Toko faha 3

1 Fa haizo zao: amin'ireo andro farany la hisy reo fotoan-tsaratsy. 2 Fotony gny olo ho tia tena, tea jala, ho mpieboebo, ho mpandoka tena, ho mpanevateva an-Dranagnahary, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotsy, sady tsy masy. 3 Tsy hanam-pitea gny avorohotany rozy, mpanohitohitsy, ho mpagnendrikendriky, tsy hahafehy tena, hahery setra, tsy ho tea gny soa. 4 Ho mpamaliky rozy, tsy misy eritreritsy, mpanambony tena, tea fahafinareta mihoatsy noho reo tea an-Dranagnahary. 5 Hana gny toetsy manahaky gny an-Dranagnahary rozy, nefa la handietsy gny heriny. Miala amin'iregny olo regny. 6 Fotoa gny sasany tamin'ireo la reo johary zay militsy ao an-tokantragno sady manaitsy reo sevaky dala. Reo ro ampela zay tsy afaky amin'ny fahota voho voatariky amin'ireo fila samihafa. 7 Reo sevaky reo la mianatsy avao, nefa tsy avy amin'ny fahaia gny fahamarigna mihintsy. 8 Manahaky izay avao koa i Jana voho i Jambra nitsanga nanohitsy gnan'i Mosesy. Tamin'izay la nitsanga avao koa reo mpampianatsy sandoky reo hanohitsy gny to. Rozy la johary simba fisaigna, tsy nankasitraha tamin'ny finoa. 9 Fa tsy handroso lavitsy rozy. Fotony gny hadalany la ho vita mazava amin'ny olo iaby, manahaky gnan'ireo johary reo 10 Fa laha nareo koa, la fa nagnaraky gny fampianarako, gny fitondra, gny fikasa, gny finoa, gny faharetam-po, gny fitiava, gny fahareta, 11 reo fagnenjeha, reo fijalia, sady zay nitranga tagnamiko tagny Antiokia, tagny Ikonioma voho tagny Lystra. Niharitsy reo fagnenjeha zaho. Bakamin'ireo iaby reo, la namonjy gnahy gny Tompo. 12 Zay iaby te-hiay araky gny fomban-Dranagnahary ao amin'i Kristy Jesosy la ho enjehy. 13 Reo olon-draty voho reo mpisandoky la ho agny amin'ny raty avao. Rozy reo la hitariky reo olo hafa ho agny amin'ny lalan-diso. sady reo vatany la ho voatariky amin'izay. 14 Fa laha nareo koa, mipetraky ao amin'ireo raha zay fa nianaranareo voho fa ninoanareo mare hoe bak'aia ro fa nianaranareo. 15 Hainareo fa hatramin'ny fahazaza la fa nahay reo asa soratsy masy nareo. Regny la hahavita hampahendry gnanareo ho amin'ny famonjea amin'ny alalan'ny finoa gnan'i Jesosy Kristy. 16 Gny Soratsy Masy iaby la bakamin'ny tsindrimandrin-Dranagnahary. Izay la tombony ho gnan'ny fotom-pampiagnara, ho gnan'ny fanondroa reo diso, ho gnan'ny fanitsia, sady ho gnan'ny fampiofagna amin'ny fahamarigna. 17 Izay la mba hahavy gny joharin-Dranagnahary hahay soa, voho ho voaoma tanteraky amin'ny asa soa iaby.