Toko faha 24

1 Lafa nimpoly baka nagnenjiky gnan'ireo Filistina i Saoly, la nolaza tamin'ny hoe:" Agny agn;efits,i En-Jedy i Davida." 2 Bakeo i saoly la nangalaky johary sady nandeha nila gnani Davida voho reo johariny tegny amin'ny vatolampin'ireo Osi-Dia. 3 Nandeha teo amin'ny valan'aondry taegny an-dala ie, zay nisy zohy raiky. Nilitsy tao mba hanao maloto i Saoly. sady Davida voho reo johariny la nipetraky lavitsy tafarany tao amin'ny zohy. 4 Sady hoy reo joharin'i Davida taminy hoe;'Intoy ro andro zay niresahan'i Yaveh lafa nivola taminao Ie hoe:' Hatolotso eoam-pelatagnanao reo fahavalonao, mba hanaovanao zay tianao hatao aminy." Bakeo davida nitsanga sady nilaly moramora nadroso ka nanapaky gny moron'ny akanjo lavan'i Saoly. 5 Lafa afaky io la nampijaly gnazy gny fon'i Davida fotony nanapaky gny moron'ny akanjo lavan'i Saoly ie. 6 Hoy ie tamin'ireo johariny hoe;' Yaveh anie handrara gny hanaovako zao raha zao amin'ny tompoko, lay vaohosits,' Yaveh, la gny hagninjirako gny tagnako aminy, laha mahita fo voahosits'i Yaveh ie." 7 La nivola mare gnan'ireo johariny tamin'ireo teny reo Davida, sady tsy nagnenga gnan-drozy hamely i saoly. Nitsanga i saoly , nagnenga gny zohy, sady nandeha tamin'ny lalany. 8 Lafa afaky io, la nitsanga avao koa i Davida, nagnenga lay zohy, sady nikaiky gnan'i Saoly hoe;' Ry mpanjaka tompoko." Lafa nanenty gnazy bakao afara i Saoly, la nampiankohoky gny vatany tamin'ny tany i Davida sady naneho fagnaja gnazy. 9 ahoy i Davida tamin'i Saoly hoe:' Nagnino iha ro mijanjy reo johary zay manao hoe:' ingo, mila hanao raty gnanao Davida?" 10 amizao hitan'ny masonao fomba nametrahan'i Yaveh gnanao teo am-pelatagnako tamintsika toa an-johy. Gny sasany nilaza tamiko mba hamono gnanao, fa namindra fo taminao aho. Hoy aho hoe;"Tsy haninjitsy gny tagnako amin'ny tompoko aho; fotony voahosits'i Yaveh ie. 11 Ingo, ry raiko, jereo gny moron-tombok,akanjo lavanao eo am-pelatagnako. Fa gny antony nanapahako gny moron-tongots'akanjo lavanao voho tsy namonoako gnanao, la mba hainao voho jerinao fa tsy raty na fivadiha eto am-pelatagnako, sady tsy nanota taminao aho, ndra la mihaza gny aiko mb ahahafaty gnahy aza iha. 12 Yaveh anie hitsara gnahy voho iha, sady yaveh anie hamaly faty gnahy aminao, fa gny tagnako la tsy tokony hanohitsy gnanao. 13 Araky gny lazain'ny ohabola ntaolo hoe:' bakamin'ny raty fagnahy ro hiavian'ny faharatia.Fa tsy hanohitsy gnanao gny tagnako. 14 Ho gnan'ia ro niboahan'ny mpanjakan'Israely? Ia ro enjehinao? Alika maty! Parasy! 15 Yaveh anie ho mpitsara voho hagnome fitsara gnahy voho gnanao, sady hijery amin'io , sady hisolo vava voho hamela gnahy handositsy amin'ny tagnanao." 16 Lafa baka niresaky reo teny reo tamin'i Saoly i Davida, la hoy i saoly hoe;' Feonao va io, ry Davida anako?" Nandratsy gny feony i saoly sady nitagny. 17 Hoy ie tamin'i davida hoe:' Marina tokoa iha mandilatsy gnahy. fotony namaly soa gnahy iha, lafa namaly raty gnanao aho. 18 nambaranao amizao gny fomba nanaovanao soa tamiko, fotony tsy namono gnahy iha laha nataon'i Yaveh teo an-tagnanao gny aiko. 19 Fa laha misy johary mahita gny fahavalony , la handefa gnazy am-piadagna va ie? Yaveh anie hamaly soa gnanao amin'izay vitanao tamiko henanio. 20 amizao , haiko fa ho mpanjaka tokoa iha sady hapetraky am-pelatagnanao gny fanjakan'Israely. 21 Mianiana amiko amin'i Yaveh fa tsy hagnombotsy reo avorohotako mandimby gnahy iha, sady tsy hamotiky gny agnarako hiala amin'ny tragnon-draiko." 22 Nohon'io la nanao fianiana tamin'i Saoly i Davida. Bakeo la nandeha noly i Saoly, fa i Davida voho reo johariny ko anandeha niakatsy tagny amin'ny fiarova mafy.