Toko faha 20

1 Voho tafarany zay, la avy nanohitsy gnan'i Josafata gny reo vahoakan'i Moaba ndraiky Amona, voho miaraky tamin-drozy gny Monita sasany. 2 La niavy gny sasany nisafa tamin'i Josafata tamin'i Josafata, nanao hoe: " Maro gny reo ho avy anohitsy gnanao baka an-dafiny gny riaky Maty agny, baka Edoma agny. Hondy, Hazezon-tamara ao rozy, "ze Enjedy. 3 Lasa navaka ndraiky nampagnenty gny vatany mba hagnenty gnan'i Yaveh i Josafata. Nagnambara fifalian-kany eran'i Joda iaby ie. 4 Niaraky mivory hila gnan'i Yaveh gny Joda iaby; avy hila gnan'i Yaveh ami-gny reo tanan'i Joda iaby agny rozy. 5 Voho Josafata nitsanga ami-gny fivoriany gny Joda ndraiky Jerosalema eo, tan-tragnon'i Yaveh tao, tagntrehany gny kianja vaovao. 6 Hoy ie hoe: " Ry Yaveh, Ndranagnahariny reo razambenay, tsy iha vo ro Ndranagnahariny gny lagnitsy? Tsy hery ndraiky gny fahefa la an-tagnanao eo, ka tsy misy afaky akatohitsy gnanao. 7 Ry Ndranagnaharinay, tsy ihava ro mandroaky gny olo tami-gny tany toy tetoa toy nagnatriky gnan'Israely olonao, ndraiky nagnomea zay zisiky amparany ho gnany reo taranak'i Abrahama? 8 Nipetraky tami-zay tao ndraiky nagnamboatsy fipetraha masy tao ho gnany gnagnaranao rozy, nanao hoe. 9 Laha avy agnaminay eto gny loza gny meso, gny fitsara, na arety, na mosary__la hitsanga agnatrehany toy tragnony toy, ndraiky agnatrehanao eo rahay ( fa ami-gny tragno toy ato gn'agnaranao), voho hitagny gn'Anao rahay ami-gny fijaleanay, ka ahare ndraiky handomba gnanay Iha! 10 Voho ingo, ndreo gny vahoakan'i Amona, Moaba, voho gny vohitsy Seira tsy nanganao ho tafihin'Israely lafa niboaky bakagny ami-gny tany Egypta rozy; fa koa, miala tamin-drozy gny Israely voho tsy nandrava gnan-drozy." 11 Ingo, gny fomba hagnamboarany gn'antsika; avy handroaky gn'antsika hiala ami-gny taninao ao nameanao ho lovanay rozy. 12 Ry Ndranagnaharinay o, tsy hitsara gnan-drozy va Iha? Fa tsy mana hery hanohera gnany zay tafiky bevata avy hanohitsy gnanay zay rahay. Tsy hainay ze tokony hatao, fa gny masonay la agnminao agny." 13 Nitsanga tagnatrehan'i Yaveh teo gny Joda iaby, miaraky tagnamireo malinikin-drozy, gny valin-dreo, ndraiky gnan-dreo. 14 La tagnivony gny fangora, ro niavy tamin'i Jahaziela gnanak'i Zakaria, gnanak'i Benaia, gnanak'i Jaiela gnanak'i Matania, Levita, raiky tami-gny reo gnanak'i Asafa gny fagnahin'i Yaveh. 15 Hoy Jahaziela hoe; " Njanjigno, ry Joda iaby ndraiky gny olon'i Jerosalema, voho ry Josafata mpanjaka. Zao ro nivinolan'i Yaveh tagnaminao hoe: ' Ka mavaka: ka kivy nohony zay tafiky bevata zay, fa tsy ho gnanareo gny aly, fa ho gnan-Dranagnahary. 16 Tsy maintsy hidrotso hanohitsy gnan-drozy nareo amaray. Ingo, hiakatsy ami-gny lalagna mandalo a-Ziza gny efits'i Jeroela. 17 Tsy mila ami-gny aly zay nareo, mijoroa ami-gny fitoeranareo, miegnena, ka henteo gny fandomban'i Yaveh gnanareo, ry Joda ndraiky Jerosalema. Ka mavaka na kivy. Miboaha hanohitsy gnan-drozy amaray, fa Yaveh hitahy gnanareo."" 18 Nagnondriky gny tarehiny tani-gny tany i Josafata. Gny Joda iabiaby ndraiky gny olon'i Jerosalema la niondriky tagnatrehan'i Yaveh, nandrengy gnazy, 19 Reo Levita, ndraiky gny reo taranaky gny Kehatita ndraiky Koraita, nitsanga mba handrengy gnan'i Yaveh, Ndranagnahariny gny Israely, tami-gny feo mahery. 20 Vo marandray be la nitsanga rozy ka miboaky nagnami-gny efits'i Tekoa. Laha niboaky ignin-drozy, la nitsanga Josafata voho nisafa hoe: " Mijanjigna gnahy, ry Joda, ndraiky nareo olon'i Jerosalema! Minoa gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo, la ho tohagna nareo. Matokia gnany reo mpagnambara hafatsy, la handaitsy nareo." 21 Lafa nagnontany gny olo Ie, la nanendry gnany reo tokony ihira ho gnan'i Yaveh ndraiky handrengy gn'Azy nohony gny voninahiny masy Ie, laha niboaky taloha gny tafiky rozy, voho nanao hoe: " Misaora gnan'i Yaveh, fa mahaligny zisiky amparany gny famin-dram-pony." 22 Lafa nanomboky nihira ndraiky nanompo rozy, la nametraky johary hamango tampoky gny vahoakan'i Amona, ndraiky Moaba, voho gny vohitsy Seira, niavy hanohitsy gnan'i Joda i Yaveh. Voho la resy rozy. 23 La nitsanga hialy hanohitsy gny olo bakam-bohitsy Seira ao gny vahoakan'i Amona ndraiky Moaba, mba hameno tanteraky ndraiky handrava gnan-drozy. Lafa vitan-drozy gny ami-gny tana am-bohitsy Seira ao, la hifandrava rozy 24 Laha niavy tami-gny polasy fagnentea gny efitsy gny Joda, la nagnenty gny tafiky rozy. Ingo, fa maty rozy, tonta tami-gny tany; tsy misy afaky nilomay. 25 Laha avy handroba tamin-drozy eo Jasafata ndraiky gny vahoakany, la nahita raha maro be, akanjo, ndraiky fitaova lafo vily, nalany ho gnan-drozy, mandilatsy nohony ze azon-drozy mandesy. Nahaligny hateloa gny fandromban-drozy, fa lilatsy mare gny zay ro teo. 26 Tami-gn'andro fahefatsy la nivory tami-gny lohasahan'i Bereka rozy. Tagny ro nandrengean-drozy gnan'i Yaveh, ka natao hoe " Lohasahan'i Bereka" gny agnarany zay polasy zay zisik'androany. 27 La nimpoly rozy, gn'olo iaby ta- Joda ao ndraiky ta-Jerosalema, voho tami-gny fitarihan-drozy tao i Josafata, mba handeha magna Jerosalema agny am-pifalia indraiky, fa Yaveh fa nagnafaly gnan-drozy tami-gny reo fahavalony. 28 Avy ta-Jerosalema tagny ndraiky tan-tragnon'i Yaveh ao miaraky tami-gny reo lokanga, valiha, voho trompetra rozy. 29 Gny haroharon-Dranagnahary la tami-gny reo fanjakany gny firenena iaby laha nahaja rozy fa Yaveh la nialy hanohitsy gnany reo fahavalony gny Israely. 30 Ka la nitsy gny fanjakan'i Josafata, fotony nagnomea gnazy nagnodidy gnazy iaby gny Ndranagnahary. 31 Nanjaka tami-gny Joda eo i Josafata: telo polo limy amby tao ie laha nanomboky nanjaka, voho nanjaka roapolo limy amby tao ta-Jerosalema ie Gn'agnaran-dreniny la Azoba, gnanak'ampelan'i Sily. 32 Nandeha tami-gny reo lalan'i Asa rainy ie; voho tsy niala tami-regny; nanao gny to tamason'i Yaveh ie. 33 Na zay aza, tsy nirinava gny reo fipetraha agnabo. Gny vahoaky la mba tsy nitariky gny fon-drozy ho amin-Dranagnahariny gny razamben-drozy. 34 Voho laha gny ami-gny reo raha hafa mikasiky gnan'i Josafata, voalohany sady farany, ingo, rozy la fa voasoratsy ami-gny tantaran'i Jeho gnanak'i Hanany ao, voa hajary an-tsoratsy ami-gny bokiny reo mpanjakan'Israely ao. 35 Voho tafarany zay Josafata, mpanjakan'i Joda la nikaon-doha tamin'i Ahazia, mpanjakan'Israely, nanao haratia maro. 36 Niray hina tagnaminy ie mba hagnamboatsy sambo handehana a-Tarsisy agny. Ta Ezion-gabera tao ro nagnamboaran-drozy gny sambo. 37 Voho Eliezara gnanak'i Dadavaho baka Maresa agny, la naminany hamango gnan'i Josafata; hoy ie hoe: " Fotony fa nikaon-doha tamin'i Ahazia iha, la nirinavan'i Yaveh gny reo tetikasanao. ' Nivaliky gny sambo ka tsy afaky niondra an-tsambo rozy.