Toko faha 2

1 Noho izay iha, anako, mahereza ao amin'ny fahasoava zay ao amin'i Jesosy Kristy. 2 Reo raha renonareo baka agnamiko teo agnatrehan'ny vavolombelo maro, la hankino amin'ny olo mahatoky zay afaky hampianatsy gny sasany koa. 3 Mareta raha sarotsy miaraky agnamiko, manahaky gny miaramila soan'i Jesosy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo laha mbo voafandrik'ireo raharahan'izao fiaigna zao, mba hafahany mampifaly gny lehibeny. 5 Sady, laha misy olo mifanina manahaky gny atleta, la tsy mandramby gny satro-boninahitsy ie laha tsy mifanina amin'ny alalan'ireo fitsipiky. 6 Ila gny fandraisan'izay mpamboly zay miasa mafy gny anjara vokatsy voalohany. 7 Saigno gny mikasiky zay ambarako, fa gny Tompo ro hagnome gnanareo gny fahatakara amin'ny raha iaby. 8 Tiarovo Jesosy Kristy, bakamin'ny avorohotan'i Davida, zay nantsaga tamin'ireo maty. Izay la araky gny hafatsy gny filazantsarako, 9 zay mampijaly gnahy gny amin'ny famatora manahaky gny mpamono olo. Fa gny safan-Dranagnahary la tsy voafatotsy. 10 Noho izay hiaretako gny raha iaby ho gnan'ireo voafily, mba ho afaky handray gny fagnavota zay ao amin'i Kristy Jesosy avao koa rozy, miaraky amin'ny voninahitsy mandrakizay. 11 Toy safa toy la mendri-pitokia: " Laha maty niaraky tagnaminy tsika, la ho velo hiaraky agnaminy avao koa. 12 Laha miaritsy tsika, la hanjaka hiaraky aminy avao koa. Laha manda Gnazy tsika, la handa gnantsika avao koa Ie. 13 Laha tsy mahatoky tsika, la hahatoky favao koa Ie, fotony tsy afaky manda gny vatany Ie." 14 Ampahatiaroviko an-drozy hatragny reo raha reo. Ampitandremo eo agnatrehan-Dranagnahary rozy mba tsy hifamaly mikasiky reo safa. Noho io la tsy misy raha ila. Noho io la tsy misy fahasimba ho gnan'ireo zay mijanjy. [Fanamariha: gny dikan-teny sasany la mivaky hoe: " Ampitandremo eo agnatrehan-Dranagnahary rozy] 15 Omeo gny soa bakaminao mba hagnomezanao tena ho an-Dranagnahary manahaky gny ankatoavy, mpiasa zay tsy mana antony hahamegnara, zay mampianatsy gny safan'ny fahamarigna amin'ny tokony ho ie. 16 Ialao gny safa fanevateva, zay manday tsikelikely agny amin'ny faharatiam-pagnahy. 17 Gny safan-drozy la hiely manahaky gny fery mandoaky. Eo agnivon'ireo Hymeneo voho Filito. 18 Ie Rozy ro johary tsy mba nahay gny to. Mivola rozy fa gny fitsangana amin'ny maty fa nitranga. Simban-drozy gny finoan'ny sasany. 19 Na la izay aza, gny fototsy mafy orin-Ndranagnahary la mijoro. Mana toy soratsy toy: " Gny Tompo la mahay reo zay gnazy" sady " zay iaby manono gny agnarany Tompo la tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarigna." 20 Ao amin'ny tragnon'ny mpanan-kanagna, la tsy reo fitoeran'ny volamena voho volafoty avao ro ao. Misy avao koa reo fitoeran'ny hazo voho tanimanga. Gny sasany amin-drozy la ho ampiasa amim-boninahitsy, sady gny sasany ho amin'ny fanalam-baraka. 21 Laha misy olo magnalio gny vatany ho afaky amin'ny fahafaham-baraka, la fitoera manan-kaja ie. Ie la voatoka, ilain'ny Tompony, sady voaoma amin'ny asa soa iaby. 22 Mandosira gnan'ireo filan'ny tanora. Mila fahamarigna, finoa, fitia, sady fihavagna miaraky amin'ireo zay mikaiky gny Tompo amin'ny fo malio. 23 Nefa manda reo fanontania adala voho tsy misy dikany. Hainareo fa miteraky aly reo. 24 Gny mpanompon'ny Tompo la tsy tokony mifanditsy. Fa koa tsy maintsy malemy fagnahy amin'ny iaby ie, mahay mampianatsy, sady maharitsy. 25 Tsy maintsy ao amin'ny fahalemem-pagnahy ro ampianarany reo zay manohitsy gnazy . Fa vasa Ndranagnahary mety hagnome an-drozy fibebaha ho gnan'ny fahalala gny to. 26 Mety holy ndraiky gny fisainan-drozy reo sady hiala gny fandriky gny devoly, lafa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony.