21 Reto gnanakilahin'i Jezara la i Nafega, voho Sitry. 22 Reto gnanakilahin'i Oziela la i Misaela, Elzafana, voho Sitry. V 23 Nanambaly an'i Eliseba i Arona, anakampelan'i Aminadaba, anabavin'i Nasona. Niteraky an'i Nadaba, Abiho, Eliazara, voho i Itamara taminy ie. 24 Reto gnanakilahin'i Kora la i Asira, Elkana, voho Abiasafa. Reo gny razamben'ny fokon'ny gny Karaita. 25 Eleazara, anakilahin'i Arona, nanambaly gny raiky tamin'ireo anakampelan'i Potiela. Niteraky an'i Fineasa taminy ie. Reo gny lohan'ny gny vavean'ireo Levita, miaraky amin'ireo taranany. 26 Reo johary roe reo la i Arona voho Mosesy zay nivolagnan'i Yaveh hoe: " Andeso miala gny tany Egypta reo Israelita amin'ny gnalalan'ireo vondro-delahy mpialy." 27 Arona voho Mosesy nivola tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hagnenga an-drozy hamoaky reo Israelita bakao Egypta. Gny Mosesy voho Arona avao reo. 28 Lafa nivola tamin'i Mosesy tamin'ny gny tany Egypta Yaveh, 29 la hoy Ie taminy: " Izaho ro Yaveh. Volagno amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta zay iaby hovolagniko aminao. 30 Fa Mosesy nivola tamin'i Yaveh hoe: " Tsy mahay mivola zaho, ka manao ahoa gny hijanjignan'i Farao gnahy?