Toko faha 4

1 Zaho la magnome toy lily hentitsy toy eo agnatrehan-Dranagnahary voho Jesosy Kristy, zay hitsara gny velo voho gny maty, sady noho gny fisehoany voho gny fanjakany: 2 Mitoria gny Teny. Mivono na amin'ny fotoa na tsy amin'ny fotoa. Magnanara, mivolagna mare, mampirisiha amim-pahareta voho gny fampianara iaby. 3 Fotony ho avy gny fotoa zay tsy hazakan'ny olo gny feon'ny fampiagnara. Fa koa, rozy la hisafily mpampianatra ho gnazy araky reo fagniriany manoka. Reo la hanitikitiky gny sofin-drozy. 4 Hangalaky gny finjanjignan-drozy amin'ny fahamarigna reo, sady hivily ho agny amin'ireo angano. 5 Nefa nareo, eritrereto soa gny raha iaby. Hiareto gny raha sarotsy; atavo gny asan'ny evanjelista; tanteraho gny fanompoanareo. 6 Fotoa fa atolotsy sahady zaho. Fa avy gny fotoa hialako. 7 Zaho la fa nahavita gny aly soa; fa nahavita gny hilay aho; fa nindrahako gny finoa. 8 Gny satro-boninahitsy gny fahamarigna la fa voatoka ho gnahy, zay homen'ny Tompo, gny mpitsara to, ho gnahy amin'izay andro izay, sady tsy ho gnahy raiky, fa koa ho gnan'ireo iaby zay fa nitea gny fisehoany. 9 Omeo zay soa iaby bak'aminao mba handehanany atoy agnamiko malaky. 10 Fotony i Demasy fa nagnenga gnahy. Teany zao tontolo zao sady fa nandeha tagny Tesalonika ie. Kreska la nagnagny Galatia, voho Titosy nagnagny Dalmatia. 11 Lioka raiky avao ro miaraky agnamiko. Alaivo i Marka sady andeso ie miaraky aminao fotony ilako amin'ny asa ie. 12 Tykiko la nalefako tagny Efesosy. 13 Gny lamba zay navelako tao Troasy miaraky amin'ny Karpo, andeso igny lafa avy iha, sady reo boky, sadraky reo mifono holitsy. 14 Aleksandro gny mpagnefy varahina la nampiharihary asa raty maro tagnamiko. Gny Tompo la hamaly gnazy araky reo asany. 15 Iha avao koa la tokony hitandry gny vatanao aminy, fotony ie la manohitsy mare reo safanay. 16 Tamin'ny fiarovan-tenako voalohany, tsy nisy nanohitsy gnahy. Nefa koa, gny olo iaby nagnenga gnahy. Ao mba tsy ho voaheloky amin'izay rozy. 17 Fa gny Tompo la nitsanga teo agnilako sady nankahery gnahy mba, amin'ny alalako, gny fagnambara la afaky tanterahy tanteraky, sady mba afaky hahegno reo Jentilisa iaby. Zaho la avotsy tamin'ny vavan'ny liona. 18 Gny Tompo la hagnavotsy gnahy amin'ny asa raty iaby sady hamonjy gnahy amin'ny fanjakany agny an-dagnitsy. Ho gnazy anie gny voninahitsy la traky farany. Amena. 19 Ataovo veloma i Psisila, i Akoila, voho reo avorohotan'i Onesiforosy. 20 Erasto la nipetraky tao Korinto, fa i Trofimo la nengako fa narary ao Mileto. 21 Omeo zay soa mare bakaminao mba ahaviany alohan'ny asotsy. Manao veloma gnanao i Eolobolo, sady Poda avao koa, Lino, Klaodio, voho reo johary iaby. 22 Hiaraky amin'ny fagnahinao anieo gny Tompo. Ho agnaminareo anieo gny fahasoava.